02/06/2023
đČđŹđFantatrao ve : Ahoana ny fikajiana ny IRSA, hetra alaina amin'ny karaman'ny mpiasa
(Somary lavalava sy teknika fa vakiana miadana, ary misy ohatra maromaro)
Ny mpiasa rehetra na Malagasy na vahiny, na mpiasam-panjakana na mpiasa tsy miankina dia mandoa hetra amin'ny fanjakana avokoa, izay alĂ na any am-potony amin'ny karama. Ka ny mpampiasa no manefa izany any amin'ny sampan-draharahan'ny hetra.
Io no antsoina hoe HETRA AMINâNY KARAMA SY NY TOA AZY na
impÎt sur les revenus salariaux et assimilés na IRSA.
Tsara ho fantatra :
Ny karama faran'ny ambany dia efa feran'ny fanjakana SME, salaire minimum d'embauche.
Raha ny SME farany dia 200 000ar, izay vao nampiakarina 250 000ar, izay mbola tsy mihatra.
Ny fikajiana ny IRSA, dia alaina ny karama fototra, salaire de base, ampiana ireo vola rehetra nomena sandan'ny asa, ny avantage rehetra na vola na zavatra nomena, carburant, crédit, logement, indemnité, 13Úme mois, préavis, compensations de congés, avantage en nature, heure supplémentaires, primes.
Tsy miditra anaty kajy kosa :
20 premiÚres heures supplémentaires
indemnités de préavis de licenciement
indemnités de licenciement
dommages et intĂ©rĂȘts pour licenciement abusif
salaires des associĂ©s gĂ©rants majoritaires soumis Ă lâIR
avantages en nature (cantine, frais mĂ©dicaux, indemnitĂ©s de transport, âŠ)
surplus de salaire reçu à titre honorifique
Ho jerentsika aloha ary ny Lalà na mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2021, loi de finance N°2020-013 ao amin'ny andininy 01.03.16
Tsinjaraina amin'ny ampahany (tranche) ny vata-karama na ny Salaire brut :
a- Ny ampahan-karama latsaky ny 350 000ar = Tsy hakana hetra = 0%
b- Ny ampahan-karama Ar 350 001 hatramin'ny Ar 400 000 = Hakana 5%
d- Ny ampahan-karama Ar 400 001 hatramin'ny Ar 500 000 = Hakana 10%
e- Ny ampahan-karama Ar 500 001 hatramin'ny Ar 600 000 = Hakana 15%
f- Ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%
Raha ny lalà na mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2022, loi de finance N°2021-027 ao amin'ny andininy 01.03.16, dia nakarina Ar3000 ny hetra farany ambany tsy maintsy alaina, raha Ar2000 ny taona 2021.
Ohatra :
1- Albertine - Mpiasa an-trano:
Karama farany ambany Ar 200 000 isam-bolana
- Vata-karama : Ar 200 000
- Mandoa Ostie, anjaran'ny mpiasa 1% = Ar 2 000
Avy dia tazonin'ny mpampiasa io, izy no mandoa azy any amin'ny OSTIE, miaraka amin'ny anjarany mpampiasa 5% = Ar 10 000
- Mandoa Cnaps anjaran'ny mpiasa 1% = Ar 2 000
Avy dia tazonin'ny mpampiasa io, izy no mandoa azy any amin'ny Cnaps, miaraka amin'ny anjarany mpampiasa 13% = Ar 26 000
- Karama tataovan-ketra, salaire imposable :
Esorina ny vola anjaran'ny mpiasa omena ny OSTIE, na izay mitovy lenta amin'izay, sy ny anjaran'ny Cnaps
200 000ar - 2 000ar Ostie 1% - 2 000ar Cnaps 1% = 196 000ar.
Io karama taotaovan-ketra na Salaire imposable io izany no hitondrana ny kajy rehetra amin'ny IRSA.
Raha jerena izany ny Karama tataovan-ketran'i Albertine dia tafiditra ao amin'ny ampahan-karama (a) latsaky ny 350 000ar = 196 000ar x 0% = 0 ny hetra aloany.
Fa arak'ilay fanovana vaovao ny lalĂ na mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana dia tsy maintsy mandoa 3 000ar izy izany.
Vola karama raisina afa-karatsaka izany, salaire net
196 000ar - 3000 ar = 193 000ar.
2- Raymond - Chauffeur
Vata-karama : Ar 300 000
- Karama tataovan-ketra :
300 000ar - 3000 Ostie 1% - 3000 Cnaps 1% = 294 000ar
Mbola tafiditra anatin'ny Ampahany (a), latsaky ny 350 000ar
IRSA = 0
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
294 000ar - 3000 ar = 291 000ar.
3- Denise - Employée de bureau
Vata-karama : Ar 350 000
- Karama tataovan-ketra :
350 000ar - 3500 Ostie 1% - 3500 Cnaps 1% = 343 000ar
Mbola tafiditra anatin'ny Ampahany (a), latsaky ny 350 000ar
IRSA = 0
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
343 000ar - 3000 ar = 340 000ar.
4- Robert - Machiniste
Vata-karama : Ar 375 000
- Karama tataovan-ketra :
375 000ar - 3750 Ostie 1% - 3750 Cnaps 1% = 367 500ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (b), ny ampahan-karama Ar 350 001 hatramin'ny Ar 400 000 = Hakana 5%
Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra
- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = (367 500ar vata-karama - 350 001ar ampahany (b)) x 5% = 17 499 ar x 5% = 174.99 dia Boriboriana 175 ar
IRSA = 175 ar
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
367 500ar - 3000 ar = 364 500ar.
5- Annie - Secretaire de direction
Karama : Ar 300 000
Crédit : Ar 50 000
Logement : Ar 60 000
Vata-karama : 410 000ar
- Karama tataovan-ketra :
410 000ar - 4 100 Ostie 1% - 4 100 Cnaps 1% = 401 800ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (d), ny ampahan-karama Ar 400 001 hatramin'ny Ar 500 000 = Hakana 10%
Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra
- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (401 800ar ilay vata-karama - 400 001) x 10% = 1 799 ar x 10% = 179.90 = Boriboriana 180ar
IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 180ar Ampahany (d) = 2 518ar
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
401 800ar - 3000 ar = 398 800 ar.
6- Grégoire - Informaticien
Vata-karama 575 000ar
- Karama tataovan-ketra :
575 000ar - 5 750 Ostie 1% - 5 750 Cnaps 1% = 563 500ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (e), ny ampahan-karama Ar 500 001 hatramin'ny Ar 600 000 = Hakana 15%
Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra
- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000- 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9 = Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (563 500ar vata-karama - 500 001ar) x 15% = 63 499 x 15% = 9 524.85ar = Boriboriana 9 525ar
IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 9 525 ar Ampahany (e) = 22 025ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
563 500ar - 22 025 ar = 541 475 ar.
7- Meltine - Mpampianatra Lycée privée
Karama : 700 000ar
Indemnité de craie : 25 000ar
Indemnité de logement : 25 000ar
Vata-karama 750 000ar
- Karama tataovan-ketra :
750 000ar - 7500 Ostie 1% - 7500 Cnaps 1% = 735 000ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (f), ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%
Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra
- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000 - 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9= 179.90 = Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (600 000 - 500 001ar) x 15% = 99 999 x 15% = 14 999.85 = Boriboriana 15 000ar
- Amphany (f) = ny ampahany fahadimy (735 000ar vata-karama - 600 001) x 20% = 134 999ar x 20% = 26 999.8ar = Boriboriana 27 000ar
IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 15 000 ar Ampahany (e) + 27 000ar Ampahany (f) = 54 500ar
Eto izany ilay indemnité de craie sy indemnité de logement tonga dia lasan'ilay IRSA, nefa izy tafiditra amin'ilay ampahan-ketra ambony.
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
735 000ar - 54 500ar = 680 500ar
8- Ferdinand - Tale jeneraly
Karama - Salaire de base 2 000 000ar
Carburant 600 000ar
Logement 500 000ar
Indemnité de répresentation : 500 000ar
Prime d'intérressement : 1 000 000ar
13Ăšme mois : 2 000 000ar
Vata-karama : 6 600 000ar
- Karama tataovan-ketra :
6 600 000ar - 66 000 Ostie 1% - 66 000 Cnaps 1% = 6 468 000ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (f), ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%
Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra
- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000 - 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9= Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (600 000 - 500 001ar) x 15% = 99 999 x 15% = 14 999.85 = Boriboriana 15 000ar
- Amphany (f) = ny ampahany fahadimy (6 468 000ar vata-karama - 600 001) x 20% = 5 867 999 x 20% = 1 173 599.8ar = Boriboriana 1 173 600ar
IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 15 000 ar Ampahany (e) + 1 173 600ar Ampahany (f) = 1 201 100ar
Eto izany vaky sasaka ilay 13Ăšme mois lasan'ny hetra.
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
6 468 000ar - 1 201 100ar = 5 266 900ar
Ny taona 2021 (LFR 2021) dia 569.65 miliara ar ny IRSA tokony niditra tamin'ny fanjakana, ary tombanana hiakatra 113.84 miliara ariary izany ny taona 2022, ka ahazoana 683.49 miliara ariary ny IRSA na ny HETRA AMINâNY KARAMA SY NY TOA AZY na impĂŽt sur les revenus salariaux et assimilĂ©s na IRSA.
Raha fintinina izany, dia tafakatra 60% eo ny hetra alain'ny fanjakana, hatramin'ny 20% ny IRSA, 20% ny TVA, 30% ny hetra alaina amin'ny solika, andoavana vola avokoa manomboka ny fanamarinam-ponenana, résidence, ka hatrany amin'ny acte de notoriété sy ny enregistrement et timbre ary ny hetra-trano sy tany, ary mutation fiara, permis de conduire...
Izany hoe raha miasa 5 andro ny herinandro, dia ny 3 andro iasana an'i Fanjakana, ny alatsinainy, talata, alarobia miasa ho an'ny fanjakana, fa ny alakamisy sy zoma ihany no vola mody ho an'ny fianakaviana.
Fanontaniana mipetraka izany ny hoe, ny karama ve no tokony nampiakarina, izay ampiakatra ny vidim-piainana rehetra, ka ahavoakasika ireo tsy miasa sy tsy mikarama isam-bolana ary ireo mpiasa tena, sa ny hetra no nahena, dia nitombo ny fahefa-mividin'ny mpiasa ary nahazo tombontsoa ny rehetra tsy mpiasa mandray karama isam-bolana.
Mirary soa e.
Patrick
(Afaka jerena sy ampiasaina ny rohy ao amin'ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra hikajiana ny IRSA)
http://www.impots.mg/fr/simulator
gasypatriote