21/01/2026
Asio fonony
Aza hampahafatarina olona izay fikasana atao
Aza lazaina an'iza an'iza fa ataovy mangingina
Dia eto hampahendrena ary indrindra ivavaho
Dia ho hitanao fa tratranao ny tanjona hirina
(.....)
Aza misehoseho na dia mety hoe maha vita
Fa misy mantsy ny olona somary tia tena
Mihatsaravelatsia izy rehefa mifankahita
Fa pozina iray hoho dia hamonoany anao tsy lera
(Fa tiany ianao hianjera...)
Aza tantaraina olona izay fiainanao rehetra
Fa ny tsara dia mangina ny vava hakombony
Na havana io na namana dia misy ratsy toetra
Tsy faly anao mivohatra sy tonga ho lasa ambony
(.....)
Ary zavatra iray farany tena ilaina mokon-doha
Dia ireo fakam-panahy mety handavo tsotr'izao
Dia aza adino ny mivavaka rehefa vao mifoha
Dia asio fonony tsy ho tazana ny tena fiainanao... Fa maro ny mpamingana,
Fa mirosoa dia asio dingana
Ny diam-peniko Jonathan poeta