21/05/2026
Fantatrao ve oe Toy IZAO NY FIAINANTSIKA OLOMBELONA ?
👉 Toy ny VITSIKA kely izay itantsika amin'ny sary, kely izy ireo fa rehefa mifanohatanana kosa mba Itondra zavatra iray na kely na lehibe dia miafara amin'ny fahalehibiazan'ny Vokatra vita.
😌Tsindriko kely androany ny ao an-tokatrano : Ray aman-dReny sy zanaka
Satria ao avokoa no miainga ny fiainana rehetra,
😇Marina fa mihamafy ny fiainana, sahirana loatra sy rerakin'ny asa matetika ny Ray aman-dReny
FA☝️
Na kely na lehibe na zaza na tanora na ankizy dia mila Tohana sy FIFANOHANANA ny fiainana mba ho Vokatra tsara amin'ny ho avy ary tsy feno fihatahana sy fahabangàna ny fianakavina iray.
👉Ny dingana rehetra lalovan'ny ankizy sy ny zaza dia zavadehibe ary tena antokin'ny hoaviny rehetra sisa ary hoentiny jusqu'à izy lehibe ihany koa.
🍭 Manomboka amin'ny dingana kely voalohany ka hatramin'ny fidirana an-tsekoly, dia mila antsika ray aman-dreny ho eo foana. Ny fanohanana azy ireo amin'ny activités madinika ataony isan'andro no manome hery azy ho lasa olona mavitrika sy mahomby rahampitso.
🙂Tsy hoe mpijery fotsiny isika ray aman-dreny, fa mpiara-dia aminy amin'ny dingana rehetra (étapes) lalovany.
🏡Ny ao antokatrano no sekoly voalohany: Ao no hianaran'ny zanaka hiteny, handeha, ary hifandray amin'ny olona, sns..
👉 Ny fandraisan'ny ray aman-dreny anjara amin'ny lalao na ny fialambolin'ny ankizy (activités) dia manampy ny sainy hivelatra haingana ary ahatoky kokoa.
🌟 Hery ho an'ny dingana vaovao ny fanohanan'ny ray aman-dReny ny zanaka mandritra ny fiovana lehibe (fidirana sekoly, fahatanorana, fifohazampanahy,sns.. ).
☝️⛔Indrindra ihany koa ny fanohanana azy ireo amin'ny karazana hetsika any ampianarana na anaty fikambanana misy azy ireny.
👉 SATRIA raha tsy eo ianao mba mifanampy aminy, présent ihany koa manatrika ny zavatra ataony dia toy ny tsy misy dikany izy sy izay ataony.
😥Eo no teraka ao antsainy ny oe tsy mba rarahin'ny Dada sy Neny aho dia mamaly isika oe ka isika sahirana sns,.. Nefa ny sainy sy ny hoaviny no manomboka maratra tsikelikely,
ny ankizy mety hontronon'ny Ray amandreniny avy ohatra,...
👉 Fiaraha-miatrika ny tsy fahombiazana dia mampianatra ny zanaka hitsangana foana rehefa sendra filatsahana na oe fianjeràna, fahalavoana.
☝️☑️ Soso-kevitra amin'ny fampiharana concrètes azy isan'andro :
Mba tsy ho very maina fotsiny ny teny, ireto misy fomba azo ampiharina avy hatrany ao an-tokatrano:
👉 Remarqueo Manomboka izao ny Étapes ny fahombiazana kely rehetra (nahay namaky teny, nahavita enti-mody, nahazo namana vaovao, nahavita zavatra tsara, nahomby ny zavatra izay natao, sns... ).
👉Manokàna fotoana iaraha-manao Activités: hiarahana milalao, manao fanatanjahan-tena kely, na mamaky boky miaraka amin'ny zanaka, mandendeha kely, miresadresaka kely, sns..
👉 Manokana fotoana kely ifampihainoana entre famille: ohatra sao misy ahiahy ny ankizy manoloana ny dingana vaovao lalovany, Sao misy ilainy torohevitra na zavatra manitikitika ny sariny tsy mety voavaha.
Izany dia ampy manatsara ny fiainanao sy ny manodidina anao voalohany dia tsy Iza fa ny ao an-tokatrano.
Zarao fa mety ahasoa ny hafa 😊
A.S Partage Abondance