18/09/2026
RESAKA ASA DUBAI!
✅Amiko manokana zara aza misy Orinasa Malagasy afaka maka Malagasy maro, manome Visa antsika fa ny an’olona tsy omeny!
✅Mampalahelo mahita ireo Malagasy tonga any, lany vola niditra Visit Visa nefa tapitra 3mois tsy maintsy mody na clandestin raha tsy mahita asa fa lany Visa, tsy zara aza ve misy Orinasa afaka manome ID (karatra)na andoavambola-bola aza? Rehefa voasazy anefa any mandoa vola be fona vao ara-dalàna. afaka mitady aza miadana sy mifidy karama rehefa misy ID (karatra). Raha nandoa vola ianao nefa tsy nataon’izy ireo ny taratasy tonga tany Dubai, afahanao mipetraka maharitra, dia izay ilay hoe tena voafitaka.
✔️Ilay izy fotsiny tokony atao mazava arak’izay hoe tsy misy asa fa voafetra ny toerana , tonga aty Dubai mitady asa. Fitadiavana olona any Madagascar tsy asa izany fa bizina ka tsy tokony anankinana fiainana sy ny ho avy! Ary tsy tokony asiana fitaka na ambadika fa hifanarahana tsara fotsiny dia samy mi-coprendre.
✅Aza simbaina ny Orinasa Malagasy aty Arabo fa ireny no hanampy antsika ho tonga aty.
✅Raha resaka lalàna no jerena dia tsy manaraka lalàna izany marina tokoa, fa raha tsy misy asa maro be ho an’ny Malagasy ary ilay ORINASA fa kosa afaka manome Visas bediabe! Tsy aleo ve zaraina ilay Visas toy izay ao fotsiny?? Ary hiaraha-mahalala ny tsy fisian’ny asa eto an-tanindrazana, Nefa vao miala any Madagascar isika dia efa voarara sy tsy manara-dalàna.
Tokony izay tombotsoa hiombonana no jerena .