Mazavaloha

Mazavaloha Des phases d'essais sont en cours.

Pour la Souveraineté Alimentaire Malgache et Le Partage des Connaissances Scientifiques aux Zones Rurales, initié par des Jeunes Intellectes et Talentueux issus du Région Bongolava.

14/05/2025

Stay tuned y'all 👊🏾

Miarahahaba antsika rehetra. Androany dia hilazalaza kely ny tantara nitsirian'ny hevitr'i , Mpitantana ny Orin'asa "MAZ...
14/05/2025

Miarahahaba antsika rehetra. Androany dia hilazalaza kely ny tantara nitsirian'ny hevitr'i , Mpitantana ny Orin'asa "MAZAVALOHA", isany nahatontonsana ny "BIRIKY-I na BIRIKY Voalohany, Biriky One":

Misy zava-nitranga sy hetsika an-tsitrapo izay mety ho toy ny fanombohan'ny dia anatiny — fiovana mangina nefa manan-danja amin’ny tantarantsika manokana. Ho ahy manokana, dia ilay fotoana nanohana'ireo Mampianatra ahy ety amin'ny "Ecole Supérieure Polytechnique d'Antananarivo" (ESPA). Tamin’izany fotoana izany, mpianatra 21 taona aho, tao amin’ny L3, Filière ''Genie des Procédés Chimiques et Industriels'', no sujet de mémoire ahazoana ny "Diplome de Licence" tamin'izany - izay novelabelarina tao amin'ny "Centre National des Recherches sur l'Environnement, Tsimbazaza Antananarivo (CNRE)" ny Alatsinainy 08 Naovambra 2021.

I "Professeur ROBIJAONA RAHERIVOLOLONANIAINA (Madame Baholy)" no nikiry tsy Andry Andro tsy Andry Alina niantso, nanintsy ny Boky, nanoro ireo Laboratoire Avo-Lenta indrindra eto Madagasikara, ireo Olona tsara sitrapo misehatra amin'ny Fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara (Toy ny Reniko Faharoa mihintsy no fandamraisako azy manomboka Teo). Teo ihany koa i Professeur RANDRIANA Richard Nambinina Fortuné, Président de Jury no Sady "Chef de la Mention Génie des Procedes Chimiques et Industriels", tamin'izany fotoana, izay naneho ny maha-olon'ny Siansa, mikaroka n'y hanasoavana ny Zana-bahoaka. Ireo "Examinateurs" dia i Professeur RAVELOMANANTSOA RAMANAMBE Nicole sy i Docteur LETSARA Rokiman. Ary ny tsy adino fa isany mafonja indrindra nahafahana nanatanteraka izany dia i Professeur RAKOTOSAONA Rijalalaina, . Ireo Olona 4 ireo dia samy efa nahavita be nanasoa ny Mpianatra Malagasy na Vahiny, sy efa Samy manan'ny lazany maneran-tany, ary nitondra anjara biriky lehibe ho Fampivoarana ny Siansa sy ny Fianarana izany HANASOA ny maha-olona sy ny Fampivoarana ny andavan'andron'ny Malagasy.

Ny avy aty amiko dia faniriana tsotra: hanampy ny fianakaviako amin'ny famelomana n'y Ankohonana nivoahako sy mba ho reharehan'izy ireo amin'ny fahazoako ny "Diplome de Licence", nohon'ny Fanohanana nataon'izy ireo ahy hatramin'ny VAO teraka. Tsy fantatro akory hoe io traikefa io no hisokatra ho varavarana mankany amin’ny lalana feno harena ara-tsiansa sy tsy ampoizina, lalana iray itondrana fanoloran-tena, faharetana, fanompoana, ary indrindra — soatoavina mahaolona. Ary indrindra hanasoavako ny Tanin-janaka Malagasy.

Mino aho fa misy an’ilay hoe “Mektoub”, fa efa voasoratra mialoha ny anjara. Saingy mino aho fa manana fahefana hanatsara sy hanome loko an’izay lalana voasoratra isika amin’ny safidintsika, ny hetsika ataontsika, ny fiezahana ataontsika. Tao amin’io finoana io no nahitako hery: mikatsaka ho izaho tsara indrindra isan’andro, tsy amin’ny fifaninanana, tsy amin’ny fialonana, fa amin’ny fitiavana sy fanajana. Soatoavina tahaka ny fanajana, fiantrana ary firaisankina no fototry ny dian’ny fiainako.

Ny làlako dia porofo mivaingana ny amin'izany. Mpianatra ho Injeniera ara-simika, liana amin’ny teknolojia, milina vaventy...ary asa lasa nisehatra tamin'ny Tontolo Ambanivohitra rehefa vita ny ''Master 1na Bachelor", nahafantarako fa raha voahevitra tsara ny hevitra sy tetikasa, dia afaka manova tontolo izy ireny — raha mifanaraka amin’ny tena filàna iombonana ao amin’ny fiaraha-monina.

Nandritra ny 4 taona niasako sy nanompoako, dia nitombo be ireto fahaiza-manao ireto:
- Fampifanarahana ny fahalalana siantifika amin’ny zava-misy eny ifotony,
- Fitantanana tetikasa mampiakatra ny fidiram-bolan’ny tokantrano,
- Fanabeazana ara-teknolojia any amin’ny faritra ambanivohitra,
- Fampidirana miandalana ireo fitaovana hiarovana ny tontolo iainana,
- Fanandratana ny fitiavana madio sy fanoloran-tena amin’ny alalan’ny asa an-tsitrapo,
- Fanokafana amin’ny kolontsaina hafa amin’ny alalan’ny fanetren-tena sy fanajana.

Ao afovoan’izany rehetra izany dia nisy zavatra lehibe hitako: ny ''IRAKA'' ataoko amin’ny fandalovako eto amin'izao Fiainana izao. Toy ilay “hevi-dalana” ampidirina anaty saina ao amin’ilay sarimihetsika "Inception", saingy tsy novolavolaina ho azy ilay ahy. Fa avy tamin’ny fifandraisana, fianarana, foto-pisainana avy amin’ny fianakaviana, sy ireo fanamby rehetra. Izany rehetra izany no nampahatsiry ahy fa te ho olona manome aingam-panahy aho, sy mandray anjara amin’ny fananganana tontolo mandala ny rariny sy maharitra.

Nahay koa aho fa raha mitady fahombiazana manokana fotsiny isika, dia tsy hahita fiadanana ao anaty. Fa rehefa manampy hafa, manolotra fanampiana amin’ny tena fo, sy mampiasa ny talenta hanompoana ny mpiara-belona, dia hahita tena fahasambarana isika.

Io fahatsiarovan-tena io no niteraka stabilité émotionnelle ho ahy. Toy ny mpanjaka Solomona izay nangataka fahendrena tamin’Andriamanitra mba hahavita hitantana sy hanampy ny vahoaka, mino aho fa manana tanjaka mitovy aminy isika rehetra, sady ara-tsaina no ara-panahy — tsy maintsy ampiasaina hanampiana hafa izany.

Ny kaonferansa ho an’ny tanora, toy ny Youth Leadership Conference Africa, One Young World sy Forum des Jeunes Africains, dia nanampy ahy hahatakatra fa mitambatra amin’ny fivoaran’ny hafa ny fivoarantsika.

Nampian’ny boky toy ny “L’économie bleue” sy “Factfulness” aho, tsy niteraka fireharehana, fa kosa nanamafy ny faniriana hanompo.

Ny aingam-panahiko lehibe dia avy amin’ireo olona nanam-paharetana sy fanetren-tena: Nelson Mandela, Wangari Maathai, Elon Musk… Ary koa ireo sarimihetsika tahaka ny The Pursuit of Happyness, Invictus sy Slumdog Millionaire.

Ankehitriny, miezaka aho hanome aingam-panahy amin’ny fomba marina. Raha manokatra varavarana amiko ny asa maha-mpiasa, dia vonona hifanaraka sy hifandray amin’ny hafa aho. Tsy mitady hibaboka na hisongadina fotsiny aho, fa te hizara fahamarinana: Samy afaka manoratra ny “Mektoub”-ny isika, raha miezaka sy tsy mivadika amin’ny tenany.

Misaotra betsaka ho anareo rehetra izay nifanena tamiko sy nanampy. Ny fitahian’ny Andriamanitra dia mitaratra amin’ny fahaizantsika manompo sy mankasitraka.

Farany, aminareo tanora mbola mitady lalana sy maha-izy azy: aza matahotra. Ny lalana tsy mivantana. Fa miady isika, mianatra, miarina, ary mahita. Ny Mektoub-nao dia tokana, ary miandry anao hane
Tsy hoe tonga dia mahavita, fa izay mitraka amin'ny ady atrehiny arahina ezaka no afaka ny HANDRESY.

́alimentaire_et_partage_des_connaissances_scientifiques_de_madagascar

Address

Antananarivo

Telephone

+261385113794

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mazavaloha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mazavaloha:

Share