Commune Urbaine d'Andapa - CUA

Commune Urbaine d'Andapa - CUA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commune Urbaine d'Andapa - CUA, Business Center, ANDAPA, Andapa.

⚪ 29 Mars 1947 — 29 Mars 2026  (79 taona)"Tolo-panafahana fanavaozana ny fitiavan- tanindrazana"Notanterahina teto amin’...
28/03/2026

⚪ 29 Mars 1947 — 29 Mars 2026 (79 taona)

"Tolo-panafahana fanavaozana ny fitiavan- tanindrazana"

Notanterahina teto amin’ny Fiangonana FJKM Andapa Fanasina ny vavaka firaisam-pinoana ho an’ny Tanindrazana, ho fahatsiarovana ny Tolo- panafahana 29 Marsa 1947.

“Hianareo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamanitrareo” — Jeremia 30:22

📌 Ny Alahady 29 Marsa amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Tsangambaton’ny Mahery fo Sahamazava, no hanatanterahana ny lanonam-pahatsiarovana ny tolom-panafahana sy fanaterana fehezam-bonikazo.

Secteur Tanambao-5 - Fokontany Andapa-SudNasiam-panamboarana vonjy maika ny tetezana izay efa nampihaikaiky ny mponina, ...
26/03/2026

Secteur Tanambao-5 - Fokontany Andapa-Sud

Nasiam-panamboarana vonjy maika ny tetezana izay efa nampihaikaiky ny mponina, mba hiantohana ny fivezivezena.

Napetraka ihany koa ny jiro (lampadaire) manazava ny manodidina, satria isany toerana matetika ahitana tranga tsy fandriampahalemana matetika ity faritra ity.

Asa vonjy maika no natao amin’izao fotoana izao, saingy vinavinaina hatrany ny hanatanterahana fanamboarana maharitra, mba hahazoana foto-drafitrasa matanjaka sy maharitra, ho lovain’ny taranaka.

Mitohy ny ezaka ho fampandrosoana sy fiarovana ny tanàna.

✝️ "Ary hiverina amin'ny tany ny vovoky ny tena, araka izay nisy azy, ary hiverina amin' Andriamanitra izay nanome azy n...
17/03/2026

✝️ "Ary hiverina amin'ny tany ny vovoky ny tena, araka izay nisy azy, ary hiverina amin' Andriamanitra izay nanome azy ny fanahy."— Mpitoriteny 12:7🕊️

🕯️🕯️ Namoy namana mpiara-miasa ny Commune Urbaine Andapa.🕊️

😭😭 Nodimandry ny Talata 17 Marsa 2026, tokony ho tamin'ny 2 ora maraina, i TSARAFETRA Eric Charden, izay Directeur Administratif et Financier (DAF) ato amin'ny Commune Urbaine Andapa.

➡️ Ny razana dia andrasana ao Antangena, amin'ny làlana hoany Sahamazava.

✅ Fanadiovana kanalin-drano izay ataon'ny ekipan'ny Commune Urbaine Andapa.Asa Kamisy teto akaikin'ny Sinoa Gasy Antange...
13/03/2026

✅ Fanadiovana kanalin-drano izay ataon'ny ekipan'ny Commune Urbaine Andapa.

Asa Kamisy teto akaikin'ny Sinoa Gasy Antangena.

🚧 Miasa ho anao hatrany, ny CU Andapa.

🌾 Commune Urbaine Andapa | Fisalorana samboadin’ireo Ben’ny Tanàna Lefitra⚪🔴🟢Notanterahina ny Alahady 08 Marsa 2026 teto...
09/03/2026

🌾 Commune Urbaine Andapa | Fisalorana samboadin’ireo Ben’ny Tanàna Lefitra⚪🔴🟢

Notanterahina ny Alahady 08 Marsa 2026 teto Andapa ny fametrahana sy fisalorana samboadin’ny Ben’ny Tanàna Lefitra eo anivon’ny Commune Urbaine Andapa.

Nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy – 8 Marsa no nanatanterahana ity lanonana ity.

Nanotrona sy nandray anjara tamin’ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teto an-toerana, ary niarahaba sy nirary soa an'ireo Ben’ny Tanàna Lefitra amin’ny andraikitra vaovao izay hotanterahiny ho an’ny fampandrosoana an’i Andapa.

🤝 Mirary fahombiazana sy fahatanterahana amin’ny asa ho fanasoavana ny vahoakan’i Andapa.

⚽💥 FINAL DIRECT - Terrain ANDAPA-SUD📅 Samedi 28 Février 2026🏆 Coupe Vola 400 000Ar - 2 Millions Fmg🥅 COMMUNE URBAINE AND...
27/02/2026

⚽💥 FINAL DIRECT - Terrain ANDAPA-SUD

📅 Samedi 28 Février 2026

🏆 Coupe Vola 400 000Ar - 2 Millions Fmg

🥅 COMMUNE URBAINE ANDAPA 🆚 BOUCHE ANDAPA (Mpanetiky hena)🔥

🔵Tsisy vidim-pidirana👏👏 Tongava maro!!

27/02/2026

🚧 MIASA HO ANAO

🚧 Mitohy hatrany ny asa fanadiovana izay ataon’ny Ekipan’ny Commune Urbaine Andapa.Androany dia nanadio ny kanaly teo an...
26/02/2026

🚧 Mitohy hatrany ny asa fanadiovana izay ataon’ny Ekipan’ny Commune Urbaine Andapa.

Androany dia nanadio ny kanaly teo anoloan’ny Birao Kaominina, izay efa aman-taonany maromaro no tsentsina.

Isaorana manokana ny Commissionnaire AS.CO.VA Andapa izay niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany.

💙 Commune Urbaine Andapa – Miasa ho an’ny vahoaka.

🎉💥 BOOM!!! ⚽🔥🏆👏 Bravo Commune Urbaine Andapa 👏🎉🥅⚽Nandresy tamin'ny isa 1️⃣ - 0️⃣ ny ekipan’ ny Commune Urbaine Andapa an...
21/02/2026

🎉💥 BOOM!!! ⚽🔥
🏆👏 Bravo Commune Urbaine Andapa 👏🎉

🥅⚽Nandresy tamin'ny isa 1️⃣ - 0️⃣ ny ekipan’ ny Commune Urbaine Andapa androany tao amin’ny Kianja ANDAPA-SUD 🏟️ raha nifandona tamin’ny FC ANDAKOROBE Avaratra.

🙌🎊 Mankasitraka antsika rehetra tonga nanohana sy nijery ny lalao!

Address

ANDAPA
Andapa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine d'Andapa - CUA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share