28/02/2022
« TSY HIVERINA ANY EGYPTA INTSONY AHO »
Inona ?
« Tsy hiverina any Egypta intsony aho » dia seminera amin’ny Famoronana sy Fananganana Orinasa ary Asa Fandraharahana (FFO-AFA)
Ho an’iza ?
Ity Seminera FFO-AFA ity dia natao ho an’ny tanora eo anelanelan’ny 15 taona hatramin’ny 29 taona ; manana ny maripahaizana Bakalorea fara-fahakeliny ; ary tsara raha efa miasa na manana asa-tena madinika. Voafetra ny isan’ny toerana ho an’ny mpandray anjara amin’ny fiofanana.
Tanjona ?
Ny tanjona kendrena dia ny hananàn’ny tanora mpiofana orinasa mihodina sy mampidi-bola ary mahavelon-tena tanteraka ao anatin’ny herintaona fara-fahelany aorian’ny fiofanana.
Rahoviana ?
Ny 22 – 23 – 24 – 25 Martsa 2022 no hanatanterahana izany.
Aiza ?
Ao amin’ny efitrano fiofana misy ny ivo toeran’ny HFNJ eny Mandrimena : IAV 314 Ter Nord Iavoloha (akaiky ny ISTS) no toerana hanatanterahana ny Seminera; ary efa misokatra ny fisoratana anarana.
Ahoana ny momba izany ?
Fampianarana, fanentanana, horonantsary, fampiasàna sy atrikasa, … no hanatanterahana ny fiofanana.
Ny fisoratana anarana dia atao eny an-toerana hatramin’ny 17 Martsa 2022 ; ary ny andinindininy rehetra tsara ho fantatra dia azo antsoina ao amin’ny laharan-tarobia 034 30 980 80.
Vokatra andrasana ?
Mahatsangana Busines model sy Busines Plan ho an’ny tenany ny miofana rehetra ary afaka manodina avy hatrany ny Orinasa izay voatsangany izy ireo tsirairay avy.
A ANY EGYPTA INTSONY AHO »