26/08/2026
Ny tokony ho fitsinjarana ny karama :
50 / 20 / 20 / 10
Raha efa namaky ilay boky « Volan’ny Taonjato » ianao dia efa maharaka tsara :
50 % → Filàna tsy azo ialana
20 % → Investissement
20 % → Plaisir
10 % → Fonds d’urgence
Io no tokony ho tanjona satria misy ny fandaniana tsy azo ialana, misy ny vola tokony atokanao ho an’ny fivoaranao, misy ny vola ho an’ny plaisir-nao, ary misy koa ny vola ho an’ny zavatra tampoka.
Misy koa ny 50 / 30 / 10 na 75 / 25
Ny zava-dehibe dia ny mahita ny mifanaraka aminao sy mampivoatra anao.
Fa raha mbola tsy tratra io système io ianao dia aza kivy. Miezaha aloha hampitombo ny fidiram-bolanao mandra-pahatratranao azy.
Mamoròna fidiram-bola tsy mila vola be.
Ampiasao izay kely anananao :
finday, ordinateur, na ny fahalalanao.
Aza mitady fiainana mora foana.
Manaova aloha izay sarotra androany : mamorona business, manao vadin’asa, mianatra compétence vaovao, ary mitady fomba hampitomboana ny fidiram-bolanao.
Satria raha mbola tsy manana idée ianao, soraty fotsiny hoe : « VADIN’ASA »