Man'atody

Man'atody Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Man'atody, Wholesale & Supply Store, ambohimiangaly, Ambatondrazaka.

faly miarahaba antsika mpanaraka ny pejy hatrany🥰🥰Ndao ary isika omena sopapa kely indray ho amin'ny laoka rahampitso Al...
17/02/2026

faly miarahaba antsika mpanaraka ny pejy hatrany🥰🥰
Ndao ary isika omena sopapa kely indray ho amin'ny laoka rahampitso Alarobia eee😜

🟥Sosety sy totom-boanjo indray atao neny ahh!!
🟥Aza adino kosa ny lasary concombre ee!!🥒🥒
🟥Fotoanan'ny voankazo izao dia mba asio salade de fruit kely ee!!mangue, akondro, voatango, citron kely, tantely na siramamy kely, asio yaourt kely afangaro aminy dia vita!!🥭🍌

♥️ hafatra kely: mihinana voky tsara fa tsy voky be (avec moderation)

sary indrana hatrany

salama daholo ny mpanaraka maivamaivana ny pejy ato!!👍👍am-pifaliana hatrany no hanolorana sopapa ho anao laoka tsotra ne...
05/02/2026

salama daholo ny mpanaraka maivamaivana ny pejy ato!!👍👍
am-pifaliana hatrany no hanolorana sopapa ho anao laoka tsotra nefa azo harafitra tsara ho amin'ny rahampitso ZOMA
Madama: Inona no atao laoka rahampitso vadiko??🤔
Izaho: Avy hatrany dia nisava vata fampangatsiahana🫣🫣
Jerena tonga dia henakisoa antsasakin'ny fahefany tavela tao(1/8 kg), kivikivy gaonanao, soa ihany fa mbola nisy tsaramaso tao anaty sachet sady mbola nisy 3 kapaoka mitsy😜😜!!
Tonga dia ataovy tsaramaso sy henakisoa aiky izy io dia vita, faly daholo ny iray tanàna👏👏👏
🔴 Tsaramaso izay ampy na lena na maina
🔴Hena kisoa izay ampy (fa tsy atao kely be ohatrin'ny anay 1/8kg) ah🤣🤣!!
🔴Asio poireau kely raha misy!!
🔴Ny sirany assureo tsara (aleo manampy eo am-pihinanana toy izay mangidy sira be kaa)
🔴Tsy voatery hisy dessert koa fa ze eo hifaliana eee!!
♥️Ity le hafatra mafonja sy am-pitiavana (avec moderation) foana oa rehefa mihinana fa aza manao voky beee
mazotoa homana ooo
(sary indrana hatrany)

03/02/2026

salama isika mpanaraka maivamaivana ato!!
Toy ny mahazatra ihany dia hanolotra sopapa laoka kely ho an'ny rahampitso alarobia indray ny pejy "Man'atody":
🤣 ka rehefa sahirana ny saina tonga dia ataovy👉
✅Ovy sy hen'omby atao rony
✅Ampio patsa mena somary totoina kely
✅Ary mba asio lasary voatabia kely izy io🍅🍅🧅!!
✅Ny sakay aza adino🌶️🌶️
✅raha misy anle akondro tay parasy reny vao maika tsara🍌🍌
❤️Ity ilay hafatra mafonja am-pitiavana: mihinana avec moderation hatrany ry namana isany

📢eee!! ndao ary ianao fa ampiako amin'izay laoka azo atao rahampitso talata eee!!tsy voatery fa sopapa kely fotsiny ny a...
02/02/2026

📢eee!! ndao ary ianao fa ampiako amin'izay laoka azo atao rahampitso talata eee!!
tsy voatery fa sopapa kely fotsiny ny ahy ity🥰
matsiro ary tena halaniana vary tsara mitsy
✅ Haricot vert sy hena baolina
✅aza adino ny lasary cocombre ahhh!!
✅ Vao maika matsiro raha asina sakay kely eo am-pihinanana azy
✅ Fotoanan'ny manga izao, asio manga menakely amzay enao matanjaka tsara
❤️ Ity no hafatra tena mafonja: ataovy avec moderation foana hatrany ny fihinanana sakafo

misaotra antsika manaraka ny pejy moramora eny🤜👊
02/02/2026

misaotra antsika manaraka ny pejy moramora eny🤜👊

28/01/2026

MITADY ATODY TSARA KALITAO SY BETSAKA VE IANAO? MBOLA MANIRY HIVAROTRA IHANY KOA? TONGAVA ETO AMIN'NY "Man'atody" Rond point technique fa misy maro izy ato

Address

Ambohimiangaly
Ambatondrazaka
503

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Man'atody posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share