N'TIA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from N'TIA, Business Center, Lot Fa II 116 B isaingy, Antananarivo.

TSIAROMalalako taloha a! tadidinao ve nodiavintsika?Nandalo tsy fisiana, dia nandalo disadisaIanao moa tsy nahazaka ka n...
30/03/2026

TSIARO
Malalako taloha a! tadidinao ve nodiavintsika?
Nandalo tsy fisiana, dia nandalo disadisa
Ianao moa tsy nahazaka ka nifindra teny am-pita!
Teny mantsy hono, nisy ny tantely dia nusy ronono!
Fa teto!! tsy fisiana foana, fijaliana foana
Dia naleonao nandao, satria olona mahantra hoe izaho?
Eny e! tsy laviko iny akia a! fa eto koa hiezaka hatrany,
Tsy hiondrika hitomany, fa hitraka hijery lanitra.
Fa raha mbola misy izao hoe "Andriamanitra"
Dia mino aho, fa ho mpandresy, haharesy ny fiainana lay mahatra anao.
Hiezaka ny hiarina, dia miezaka ho tafarina
Na efa reraka aza aho.
Dia mitsondrano anao, hahomby lalandava
Dia hahazo zay sahaza
Lay tena hiarianao!
Aza adino fotsiny hoe, efa teto ianao no niala
Ka raha any aoriana any a!
Raha tonga sendra lavo...
Eny e! aza misy anie izany.
Fa hiriko mba ho lafatra sy feno mamy hatrany.
Ny ho avy nareo rehetra
29.03.26 22.22

Efa NivoadyEfa nivoady aho ny tsy hitomany intsonyEfa nivoady aho ny tsy harary intsonyRehefa mahatsiaro anaoNefa, nirot...
21/03/2026

Efa Nivoady
Efa nivoady aho ny tsy hitomany intsony
Efa nivoady aho ny tsy harary intsony
Rehefa mahatsiaro anao
Nefa, nirotsaka izy androany...
Eny e! olombelona ihany aho ka latsaka tomany.
Nitamberina tan-tsaiko ny eritaona lasa
Tamin'zao isika, mbola niresaka nitafa
Niloka ny ho doria, nikalo ilay fitia
Tsy nahatsiaro intsony ny andro ho maraina
Fa variana sy sondriana niresaka sy nitafa
Any ka malaina, malaina ny hifandao
Erintaona lasa izay, nivoady isika roa fa ho mandrakizay.
Anefa, nisompatra loatra ny lahatra sy anjara.
Izao ianao any, mody tsy mahalala, hoe nisy nitia anao taty.
Dia nisy nahatoky loatra satria hoe izaho no tena tianao.
Izaho ilay tena notiavinao.
Kinanjo, hay tsy izaho lay tena izy, hay tsy izaho lay nofinidy...
Fa lay manana ny ampy sy ampy nampifidy anao ny tsara rehetra.
Hay tohatra nampitohy ny zotran-dalanao taminy aho.
Hay ka tohatra natao hiakaranao.
Fa eny e! tsy mampaninona ahy izany
Tsy maninona fa hitomany fotsiny aho androany.
Tsy malahelo sanatria, fa ny eto anie akia ka miezaka miarina, miezaka ho tafarina fa mbola tsy mety foana e!
Dia io tsy hoe mandrakizay fa lalina loatra lay fery navelanao!
Fa eny e! hitsiky ihany aho satria nanao zay rehetra mety.
Nanao sorona zavatra maro mba hampametimety ny fiainanao any.
Hitsiky ihany aho fa tsy nanao ratsy anao.
Mino aho fa rehefa hiaona isika dia efa sitrana aho.
Dia mitsondrano anao, hahazo izay hiriana
Higoka fifaliana eo anilany.
Dia hiadana finaritra tsy hisy Fahoriana
Tsy hilavo lefona aho, fa hiezaka ny hiarina
Dia hanarina, hanototra lay banga navelanao
Dia hitraka indray na dia reraka ary aho
Nyaina Fitia Razafiarisoa 05/03/2026

Address

Lot Fa II 116 B Isaingy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when N'TIA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share