18/08/2026
🤔 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐀 𝐍𝐘 𝐂𝐎𝐍𝐕𝐄𝐑𝐓𝐈𝐒𝐒𝐄𝐔𝐑 𝐀̀ 𝐎𝐍𝐃𝐄 𝐂𝐀𝐑𝐑𝐄́𝐄, 𝐎𝐍𝐃𝐄 𝐌𝐎𝐃𝐈𝐅𝐈𝐄́𝐄 𝐀𝐑𝐘 𝐏𝐔𝐑 𝐒𝐈𝐍𝐔𝐒? ⚡☀️
Samy manana ny asany izy ireo: manova ny courant DC avy amin'ny batterie ho courant AC ampiasain'ny appareils.
Fa ny tena maha samy hafa azy dia ny FORME sy ny QUALITÉ-n'ny courant AC avoakany.
1️⃣ 𝑪𝑶𝑵𝑽𝑬𝑹𝑻𝑰𝑺𝑺𝑬𝑼𝑹 𝑨̀ 𝑶𝑵𝑫𝑬 𝑪𝑨𝑹𝑹𝑬́𝑬 (𝑺𝑸𝑼𝑨𝑹𝑬 𝑾𝑨𝑽𝑬)
➡️ Izy no karazana tsotra indrindra, ary ny courant AC avoakany dia manana forme carrée.
✅ Mety amin'ny fitaovana tsotra ihany, toy ny jiro na fitaovana résistif sasany.
❌ Fa maro ny appareils tsy mety aminy, indrindra ireo misy moteur, transformateur na électronique.
❌ Mety hiteraka bruit, hafanana na fonctionnement tsy milamina amin'ny appareil sasany.
2️⃣ 𝑪𝑶𝑵𝑽𝑬𝑹𝑻𝑰𝑺𝑺𝑬𝑼𝑹 𝑨̀ 𝑶𝑵𝑫𝑬 𝑴𝑶𝑫𝑰𝑭𝑰𝑬́𝑬 (𝑴𝑶𝑫𝑰𝑭𝑰𝑬𝑫 𝑺𝑰𝑵𝑬 𝑾𝑨𝑽𝑬)
➡️ Ny courant avoakany dia efa manakaiky kokoa ny forme sinusoïdale, saingy mbola tsy tena mitovy amin'ny courant secteur.
Midika izany fa:
✅ Mety amin'ny appareils tsotra maro kokoa noho ny onde carrée.
✅ Jiro, chargeurs ary appareils tsotra sasany dia mety hiasa tsara aminy.
❌ Saingy mbola misy appareils sasany, indrindra ireo manana moteur na électronique sensible, izay mety tsy hiasa tsara aminy.
❌ Amin'ny appareil sasany dia mety hisy bruit, vibration na hafanana bebe kokoa.
3️⃣ 𝑪𝑶𝑵𝑽𝑬𝑹𝑻𝑰𝑺𝑺𝑬𝑼𝑹 𝑷𝑼𝑹 𝑺𝑰𝑵𝑼𝑺 (𝑷𝑼𝑹𝑬 𝑺𝑰𝑵𝑬 𝑾𝑨𝑽𝑬)
➡️ Izy no mamoaka courant AC amin'ny forme sinusoïdale madio, mitovitovy amin'ny courant secteur.
✅ Mety amin'ny appareils maro kokoa.
✅ Mety amin'ny TV, ordinateur, chargeur ary appareils misy moteur.
✅ Manome courant AC madio sy milamina kokoa.
✅ Safidy tsara rehefa misy appareils maro samihafa ampiasaina.
🎯 RAHA FINTININA:
👉 𝗖𝗢𝗡𝗩𝗘𝗥𝗧𝗜𝗦𝗦𝗘𝗨𝗥 𝗢𝗡𝗗𝗘 𝗖𝗔𝗥𝗥𝗘́𝗘
➡️ Mety amin'ny fitaovana tsotra ihany, fa maro ny appareils tsy mety aminy.
👉 𝗖𝗢𝗡𝗩𝗘𝗥𝗧𝗜𝗦𝗦𝗘𝗨𝗥 𝗢𝗡𝗗𝗘 𝗠𝗢𝗗𝗜𝗙𝗜𝗘́𝗘
➡️ Mety amin'ny appareils tsotra maro kokoa, saingy mbola misy appareils sasany tsy mandeha tsara aminy.
👉 𝗖𝗢𝗡𝗩𝗘𝗥𝗧𝗜𝗦𝗦𝗘𝗨𝗥 𝗣𝗨𝗥 𝗦𝗜𝗡𝗨𝗦
➡️ Mety amin'ny appareils maro kokoa ary manome courant madio sy milamina.
⚠️ Noho izany, rehefa mifidy convertisseur dia tsy tokony hijery ny puissance W na VA fotsiny.
Tokony hojerena koa:
✅ Ny karazana appareil hampiasaina
✅ Ny puissance ilain'ireo appareils
✅ Ny tension an'ny batterie: 12V, 24V na 48V
✅ Ny puissance sy ny type-n'ny système solaire
📚 𝐀M𝐈N'N𝐘 𝐏U𝐁L𝐈C𝐀T𝐈O𝐍 𝐌A𝐍A𝐑A𝐊A:
🤔 Ahoana no hisafidianana Convertisseur (Onduleur) tsara ho an'ny solaire ? ⚡☀️
Ho hitantsika amin'izany ny zavatra tokony hojerena alohan'ny hividianana convertisseur, mba hifanaraka tsara amin'ny batterie, panneau solaire ary ireo appareils hampiasaina.
📞 Contact :
034 22 040 65 (WhatsApp)
032 95 261 16
📍 Behoririka Ambatomitsangana
☝️ Araho ny page fa mbola maro ny conseils sy fampianarana momba ny énergie solaire.
🔥 Ny fahalalana tsara dia mampihena ny fandaniana diso.
:::