05/11/2025
⚠️Fiarahana miasa miaraka amin'ny olo-tsotra na kooperativa na orinasa VITA MALAGASY‼️
Izahay dia orinasa malagasy izay manampy IREO TANTSAHA, MPAMBOLY, MPAMORONA, MPAMOKATRA, na olon-tsotra na kooperativa na orinasa, hivarotra na hitady lalam-barotra ho an'ireo entana izay misy eny aminy ka hita sy vita eto Madagascar 🇲🇬(plateforme de rencontre entre producteurs et acheteurs, centrale d'achats)
♻️📕Fenitra mila hajaina
- Akora eto Madagascar ny 70% fara-fahakeliny
- Vokatra sy Vita Malagasy, eto Madagascar
- Misy mandava-taona ary mahavita mamokatraka foana (production mensuelle et annuelle)
- Manaja fe-potoana
- Mitovy foana ny kalitao
- Manaja ny zon'olombelona sy ny zon'ny ankizy
- Tsy mpanera, tsy halatra
🎎🏺🧺Entana asa-tanàna efa vita (produit artisanal fini) : harona, lamba latabatra, lamba fitafy, vilia, sakotra, poketra, boules, fanorona, sns
🥔🧄🫛Vokatra fambolena (produit agricole): katsaka, tsaramaso, ovy, vary, lavanila, vonio, tongolo, sakay, voninkazo, sns
💎⛏️ Harena an-kibon’ny tany (produits miniers): vato, vatosoa, volamena, minerais isan-karazany
🧱🪵 Akora sy kojakoja fanamboarana trano sy lalana (produits de construction): biriky, fasika, tanimanga, vato, sns
🛃Raha miroso amin'ny fiaraha-miasa dia hisy bokin'andraikitra hifanarahana sy contrat madio
📬📢Raha ianao io dia mandefasa hafatra misy ny anaranao sy sarinao, téléphone azahoana anao, mariho raha olo-tsotra na kooperativa na orinasa, sarin'ireo asa manaporofo ny fahaizanao, ny vidin'ny entana amidinao ary ny antony mahatonga anao ho vonona hiara-hiasa, ny mombamomba anao rehetra.
- hafatra miafina /mp
- whatsapp: +261320547017
- mail: [email protected]