Jonathan poeta

Jonathan poeta 🤗TONONKALOM-PITIAVANA SY FIAINANA🤗👌
🎈Mpanoratra tononkalo sy tantara
📽Antsa tononkalo
📝Soratra
Manasa anao hanaraka ny page🙏🙏

Asio fononyAza hampahafatarina olona izay fikasana ataoAza lazaina an'iza an'iza fa ataovy manginginaDia eto hampahendre...
21/01/2026

Asio fonony
Aza hampahafatarina olona izay fikasana atao
Aza lazaina an'iza an'iza fa ataovy mangingina
Dia eto hampahendrena ary indrindra ivavaho
Dia ho hitanao fa tratranao ny tanjona hirina
(.....)
Aza misehoseho na dia mety hoe maha vita
Fa misy mantsy ny olona somary tia tena
Mihatsaravelatsia izy rehefa mifankahita
Fa pozina iray hoho dia hamonoany anao tsy lera
(Fa tiany ianao hianjera...)

Aza tantaraina olona izay fiainanao rehetra
Fa ny tsara dia mangina ny vava hakombony
Na havana io na namana dia misy ratsy toetra
Tsy faly anao mivohatra sy tonga ho lasa ambony
(.....)
Ary zavatra iray farany tena ilaina mokon-doha
Dia ireo fakam-panahy mety handavo tsotr'izao
Dia aza adino ny mivavaka rehefa vao mifoha
Dia asio fonony tsy ho tazana ny tena fiainanao... Fa maro ny mpamingana,
Fa mirosoa dia asio dingana

Ny diam-peniko Jonathan poeta

SolonifyDia lasalasa saina akia izaho eto am-parafaraMandinika ny antsika tamin'izany tena niavakaNanantena mafy ery tam...
14/01/2026

Solonify
Dia lasalasa saina akia izaho eto am-parafara
Mandinika ny antsika tamin'izany tena niavaka
Nanantena mafy ery tamin'izany hoe anjara
Na izaho na koa ianao dia nitondra foana am-bavaka
(Ho antsika na dia kely.....)

Fa eto toa tsaroako ilay teny Analakely
Ilay fitafinao tsara nanify dia nanify
Nievona aoka izany ianao fa hoe voan'ny sery
Kay loza fa nilatsaka hatramin'ny solonify..Lasa ianao niridana fa hita an'ireo vehivavy
Izaho mody niantsoantso hoe "ho aiza Ranabavy â!

Ny diam-peniko Jonathan poeta

"Hambo-po"Aza mba misisika amin'ny olona tsy tiaDia farano rehefa kely ny tady nifatoranaDia aza miangavy raha natao tsy...
09/01/2026

"Hambo-po"
Aza mba misisika amin'ny olona tsy tia
Dia farano rehefa kely ny tady nifatorana
Dia aza miangavy raha natao tsy hiara-dia
Fa...
Tsy mendrika ho anareo izany ny lalana hizorana

(Sao ho maika ahazo lapa...)
Aza maika ny hiantsampy sao ho kilalao ny hafa
Ka miharitra ny eny foana na dia migoka hirifiry
Fa tsy lany zara ianao na hoe zarako aza misy maka
Ka na maratra sy mijaly aza dia io mbola mikiry

(.....)
Aza mba manembona ny olona tsy manina
Fa ny fitia dia toy ny rano mamono raha be loatra
Fa ny fo anie misivana toy ny solefanina
Ka mifidifidy tiana dia hariny rehefa mihoatra
(Fa ny fo mora mandrotra....)

Dia rehefa hoe anjara dia misy tadim-pitiavana
Mamatotra ny fo ny fitiavan'olon-droa
Fa io izay rehefa ho tapaka sy kely no mitana
Dia....
Zary zavam-poana ka manana hambo-po

Ny diam-peniko Jonathan poeta

"Hifarana ny taona" Hifonako eto anio ireo teny ratsy izay voalazakoHialako tsiny anio ireo disadisa nampiadyIreo teny t...
31/12/2025

"Hifarana ny taona"
Hifonako eto anio ireo teny ratsy izay voalazako
Hialako tsiny anio ireo disadisa nampiady
Ireo teny tsy voasivana nivoaka tamin'ny vavako
Ka anefa tsy voatandriko teo anoloan'ny olom-pady

(Dia hifonako avokoa....)
Mamelà ny fahadisoko raha namela ratram-po
Fa olom-belona ahy ka mety hoe solafaka
Fa ireo izay kely vitako nahitanà tombotsoa
Dia raiso ho fahatsiarovana ho vakana firavaka
(.....)
Hisaorana ireo namana teo foana tsy mba niala
Ireo sakaiza sy ry zoky ary Dada sy i Neny
Nanampy nitakosina ary koa ny nikarakara
Tamin'ny izaho solafaka sy lavo teny ho eny

(Ary koa nanala sento....)
Fa hifarana ny taona dia aleo hajanona eto
Ireo disadisa nifamaho fa samy zanak'ondry
Fa raha misy tsy haritrao mbola tinao ho tohizana
Dia aleo manao fotoana, tairo andao atao totohondry

Ny diam-peniko Jonathan poeta

Address

BL 123 Belambanana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jonathan poeta posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Jonathan poeta:

Shortcuts

Share