25/09/2023
Fiadanana retsy an!😍🥰
Hoy aho omaly oe AMPIANATRA ANAREO MAIMAIMPOANA HANODINA SOJA A a Z aho!
Atombotsika amin'ny FANAOVANA AZY HO RONONO izany anio!
Fantatrareo fa efa maro be ny Tantsaha manodina ny SOJA? mahavelona mihitsy ny soja an!
Rehefa hainao ny mikajy ny kalitao sy manaingo ny tavoahanginao dia mitsangana ho azy ny orin'asa kelinao!
Fa sady FANAFODY anie ilay SOJA e!
Manankarena kalisioma sy proteina ary vitamine maro be izy ary be lipida be anatiny
Mitombo ny Hery fiarovana anatin'ny vatanao
tanora lalandava ianao mihinana soja ary mampitombo fitadidiana
Maranintsaina ny olona mihinana soja
Ny olona marary vavony sy aty dia tsara ho anareo ny soja
Ho an'ny vehivavy dia tena ilainareo ny soja
Tsisy zavatra sarotra be fa arao fotsiny ny sary sy fanazavako azy dia vita ny SOJA🥰
Ny zavatra ilainao
-Soja 1 kapoaka
-milina famoteana(toy ny am sary)
-Rano 3litatra sy fefany(3.250l)
-Vilany
-Sivana na voaly manify
Handeha ataontsika soja fatra 1kapoaka ny ampiasaina izay ahazoantsika ronono soja 3litatra!
Fomba fanaovana
Maka soja mavo maina tsara 1kapoaka
Alona amin'ny rano mandifotra azy ,tsy maninona ataovy be rano mihitsy mandona azy ny alina tontolo tokony ho eo adin'ny 12ora eo ho eo!
Tonga ny maraina dia mahazo soja toy ny tsaramaso ianao ny halebeany toy ny amin'ny sary dia alainao ny soja voalona ka kobaninao indray
Ataonao anaty blender na mixer na ilay milina fitotoana dia ararakao ny rano (afaka averimberina totoina mandrapa matsatso tsara ilay soja fa io rano 3litatra sy fahefany io ihany no ampiasaina!
Vita izay dia sivanina ny ronono soja ary fihazana tsara ilay sivana na voaly
Alainao indray ny vilany ary arotsakao ao ny ronono soja mandroatra be iny
Dia tanehanao amin'ny afo mandritra ny 25minitra tsy alana ilay rôtrany avy anaty milina iny fa miala ho azy eo ampangotrahana azy!
Fa rehefa vita ny ronono vao asorina ilay ditiny mandry amboniny iny na songon-dronono
Dia mangatsiaka dia atao anaty tavoahangy ary afaka pasteurisena mba afaka tehirizina ela ny vokatra!
Dia itanareo ilay FAIKANY tamin'ilay nitotoana azy tamin'ny milina??
Tsy ariana iny a,fa afaka atao humberger, katlesy,bolety, sambos,nem,mofo sakay,cookies,sablé,biscuit,mofo baolina sns...........izay tianareo e,!
Tsy misy dikany ny fahalalana sy fahaizana raha tsy zaraina
Ary ny asatanana hono toy ny volaohambokatra ka tsy manambina raha tsy zaraina maimaimpoana!
Koa manasa antsika hizara ny fahalalana azonao sy fahaizanao sao mahasoa ny mpiarabelona aminao!
Samia hotahian'Andriamanitra isika mianakavy 😍🥰
Antso😍🥰(Fivoarana Sahaza)