14/10/2025
🇲🇬Ary satria azo atao ny mitaky ankehitriny dia Ireto misy FITAKIANA, raha mba azo atao tompoko🇲🇬.
-Atsaharo tompoko ny famoronana dossier tsy marina ho an'ny olona tsy tiana.
-Faizo araka ny rariny ny nanao ratsy voaporofo.
-Avereno amin'ny tompony ny tany nalaina an-keriny rehetra.
-Avelao hanototra ny taniny ny tompo-tany // apetraho kosa ny fepetra tokony raisina amin'ny fanontorana tany. (Izany hoe avoahy ny taratasy fahafahana manototra tany araka rariny.
-Omeo faveur ny mpandraharaha Malagasy. Ahenao ny hetra alohany mihoatra ny mpandraharaha vahiny.
-Amoray ny fahafahana manangana orin' asa ho an'ny Malagasy, satria betsaka ny manan-javatra fa tsy manana fahafahana.
-Jereo ankaiky ny hanomeza-tanana ny mpandraharaha voaroba 🥹 nandritra iny tolona iny.
- Avelao mba handeha ny fandoavana ny volan'ireo entrepreneurs marobe izay hita fa niasa marina, satria maro an'izy ireo no mibaby trosa, kanefa tsy mbola nandray payement hatramin'izao.
-Apetraho eny amin'ny sehatry ny fampianarana rehetra ny foto-kevitra MANDALA-FIHAVANANA.
-Ampianaro ny Zony Eny amin'ny fitsarana ny Malagasy, mba tsy hatahorany ny fitsarana .
-Hafaingano ny fitsarana ireo olona marobe voarohirohy na koa mety nanao ratsy kanefa tsy misy fitsarana mandeha akory. (Ho fampanjakana ny rariny).
-Asio rafitra mazava ny fomba famoahana Entana eny douane. (Indrindra ho an'ny Malagasy mpandraharaha).
-Ampiaro amin'ireo rehetra nihoa-pefy ny lalàna mba hitombenan'ny fahatokisan'ny Malagasy ny fitondrana.
-Avereno amin'ny Malagasy ny fananany amin' izay tokony hangalana izany.
Miantefa amin'ny tompon' andraikitra MAHEFA rehetra izany fangatahana izany, amin'ny maha olom-pirenena Malagasy mitaky fihovana ahy no anaovako azy.
Am-panajana tanteraka tompoko! 🙏🏽🇲🇬