10/07/2026
🇲🇬🇲🇬VAHAOLANA HO ANAO 🔑
Efa nisy fotoana ve ianao nitaintaina nanontany tena hoe:
❓ "Aiza izao ny fiarako?" ❓ "Fa maninona no mbola tsy tonga ilay mpamily?" ❓ Ary toa lany sahady ny lasantsy ? "Sao dia misy maka na mampiasa ny fiarako nefa tsy fantatro?", tsy hita tampoka ny moto nisy nangalatra dia tsy fantatra hoe aiza sns ..
Izay indrindra no olana vahan'i SECUTRACK✅
SECUTRACK dia fitaovana kely apetraka miafina ao anaty fiara. Rehefa tafapetraka izy io dia afaka mampahafantatra anao amin'ny findainao hoe aiza marina no misy ny fiaranao, na aiza na aiza misy azy.
Toy ny hoe manana mpiambina miasa 24 ora isan'andro ianao, nefa tsy reraka, tsy matory, ary manara-maso ny fiaranao foana.❤️
👉Raha misy maka ny fiara nefa tsy fantatrao, dia hitanao avy hatrany ny toerana alehany.
👉Raha manana fiara maro ny orinasanao, dia tsy voatery hiantso mpamily tsirairay intsony ianao, satria hita ao amin'ny finday na ordinatera daholo ny toerana misy ny fiara rehetra.
Ary tsy mijanona eo izany.
Afaka mahita ihany koa ianao hoe:
👉- Aiza no misy ny fiara amin'izao fotoana izao.
👉- Taiza izy no nandalo nandritra ny andro.
👉- Hafiriana no nijanonany tamin'ny toerana iray.
👉- Mandeha haingana loatra ve izy.
👉- raha misy zavatra mampiahiahy dia afaka mandefa fampandrenesana avy hatrany aminao ny rafitra.
👉-Raha sanatria misy olona mangalatra ny fiaranao, na mitondra azy tsy nahazoana alalana, dia afaka mahita avy hatrany ny toerana misy azy
Tsotra ny tanjonay: hanome anao fiadanan-tsaina.✅
Satria rehefa fantatrao ny toerana misy ny fiaranao, dia mihena ny tahotra, mihena ny mety ho halatra, ary mora kokoa ny mitantana ny asanao.
Na olon-tsotra manana fiara iray ianao, na mpitatitra, na taxi, na manana fiara fitaterana entana, na orinasa manana fiara maro, dia natao hanampy anao i SECUTRACK.
Misy offre karazany 3 ao aminy (lite , premium , exclusive) Ary mety hoan'ny rehetra fa anjaranao ny misafidy izay mety aminao
NB : Tsy voatery ho mahay informatika na mahay teknolojia ianao vao mampiasa azy. Sokafanao fotsiny ny fampiharana (application ) amin'ny finday (smartphone) , Tonga ny ekipa manao installation avy eo , dia hitanao avy hatrany ny fiaranao n'aiza n'aiza misy azy n'aiza n'aiza misy anao
teknolojia tsotra ampiasaina, nefa mahomby amin'ny fiarovana sy fitantanana ny fiaranao.
Secutrack by Armada Secu/Net
🔑 Ny lakilen'ny fiarovana sy fitantanana ny fiaranao. Araho. Arovy. Fehezo. 🚗🛡️
Dieny izao Ary dia mandefasa hafatra miafina na miantsoa avy hatrany 🔥📞☎️📱