18/08/2026
Ireto avy ny toetra afantarana fa pervers narcissique (na "mpanao jadona miafina amin'ny maha-izy azy") ny olona iray :
1. Fomba fifandraisana manimba
Manipulatera izy : mahay mampiasa teny sy toe-javatra hanodinkodinana anao.
Mpanambany : ambaniny amin'ny teny na fihetsika ianao (mihomehezany, ataony tsy manan-kery).
Manambany amin'ny fomba tsy mivantana : manao vazivazy manimba, fanehoan-kevitra manambany amin’ny endrika “sady tsy te hanao ratsy”.
2. Tsy manaiky hadisoana
Tsy mety manaiky hoe diso : na dia mazava aza fa nanao hadisoana, dia ataony fa ianao no diso.
Mampiakatra ny hadisoanao taloha ho anisan’ny fitaovana hiarovany tena.
3. Miaina amin’ny sary ivelany
Te ho jerena sy hoderaina amin’ny hafa ho tonga lafatra izy, kanefa mifanohitra amin’izany ny ataony amin’ny olon-tiany akaiky.
Miavona, mihevi-tena ho ambony : mihevitra fa izy irery no marina sy manan-tsaina.
4. Mampihorohoro amin’ny fomba mangina
Gaslighting : ataony tsy matoky tena intsony ianao,
mpanery ankolaka : entiny amin’ny fomba mody tsara ianao, saingy am-pelatanany tanteraka ny safidinao.
5. Fahaverezan’ny fahalalahana sy fahasambarana
Tsy afaka maneho hevitra malalaka intsony ianao, miaina anaty tahotra sy fahakiviana.
Manenjika anao sy manara-maso : tadiaviny ho eo ambany fifehezany tanteraka ianao.
6. Fomba fitondrana manakorontana saina
Manao toetra roa endrika : mody milamina sy tsara fanahy amin’ny olona ivelany, fa manimba sy mitondra tsy rariny ao an-trano.
Mety mampiseho fitiavana tafahoatra amin’ny voalohany (love bombing), avy eo manomboka manimba tsikelikely.
Raha mahatsikaritra an’ireo toetra ireo ianao amin’olona iray, dia mety pervers narcissique izy. Mampidi-doza amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ny miaina amin’izy ireny.
A/c: Anissa Mihary