11/08/2026
👨🏼⚕️ *FIZAHAM-PAHASALAMANA MAIMAIPOANA MANDRITRY NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TANORA ETO AMBOSITRA* 👨🏼⚕️
"_Tontolo samihafa, hetaheta iombonana_"
🗓️ Maison des Jeunes Ambositra, 11 Aogositra 2026
Tsy diso anjara amin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora taona 2026 ny eto Ambositra.
Ao anatin'izao fankalazana izao dia misy ireo tolotra ara-pahasalamana maimaipoana omena ireo tanora, toy ny:
🩸Fitiliana VIH
👩❤️👨 Fandrindrana fiainam-pianakaviana
🖥️ Échographie
🫴🏻 Tanora an-jatony no nahazo fanentanana mahakasika ny fahasalaman'ny zatovo sy ny tanora tamin'ny alalan'ireo hetsika maro samy hafa
📢 Nitondra fanentanana sy torohevitra ho an'ny tanora ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ato Amoron'i Mania amin'ny fisorohana ny vohoka aloha loatra sy tsy iriana ary ny fitandremana amin' ireo areti-mifindra.
💫 Tonga nanokatra izao fankalazana izao ireo Manam-pahefana izay notarihin'ny Tale misahana ny raharaha sosialy ato amin'ny Faritra Amoron'i Mania.
💯 MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.