12/10/2025
đ¨ Fâinona ity Ataontsika Fiangonana ity e? đ¨
[Ranty lavalava]
Betsaka ny zava-nitranga nanomboka omaly teo aminâny lafiny politika sy ny toe-draharaham-pirenena ankapobeny. Heveriko fa tsy nisy nanampo ny fiovaovan'ny zava-nitranga, ary maro ny antony tokony hankasitrahantsika ny Tompo aminâizay nihainantsika omaly iny.đđ˝
đđ˝ Saingy ao anatin'izany rehetra izany dia matahotra aho fa very tanteraka ny tokony ho laharam-pahamehana ho an'ny Kristiana sy ny antom-pisianâny fiangonana eto amin'izao tontolo izao. Noho izany dia te hiresaka amintsika Kristiana eto Madagasikara aho, isika mino anâi Kristy, isika izay tena nibebaka taminâny fahotantsika sy nandray anâi Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy. Isika no resahiko eto ka hametrahako ny fanontaniana hoe: Fâinona loatra ity ataontsika ity e? âď¸đ
Na dia mety ho maro aminareo aza no mankalaza ny fisianâny fotoam-bavaka androany teny aminâny Place du 13 Mai, dia malahelo aho milaza fa tsy nanome voninahitra anâAndriamanitra ny zava-nitranga teny.𼺠Mety ho tezitra amiko ny sasany aminareo, tsy maninona, saingy tsy maintsy miteny aho.đđ˝
đđ˝ Tsy marina ilay fanambarana nataonâny antoko-piangonana iray androany hoe ââŚvahoaka Iray ny Malagasy, samy mino Andriamanitra IrayâŚâ TSIA tompoko. Betsaka ireo Malagasy izay tsy mino ny Andriamanitry ny Baiboly fa manaraka fivavahana entim-paharazana ohatra.
đđ˝ Mba henoy tsara anie izay voalaza ato amin'ity rohy ity manomboka @ 3min40s (https://www.facebook.com/share/v/1S1WzXrf1p/). Mangataka fahazoan-dalana ilay olona mba hanao fomban-drazana sy hametraka ody any amin'ny toerana lehibe sasany, aorian'ny fotoam-pivavahana. Samy manana ny andriamaniny tokoa fa tsy hoe manaraka anâIlay Andriamanitra tokana ny Malagasy.
đđ˝ Noho izany, ny zava-nitranga dia izao: ny mpanao politika, ny mpanakanto, ny influencers, ny olona manan-danja avy amin'ny hetsika Gen Z, ary ny mpitarika fiangonana dia nifandimby nikabary, ny sasany tsara, ny sasany ratsy, saingy, raha fintinina, dia nifangaro daholo (https://www.facebook.com/100086219078839/videos/4154433714826744).
đđ˝Mifangaro tanteraka ny fifavahana, ny politika sy ny raharaham-pirenena. Lasa mirona aminâny sinkretisma sy ny oekomenisma isika.
Teo koa ny olona miteni-dratsy, manompo sampy, ateista, sns mody mihirahira hira fiderana fantany satria efa henony tany aminâny fiandrasam-paty angamba. Tsy nisy fitoriana Filazantsara, antso aminâny fibebahana sy finoana anâi Kristy na dia kely aza. đ
Koa inona izany no dikanâiny? âď¸
đĽ Andriamanitra nefa miteny hoe "Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho." Isa 1:13-14
â
Aza Adino izay tokony ho Laharam-pahamehana ho anao: Mat 6:33, 22:37-39, 28:19-20; 1 Cor 10:31-33
Manasa anao aho hamaky anâity ranty nosoratanâi rahalahiko ao aminâny Tompo, Erlando, ity: https://www.facebook.com/share/p/1ENgrCgzYr/ , fa hitako hoe mazava tsara:
Ireto no anto-pisiantsika fiangonana:
- Ny hanome voninahitra anâAndriamanitra
- Ny hitady ny soa ny hafa, indrindra fa ny famonjeny
- Ny hanao mpianatra ny firenena rehetra
- Ny hikatsaka anâAndriamanitra sy ny fahamarinany
đđ˝ Mitandrema mba tsy hanolo ireo amina tanjona ara-politika, ara-tsosialy na ara-toekarena, izay, na dia tsy voatery ho ratsy aza, dia tsy laharam-pahamehana ho antsika Kristiana.
â
Aza Adino ny Maha Fanjakam-pisorona antsika: Heb 10:19-22; 1 Pet 2:9-10
Ny hitory ny hatsaranâIlay niantso antsika sy namonjy antsika no antony namonjenâAndriamanitra antsika, ary ny hivavaka.
Natao hivavaka isika:
- Ka tsy mitsahatra (1 Tes 5:17-18; Rom 12:12)
- Mba hohamasinina ny anaranâny Tompo, mba ho tonga ny fanjakaNy, ary mba hatao ny sitrapoNy etáťł an-tany tahaka ny any an-danitra. (Mat 6 :9-10)
- Ho anâny olona rehetra, anisanâizany ireo eo aminâny fitondrana (1 Tim 2:1-2)
- Mba hanirahanâAndriamanitra mpiasa maro hitory Filazantsara (Mat 9:38)
- Mba tsy ho latsaka anatinâny fankam-panahy sy fahotana isika (Mat 26:41)
đđ˝ Mitandrema sao dia lasa variana aminâny fitakian-jo ety an-tany ka manadino ny fivavahana, fifonana, fisaorana sy ny fangatahana aminâAndriamanitra (Fil 4:6).
â
Aza Adino ny Maha Firenena Masina antsika: Rom 12:1-2; 1 Pet 1:13-16; 2:9
Aminâny maha-Kristiana antsika, dia tafasaraka aminâizao tontolo izao isika na dia eo aminâizao tontolo izao aza; izay ilay hoe âmasinaâ (Jao 17:15-17). Tsy tia izay tiany isika (1 Jao 2:15-17), ary isika no fanasinâny tany. Mila mitandrina isika mba tsy ho tonga matsatso satria raha izany dia tsy misy ilana antsika intsony (Mat 5:13).
Noho izany dia misy fotoana mila misaraka aminâny hafa isika, misitaka. Raha midrikina hanao fitakiana na fihetsika izay tsy araka ny sitraponâAndriamanitra, dia mila miseho miavaka ny Kristiana.
đđ˝ Tena mino sy manaiky aho fa afaka miara-miady (co-belligĂŠrance) aminâny tsy mino ny Kristiana mba hisianâny rariny sy ny fanajana ny zonâny olombelona eo aminâny firenena iray⌠FA raha tsy mitarika azy hanao marimaritra iraisana aminâny soatoaviny sy ny fankatoavany anâAndriamanitra izany.
đđ˝Mitandrema:
- Sao lasa anisanâireo manohana ny fanonganam-panjakana ianao na manohitra ny lalam-panorenana (Fialana â demission â no afaka angatahana fa tsy âcoup dâĂŠtatâ).
- Sao lasa anisanâireo miantso hanaovana herisetra sy hamaliana faty ny zandary ianao
- Sao lasa anisanâireo izay miteny ratsy mandritry ny tolona
- Sao lasa anisanâireo manamarina ny ratsy ataony aminâny fiajaliana nandalovany na ny toe-draharaha
đđ˝đđ˝đđ˝
â
Aza Adino ny Maha Kristiana Anao vao Malagasy: Mat 22:21; Rom 13:1-8 ; Fil 3:20-21; 1 Kor 6:19-20
Eny, olom-pirenenâi Madagasikara isika. Tsy matahotra na miery isika; mandray ny andraikitsika isika. Mandeha mitolona ho anâny firenena rehefa ilaina izany.
Mankatò ny fitondram-panjakana isika, na dia misy fotoana manohitra azy ireo aza rehefa manao zavatra tsy ara-drariny izy.
Mandoa hetra isika, ary mankatò ny lalĂ nâny firenena aminâizay ataontsika.
đđ˝ KANEFA, tsy tokony hohadinointsika mihitsy ny maha-izy antsika voalohany: KRISTIANA ISIKA VAO MALAGASY (Fil 3:20-21; Efe 2:19-22)! Tsy olana amiko mihitsy ny fiantsona aminâny fiombonana aminâny maha Malagasy tsy vaky volo antsika, fa mbola amboninâizany ny fijoroanâny Tena Fiangonana ho Iray.
Eny, novidina lafo isika, taminâny ranâi Jesosy, ka ny eritreritsika, ny tenintsika, ny asantsika, ny vatantsika, ny maha izy azy antsika iray manontolo dia anâAndriamanitra avokoa.
đđ˝ Koa eny, homena anâI Kaisara izay anâI Kaisara, fa aza adino ny manome anâAndriamanitra izay anâAndriamanitra.
đđ˝ Hoy ny Rom 12:1-2 âKoa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovĂ amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.â
đđ˝đđ˝đđ˝ Ny Tompo anie hanome fahazavan-tsaina antsika Kristiana rehetra hamantatra hoe hatrâaiza na hoe aminâny lafiny inona no afahantsika mandray anjara (impact et influence) dia aminâny lafiny inona no tsy maintsy hisitahantsika. NavahanâAndriamanitra ny fiangonana, nantsoiNy ho anâny tenanyâŚmba hiavaka!