Soli’Nirina

Soli’Nirina 𝗞𝗶𝘁𝗶𝗼 𝗻𝘆 𝘀𝘂𝗶𝘃𝗿𝗲👇😊
💗𝗥𝗲𝗰𝗲𝘁𝘁𝗲 + 𝘃𝗲𝗻𝘁𝗲 𝗽𝗿𝗼𝗱𝘂𝗶𝘁𝘀 𝘂𝘁𝗶𝗹𝗲𝘀 𝗮𝘂 𝗾𝘂𝗼𝘁𝗶𝗱𝗶𝗲𝗻💯

🍲 HENABAOLINA SY ANANA no miketrika ato an-dakozia androany 😋🔥Ilay karazana laoka tsotra fa rehefa mipetraka eo ambony v...
13/08/2026

🍲 HENABAOLINA SY ANANA no miketrika ato an-dakozia androany 😋🔥

Ilay karazana laoka tsotra fa rehefa mipetraka eo ambony vary mafana… dia tsy mila resaka be intsony 😂❤️

Fa ianao kosa, inona ny laoka miketrika ao an-tranonao androany? 👇
Alefaso ao amin’ny commentaire, andao hifampizara idée! 😍

👉 Abonne-toi fa eto isika miara-mahandro, miara-mizara recette ary mifampanome idée. ❤️

🍲 SOUPE FAIT MAISON, TSOTRA NEFA TENA MAMPAHAFANA ❤️Rehefa mangatsiaka ny andro, indraindray dia soupe mafana sy feno ts...
12/08/2026

🍲 SOUPE FAIT MAISON, TSOTRA NEFA TENA MAMPAHAFANA ❤️

Rehefa mangatsiaka ny andro, indraindray dia soupe mafana sy feno tsiro fotsiny no ilaina 🥰

🥕 Recette :
Atao anaty vilany ny hena, tongolo ary tongolo gasy, avela hiketrika kely.
Ampiana rano dia avela ho masaka tsara ny hena.
Rehefa manomboka malemy dia arotsaka ny ovy, karaoty ary ireo légumes tiana.
Ampiana sira sy poivre, ary sakamalaho kely raha tiana.
Avela hiketrika mandra-pahalemin’ny légumes sy hifangaro tsara ny tsiro.
Farany, asiana tongolo maitso sy persily kely… dia vonona ny soupe ! 😋🔥

Ny tena mahafinaritra azy? Tsotra, mafana, vita ao an-trano ary tena mampilendalenda. ❤️

👉 Raha tianao ny recette tsotra sy matsiro tahaka izao, ABONNEZ-VOUS amin’ny page 🥰
💬 Ary lazao hoe: inona ny légumes tianao indrindra ao anaty soupe?

🥗 SALADE DE MACARONI CRÉMEUSE 😋❤️Satria tianareo be ilay salade de pâtes, dia hoy aho hoe: andao indray hanome recette i...
11/08/2026

🥗 SALADE DE MACARONI CRÉMEUSE 😋❤️

Satria tianareo be ilay salade de pâtes, dia hoy aho hoe: andao indray hanome recette iray hafa ho anareo! 🥰

Ity indray macaroni no ampiasaina, afangaro amin’ny mayonnaise, jambon n'a mortadelle , fromage, katsaka, karaoty, concombre tanora kely , maïs dou, poivron ary tongolo maitso… 🤤

Tsotra ny fanaovana azy, fa rehefa mangatsiaka tsara dia tena mampilendalenda! 😋

🙏 Misaotra anareo rehetra amin’ny commentaire, partage ary ireo hevitra alefanareo foana. Tena mankasitraka be aho! ❤️

👉 Abonnez-vous raha mbola tsy abonné, fa mbola recette maro be no hozaraina eto! 🍴🥰

Ity ary ilay recette salade de pâtes crémeuse, tsotra nefa tena mampilendalenda 😋👇🥗 SALADE DE PÂTES CRÉMEUSEAkora ilaina...
10/08/2026

Ity ary ilay recette salade de pâtes crémeuse, tsotra nefa tena mampilendalenda 😋👇

🥗 SALADE DE PÂTES CRÉMEUSE

Akora ilaina :

- Pâtes
- Mayonnaise
- Jambon
- Fromage
- Katsaka mamy maïs dou
- Karaoty
- Concombre
- Poivron
- Tongolo maitso
- Sira sy poivre
- Kely ranom-boasarimakirana

Fikarakarana :
Andrahoy aloha ny pâtes, fa aza avela ho malemy loatra. Rehefa masaka dia tatavanina ary avela hangatsiaka.

Teteho madinika ny jambon, fromage, karaoty, concombre, poivron ary tongolo maitso.

Afangaro ao anaty lovia lehibe ny pâtes sy ireo akora rehetra. Asio mayonnaise betsaka araka izay itiavanao azy, sira, poivre ary ranom-boasarimakirana kely.

Afangaro moramora mandra-pifangaro tsara daholo.

Ampangatsiahina kely ao anaty frigo, dia aroso mangatsiaka.

Tsotra be ny fanaovana azy, fa rehefa mifangaro ilay pâtes, mayonnaise sy ireo légumes croquants… dia lasa salade tsy mahatana sotro intsony! 😋❤️

Endaso tsara ny trondro dia atokana. Ny tongolo sy tongolo gasy no endaso aloha, vao arotsaka ny voatabia. Avela hiketri...
07/08/2026

Endaso tsara ny trondro dia atokana. Ny tongolo sy tongolo gasy no endaso aloha, vao arotsaka ny voatabia. Avela hiketrika miadana mandra-pahazo saosy mamy tsiro. Rehefa masaka tsara dia ampidirina ny sakay sy ilay trondro, avela hilona kely ao anaty saosy. Dia izay, laoka tsotra fa tena mampiteha anampy vary ++++. 🍚🐟

Araho hatrany fa mbola maro ny matsiro. 😍
06/08/2026

Araho hatrany fa mbola maro ny matsiro. 😍

🍲✨ Laoka inona indray no maro ananaka androany? 😋Alefaso ao amin’ny commentaire ny idée laoka-nao (na sary na soratra) ❤...
05/08/2026

🍲✨ Laoka inona indray no maro ananaka androany? 😋

Alefaso ao amin’ny commentaire ny idée laoka-nao (na sary na soratra) ❤️👇
Andao hifampizara recette sy hevitra matsiro e! 🍛

Aza adino ny s’abonner amin’ny page ❤️

🙏❤️ Misaotra betsaka anareo Abonnés rehetra nandefa ny sarin'ny sakafonareo!Tena mahafaly anay ny mahita fa samy manan-t...
04/08/2026

🙏❤️ Misaotra betsaka anareo Abonnés rehetra nandefa ny sarin'ny sakafonareo!

Tena mahafaly anay ny mahita fa samy manan-talenta mahandro ianareo. 😍🍽️ Matsiro be sady tena mampitelindrora ny sakafonareo!

Tohizo hatrany ny mizara ny sanganasanareo ao amin'ny commentaire. Mety ho ny sarinao no hampisarika sy hanome aingam-panahy ny hafa indray. ❤️✨

Mankasitraka anareo hatrany izahay! 🫶🇲🇬

03/08/2026

Nataoko fotsiny ireo vidéo recette ireo tamin'izany... tsy fantatro akory hoe indray andro any dia izy ireo no hampahatsiaro ahy ny fotoana iray tena tiako teo amin'ny fiainako. 🥹❤️

Misy fahatsiarovana tsy vidim-bola. Misy fotoana tsy hiverina intsony. Ary misy "izaho" taloha izay mbola tsaroako matetika.

Ankehitriny dia mijery ireo vidéo ireo aho sady mitsiky... nefa misy ranomaso miafina ao ambadik'ilay tsiky.

Na izany aza, misaotra ny lasa. Satria na lasa aza izy, mbola manome hery ahy hanohy ny lalako.

💔 Raha afaka mamerina fotoana iray monja amin'ny fiainanao ianao... fotoana inona no hofidinao?

Lundi 03 Août 2026✨🇲🇬Alefaso ao amin'ny commentaire ny ny idée laoka androany (na sary na soratra ) 💯Aza adino mi S'abon...
03/08/2026

Lundi 03 Août 2026✨
🇲🇬Alefaso ao amin'ny commentaire ny ny idée laoka androany (na sary na soratra ) 💯

Aza adino mi S'abonner ny page❤️

Address

Ambatolampy

Telephone

+261346792886

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Soli’Nirina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share