14/06/2026
📋 Indro tetibola isam-bolana — ✨maimaimpoana ho anao!
Maro ny olona no tsy mahalala hoe lasa aiza ny volany... 😅
Izany no namoronanay io fandaharana io.
Fomba fampiasana azy 👇
1️⃣ Soraty MIALOHA ny fandaniana rehetra ho an'ny volana — karama, trano, sakafo, jiro, sns.
2️⃣ Rehefa vita ny fandoavana dia ataovy ☑️ ilay boaty kely! Soraty miandalana avy eo izay ambiny nandehanan'ny volanao
3️⃣ Amin'ny faran'ny volana, hitanao mazava tsara izay natao sy izay mbola miandry.
Tsy mila application. Tsy mila ordinateur.
Taratasy sy penina dia vita! ✏️
Izany hoe :
❌ Tsy misy fandaniana mahazatra adino intsony
❌ Tsy misy intsony ny hoe "ary lasa aiza ny volako teo?"
✅ Ianao ihany no tompon'ny volanao! Hianaro aza ny mandamina azy💪
📌Tsiahy kely : nampiharinao ilay fitsinjarana ? Jereo ato am pejy ny andinindininy 😉