Gen Z Université de Madagascar

Gen Z Université de Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Gen Z Université de Madagascar, Antananarivo.

Tezitra mafy ny 𝗙𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notanterahina teny  , mano...
21/10/2026

Tezitra mafy ny 𝗙𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notanterahina teny , manoloana ny 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆 sy ny 𝘁𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗹à𝗻𝗮 𝗶𝘀𝗮𝗻-𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝘆.

Anisan’ny lohahevitra nodinihina tamin’izany ny 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝘁𝘀𝗶𝗻𝗱𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗶𝘁𝘀𝗮𝗸𝗶𝘁𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘇𝗼𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗼𝗺𝗽𝗼𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗯𝗼𝗱𝗼 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗶𝗻𝘆, 𝗮𝗿𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗦𝗶𝗻𝗼𝗮 𝟭𝟭. 𝗧𝘀𝘆 𝗱𝗶𝘀𝗼 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗿𝗲𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗹𝗮𝘇𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗳𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝘁𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝘁𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮.

Indro ary ny lalana sy fepetra an’ireo « BUS MAIMAIMPOANA » hoan’ny fanadinana BEP sy BEPC: Miisa 84 « bus Foton » no ha...
05/07/2026

Indro ary ny lalana sy fepetra an’ireo « BUS MAIMAIMPOANA » hoan’ny fanadinana BEP sy BEPC:

Miisa 84 « bus Foton » no hapetraka amin’ny zotra 21 eto an-drenivohitra, mankany amin’ny ivon-toeram-panadinana 20 (BEP 5 sy BEPC 15). Ireo zotra efa mahazatra ihany no ampiasaina, tsy misy fanovana lalana vaovao.

Fepetra:

* Entina ny « convocation »
* Mpianatra + mpanaraka 1
* Maimaim-poana ny tolotra
* Bus misy marika « EXAMENS »

Isika mpianatra ve tsy manana hevitra sa kamo hikaroka🤔? Itsy efa misy vonona ny handray sy hanolo-tanana dia isika indr...
29/06/2026

Isika mpianatra ve tsy manana hevitra sa kamo hikaroka🤔?

Itsy efa misy vonona ny handray sy hanolo-tanana dia isika indray ve no halamina✊.

FANJAKANA MANAKAIKY ONIVERSITE Nandray anjara tamin'ny lalao ara-panatanjahantena nokarakarain'ny Oniversiten'Antananari...
20/06/2026

FANJAKANA MANAKAIKY ONIVERSITE

Nandray anjara tamin'ny lalao ara-panatanjahantena nokarakarain'ny Oniversiten'Antananarivo izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-65 taonany ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny mpikambana ao amin'ny Governemanta androany teny Ankatso.
Tamin'ny taranja baolina kitra sy ny Basikety moa no nandraisan'izy ireo anjara tamin'izany.

Sary PRRM

📌 𝐅𝐚𝐡𝐚-𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 : 𝐌𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐦𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚« 𝐹𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛-𝑘𝑖𝑛...
16/06/2026

📌 𝐅𝐚𝐡𝐚-𝟔𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 : 𝐌𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐦𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚

« 𝐹𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛-𝑘𝑖𝑛𝑎 𝑎𝑜 𝑎𝑛𝑎𝑡𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑠𝑎𝑚𝑖ℎ𝑎𝑓𝑎𝑛𝑎 ».

✅ Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny Grand Amphi EGS, ny 15 jona 2026, ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversite eto Antananarivo.

🫴 Nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin izay nanamafy fa fototry ny fahombiazan’ny politika rehetra ho fampandrosoana an’i Madagasikara ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Notsindriany fa vonona ny hihaino sy hiara-hidinika amin’ny Oniversite ny Fitondram-panjakana mba hamaliana ny filàna fototra eo amin’ity sehatra ity. Nambarany ihany koa fa olomangan’ny Firenena ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpampianatra mpikaroka, ary anisan'ny tetikasa goavana hotanterahina ny fananganana “campus universitaire”.

🫴 Nasongadin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, fa ny Oniversite eto Antananarivo izay Oniversite voalohany teto Madagasikara dia efa namolavola olo-mana-kaja maro nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny Firenena. Tetsy ankilany, nankasitraka ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, indrindra amin’ny lafiny fampandrosoana sy fitsinjovana ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny mpandraharaha.

✅ Hetsika ara-tsiansa, ara-kolontsaina ary ara-panatanjahantena maro no hanamarika ity fankalazana ity mandritra ny herinandro.

www.mesupres.gov.mg

🏠 📢𝗧𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡-𝗞𝗔𝗥𝗔𝗠𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗙𝗢𝗡𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔📌 𝗧𝗮𝗽𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗮 𝗵𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮🏠Nolaniana nandritra ny filank...
10/06/2026

🏠 📢𝗧𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡-𝗞𝗔𝗥𝗔𝗠𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗙𝗢𝗡𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔

📌 𝗧𝗮𝗽𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗮 𝗵𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮

🏠Nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra natao anio 10 Jona 2026, teny amin'ny lapa-panjakana eny Iavoloha, ny fanapahana fanomezana tambin-karama ho an'ny trano fonenana, hositrahin'ireo mpiasam-panjakana eny ifotony, sy ireo miparitaka eny amin'ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ary koa, ireo izay miasa eny amin'ny antokon-draharaham-panjakana.

🏛️ Ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana Asa, sy ny Asam-Panjakana (MTEFoP) no nikarakara ny didim-panjakana, niarahana tamin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF).

📍 𝗣𝗔𝗟𝗔𝗜𝗦 𝗗𝗘𝗦 𝗡𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡𝗦 𝗚𝗘𝗡È𝗩𝗘🗣️ ❝𝗡𝗮𝗺𝗽𝗶𝘀𝗲𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗸𝗮𝗯𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗲𝗹𝗲𝗴𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮❞🇲🇬 Nisongadina ny te...
09/06/2026

📍 𝗣𝗔𝗟𝗔𝗜𝗦 𝗗𝗘𝗦 𝗡𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡𝗦 𝗚𝗘𝗡È𝗩𝗘

🗣️ ❝𝗡𝗮𝗺𝗽𝗶𝘀𝗲𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗸𝗮𝗯𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗲𝗹𝗲𝗴𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮❞

🇲🇬 Nisongadina ny teny Malagasy tao amin’ny Lapan’ny Firenena Mikambana. Vita ny harivan’ny Alatsinainy 08 Jona 2026 ny fandraisam-pitenenan’i Madagasikara manoloana ireo firenena an-jatony mivondrona ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (Organisation Internationale du Travail – OIT).

🔹 𝗙𝗮𝗵𝗮𝘃𝗼𝗻𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮

Niavaka ny fandraisam-pitenenan’ny delegasiona Malagasy tamin’ity Fivoriana Iraisam-pirenena faha-114 momba ny Asa ity, satria nampiseho fahasahiana nanao ny lahateniny tamin’ny teny Malagasy ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, Andriamatoa DENIS Franconio Mac. Efa nomaniny mialoha ny fandikana ny lahateny ho amin’ny tenim-pirenena hafa ampiasaina ao amin’ny Lapan’ny Firenena Mikambana (Palais des Nations Genève Suisse), mba hahafahan’ny rehetra manaraka ny kabary natao.

🔹 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮

🌍 Tanjona ny fanomezana hasina an’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao, amin’ny fampisongadinana ny maha-Malagasy, indrindra amin’izao Volan’ny Tenin-drazana izao. Izany rehetra izany dia mifanindran-dalana amin’ny fanamby apetraky ny Filohan’ny Fanavaoazana ny Repoblikan’i Madagasikara, miompana amin’ny fanandratana ny tenim-pirenentsika.

🔹 𝗘𝘇𝗮𝗸𝗮

👥 Voatsipika nandritra ny lahatenin’ny Minisitra DENIS Franconio Mac ny fametrahana ny olombelona ho ivon’ny fampandrosoana. Antoky ny fanatsarana ny tontolon’ny asa ny fanomezana fampiofanana, ny fampananana asa ho an’ny tanora, ary koa ny fanohizana hatrany ny ezaka fampidirana ireo mpisehatra ao amin’ny manara-drafitra.

🔴🔥📌Nahazo fitaovana vaovao maro ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Ankoranafo.  📌Nanatrika ny lanonana sy nanolotra ireo fit...
04/06/2026

🔴🔥📌Nahazo fitaovana vaovao maro ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Ankoranafo.

📌Nanatrika ny lanonana sy nanolotra ireo fitaovana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina teny Ampandrianomby ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Michaël Randrianirina, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avo.

-Fiara : 38
-Moto : 55
-Laptop :74
-Solosaina birao : 10
-Imprimante : 38
-Vidéoprojecteur : 03
-Photocopieuse : 03

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)🌍 “FIKAROHANA MANAKAIKY VAHOAKA”Ao anatin’ny fankalazana ny Andro Manerantany...
03/06/2026

🏛️ KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA (CUA)
🌍 “FIKAROHANA MANAKAIKY VAHOAKA”

Ao anatin’ny fankalazana ny Andro Manerantany ho an’ny Tontolo Iainana, dia hotanterahina etsy amin’ny Parvis Analakely ny hetsika “Fikarohana Manakaiky Vahoaka” ny Zoma 05 Jona 2026, ary haharitra roa (2) andro 🌱.

Hetsika eo ambany fiahian’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, tarihin’ny Minisitera ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, miaraka amin’ny Federasiona Malagasy Basketball 3x3, ary tohanan’ny IRD (France) 🤝.

Fiaraha-miasa eo amin’ny CUA, ny Minisitera ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisitera ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary ireo mpiara-miombon’antoka maro.
🎯 Hetsika hampivondronana tanora avy amin’ny oniversite ao amin’ny faritra Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra.
🏀 Fifaninanana Basketball 3x3
🏫 Trano eva mihoatra ny 60
👥 Mpitsidika manodidina ny 2 000 no andrasana

📌 Ao anatin’ny fandaharana: kaonferansa siantifika 🧪, hetsika ara-kolontsaina 🎭 ary hira gasy 🎶.

©CUA

14/04/2026

Fampitam-baovao avy amin’ ireo solotenan'ny filohan'ny Mpianatra Université d'Antananarivo tamin'ny fijerena akaiky ireo Université rehetra Manerana an'i Madagascar nandritra ny nitondran’ny Filohan’ny FanavaozanaMichaëlRandrianirina, ary ihany koa Maniry sy mirary soa ny hitohizan'izany fanatsarana izany eny anivon'ny Anjerimanontolo

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gen Z Université de Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share