Sahy hijoro ho an'ny Rariny

Sahy hijoro ho an'ny Rariny Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Sahy hijoro ho an'ny Rariny, Antaninarenina, Antananarivo.

12/06/2026

nanahoana izy teo ry zareo🤣🤣 saika ratsy iny aaa

Taorian’ny fahasimbana nateraky ny fandalovan’ny rivodoza Gézani, dia miroso hatrany ny asa fanarenana sy fanamboarana i...
12/06/2026

Taorian’ny fahasimbana nateraky ny fandalovan’ny rivodoza Gézani, dia miroso hatrany ny asa fanarenana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa simba ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina.
Miezaka ny tompon’andraikitra sy ireo mpiara-miombon’antoka mba hamerenana haingana ny tontolo fianarana sy fikarohana amin’ny laoniny, hahafahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra manohy ny asany ao anatin’ny fepetra tsara sy azo antoka.

Randrianirina Michaël
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

FITSENANA NY FILOHAN'NY FANAVAOZANA AO AMIN'NY STADE ANDAMBOLY AMBOVOMBEFeno hafaliana sy hafanam-po ny mponina ao Ambov...
12/06/2026

FITSENANA NY FILOHAN'NY FANAVAOZANA AO AMIN'NY STADE ANDAMBOLY AMBOVOMBE
Feno hafaliana sy hafanam-po ny mponina ao Ambovombe handray ny Filohan'ny fanavaozana. Vahoaka maro no tonga maneho ny fanohanany sy ny fahavononany hiara-dia amin’ny ezaka fampandrosoana ho an’ny firenena.
Hita taratra eny amin’ny endriky ny rehetra ny hafaliana sy ny fanantenana, satria inoan’izy ireo fa ny fampandrosoana dia miainga amin’ny fihainoana ny vahoaka sy ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa ilain’ny faritra.
Ambovombe androany, maneho firaisankina sy fanantenana ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa, miaraka amin’ny finiavana hanorina Madagasikara mandroso sy maharitra.
🇲🇬 Tonga ny fanavaozana, mandroso ny firenena! 🇲🇬

Randrianirina Michaël
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

𝗟𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗩𝗢𝗠𝗕𝗘– 𝗧𝗔𝗢𝗟𝗔𝗚𝗡𝗔𝗥𝗢 𝗥𝗡𝟭𝟯 :𝗙𝗼𝘁𝗼𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝘀𝗮 𝗦𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲𝗷𝗶𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗽𝗮𝗻𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 🇲🇬🛣️ Lal...
11/06/2026

𝗟𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗩𝗢𝗠𝗕𝗘– 𝗧𝗔𝗢𝗟𝗔𝗚𝗡𝗔𝗥𝗢 𝗥𝗡𝟭𝟯 :
𝗙𝗼𝘁𝗼𝗱𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝘀𝗮 𝗦𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲𝗷𝗶𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗽𝗮𝗻𝘆 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 🇲🇬
🛣️ Lalana mirefy 114km
🚧 𝐀𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐢𝐭𝐚
✅ Fanamboarana lalana norakofana tara avokoa;
🌉 Fanarenana tetezana vy sy fotodrafitrasa fitantanana rano maro;
🛤️ Fanoloana sy fanamafisana ireo fotodrafitrasa fiampitana;
🚸 Fametrahana famantarana eny an-dalana sy fitaovana fiarovana;
⚖️ Fananganana tobim-pandanjana hiarovana maharitra ny fotodrafitrasa.
🤝 𝐕𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚
Ity tetikasa lehibe ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’i:
🇲🇬 Madagasikara
🇪🇺 Vondrona Eoropeana (UE)
🏦 Banky Eoropeana misahana ny Fampiasam-bola (BEI)
🌟 𝐅𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚
Efa hita any amin’ireo tanàna lalovan’ny RN13 ampahany AMBOVOMBE - TAOLAGNARO ity ireo tombontsoa azo avy amin’izao fotodrafitrasa izao :
⏱️ Nihena be ny fotoana lany amin’ny dia;
💸 Nihena ny saran’ny fitaterana;
📦 Lasa mora sy milamina kokoa ny fifanakalozana ara-barotra;
🚢 Mora kokoa ny fidiran’ireo mpamokatra amin’ny tsena sy seranan-tsambo;
🌾 Manampy amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny varotra vokatra eo an-toerana;
🏘️ Fanalana ny fitokana-monina any amin’ireo faritra ambanivohitra;
🏥 Fanatsarana ny fahazoana tolotra sosialy fototra;
🛡️ Fanamafisana ny fiarovana eny an-dalana;
👷‍♂️ Famoronana asa sy fahafahana ara-toekarena ho an’ny mponina eo an-toerana.
🇲🇬✨Fotodrafitrasa maharitra, hitondra fandrosoana sy fanantenana ho an’ny mponina ankehitriny sy ny taranaka ho avy.
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Randrianirina Michaël
Ministère des Travaux Publics - Madagascar

Asa fanamboaran-dalana: RN10 - mampitohy  AMBOVOMBE - BELOHA Tamin'ity taona 2026 ity no nanomboka ny fanamboarana ny la...
11/06/2026

Asa fanamboaran-dalana: RN10 - mampitohy AMBOVOMBE - BELOHA
Tamin'ity taona 2026 ity no nanomboka ny fanamboarana ny lalana RN10 izay mampitohy ny faritra AMBOVOMBE - BELOHA, amin'izao dia hita fa mandroso ny asa fanamboarana ary manodidina eo amin'ny 26 Km izao no efa vita pasoka na '' terrassement ''. Anisany tetik'asa ho tsidihan'ny filohan'ny fanavaozana ny Madagasikara mandritra izao dihany aty izao Taolagnaro izao ity lalana RN10 ity.
Ankasitrahana ny filohan'ny fanavaozana ny amin'ny ezaka ataony amin'ny fanarenana ny lalam-pirenena izay hita fa tena mampijaly ny mponina.


Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Randrianirina Michaël
Ministère des Travaux Publics - Madagascar

10/06/2026
10/06/2026

Raha afaka manova zavatra iray eto Madagasikara ianao anio, inona izany ary nahoana?

08/06/2026

Araka ny fanazavan’i Fidel Razara Pierre, mbola tsy tonga eo anivon’ny Birao Maharitra ny fangatahana hanafoanana ny fiarovana ara-pitsarana (immunité parlementaire) an’i Rajerison Antoine.
Nambarany ihany koa fa hita ho manahy sy miezaka miaro tena ity farany, indrindra taorian’ny tsy nahazoany vokatra tsara tamin’ny raharaha natrehiny teo anivon’ny Haute Cour Constitutionnelle (HCC).
Na izany aza, mbola miandry ny fandehan’ny dingana ara-dalàna sy ny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra mahefa ny raharaha.

18/05/2026

⛔⛔7 taona ngarangidina nandeha ihany ny farany ⛔⛔
Faly ireo mponina eny mahazo tamin'ny fiverenan'ny rano efa tsy nandeha ela izay.

Soa fa teo ny fitondrana fanavaozana

Address

Antaninarenina
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sahy hijoro ho an'ny Rariny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share