Cabinet mbc

Cabinet mbc Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Cabinet mbc, Consulting Agency, Bypass, Antananarivo.

Cabinet d'expertise-comptable régi par l'ordonnance n° 92-047 du 05 novembre 1992,
membre du tableau A de l'Ordre des Experts-comptables et Financiers à Madagascar OECFM.

13/03/2026
Team building 21 février 2026 – Cabinet mbcUn moment de partage, de cohésion et de bonne humeur pour renforcer l’esprit ...
21/02/2026

Team building 21 février 2026 – Cabinet mbc

Un moment de partage, de cohésion et de bonne humeur pour renforcer l’esprit d’équipe du cabinet mbc🤝
Ensemble, nous construisons une équipe plus soudée au service des clients.🏋️

Fotoana iray niarahana tao anaty ny hafaliana, hanamafisana ny firaisankinan’ny ekipan’ny Cabinet mbc🤝
Miaraka, hanangana ekipa miray hina, ho fanomezana tolotra tsara indrindra ho an’ny mpanjifa.🏋️

TVA❗️Inona no atao hoe TVA ? Iza no tena iharany sy mandoa azy ?💵Ny TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutée) na Haba Amin’ny San...
09/02/2026

TVA

❗️Inona no atao hoe TVA ? Iza no tena iharany sy mandoa azy ?

💵Ny TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutée) na Haba Amin’ny Sanda Hary dia haba amin'ny chiffres d'affaires, izay angonon'ny entreprises, ka aloa any amin'ny fanjakana. 20% matetika ny taha fampiasa.
💹Ny orinasa manana Chiffres d'affaires 400 000 000 Ariary no mihoatra dia manana obligation manangona io haba io. Hita any amin’ny Carte fiscale-ny hoe tokony manisy TVA ve izy sa tsia.

Izany hoe raha toa ka mivarotra ordinateur💻 1 000 000 Ar iray io mpivarotra lehibe iray io, dia manana obligation manisy TVA amin'io facture io, izany hoe 1 000 000 Ar x 20% =200 000 Ar. Raha izay ny voasoarotra ao amin’ny Carte fiscale.
Ny aloan'ny mpividy izany dia 1 200 000 Ariary. Ny 200 000 Ar amin'iny averin'ny mpivarotra any amin'ny fanjakana. TVA collectée no fiantso azy.

✅Raha fitinina tsotra izany dia ny sarababembahoaka mpividy izany no mandoa sy iharan'ilay TVA, fa ilay entreprise mpivarotra mpanelanelana sy mpamondrona izany fotsiny.

Tamin'ny niviadianan'ilay mpivarotra an'ilay ordinateur anefa dia nisy TVA ihany koa ilay facture d'achat📦. Ka satria tsy izy no ampiasa farany an'ilay ordinateur fa ny client final, dia manana droit izy tsy iharan'ilay TVA. Izay no atao hoe TVA déductible.

Ny TVA tena averina any amin'ny fanjakana izany dia :

📌TVA à payer = TVA collectée-TVA déductible

⚖️Ohatra 1 :
TVA collectée............200 000 Ar
TVA déductible...........-80 000 Ar
TVA à payer...............120 000 Ar

Io 120 000 Ar io dia aloan'ilay entreprise any amin'ny centre fiscal miandraikitra an'azy, miaraka amin'ny Annexe na amin'ny alalan'ny plateforme, alohan'ny 15 ny volana manaraka.

⚖️Ohatra 2 :
TVA collectée..............200 000 Ar
TVA déductible...........-300 000 Ar
TVA à payer...............-100 000 Ar

Raha araka ny hitantsika dia lasa négative ilay TVA à payer. Izany hoe lasa crédit indray.
Io crédit io dia afaka mbola anesorina amin'ny déclaration manaraka. Fa tsy maintsy manao déclaration foana isam-bolana alohan'ny 15 ny volana manaraka.

📌Mba ahafahana manamarina ny tsy maha-mpampiasa farany ilay ordinateur an'ilay orinasa dia misy teboka maro tsy maintsy arahina :
- mitazona comptabilité régulière manaraka PCG 2005
- ny transaction rehetra dia tsy maintsy chèque, virement, carte, mobile banking.
- ny facture omeny dia tsy maintsy manara-dalàna ka manasaraka ny prix HT sy ny TVA.

⚠️Marihina fa misy TVA koa ny Prestation de service, livraison à soi-même, importation.

⚠️Marihina ihany koa fa maro ireo teboka tsy noresahina "Produits exonérés, TVA Exportation (0%), assujettissement par demande, TVA non déductibles, prorata de déduction, remboursement de crédit de TVA,...) fa ny zava-dehibe dia ny fahafantarantsika sy fahazoantsika hoe iza no tena iharan'ny TVA.

📝Rédaction : Equipe mbc
📰Sources : Loi de Finances 2026, Guide fiscale 2016

Cabinet mbc, Cabinet d’expertise-comptable à Madagascar
🏢Bypass, Alasora
📞034 45 977 00
📧[email protected]
🌐www.cabinetmbc.com

DIVIDENDES 💵Ny “dividendes” dia ampahany amin’ny tombom-barotra azon’ny orinasa iray ka zaraina amin’ireo mpiara-miombon...
07/01/2026

DIVIDENDES 💵
Ny “dividendes” dia ampahany amin’ny tombom-barotra azon’ny orinasa iray ka zaraina amin’ireo mpiara-miombon’antoka (actionnaires na associés) rehefa vita ny taom-piasana isan-taona.

Rehefa mahazo tombony (bénéfice) ny orinasa iray : atao ny fanapahan-kevitra hoe:
- hampiasa ny tombony hanitarana ny orinasa, na
- hizara izany amin’ny tompony, izay antsoina hoe dividendes
Noho izany, valisoa ho an’ny olona nampiasa vola tao amin’ilay orinasa ny dividendes.

1️⃣ Rehefa inona no mizara dividendes ?💡
Rehefa nahazo tombony ny orinasa ary efa voatsentsina daholo ny Pertes rehetra tamin’ny taom-piasana teo aloha.
Rehefa voatokana sy ampy ny « tahiry an-tratra voadidin’ny lalàna » (reserve légale) (10%’ny capital) (Art. 159, loi 2003 036)
Rehefa voatokana ny “tahiry an-tratra voalazan’ny statuts” (reserve statutaire)
Rehefa ankatoavin’ny fivoriambe (Assemblée Générale) izany fizarana izany.

2️⃣Ahoana ny fomba ficomptabilisena Dividendes ? ✅
a) Rehefa ankatoavina ny fizarana dividende
Mivadika ho trosa amin’ny tompon’ny orinasa ny dividende

📈Ohatra : Orinasa iray nahazo tombony 100.000.000 Ar. Rehefa voatokana avokoa ireo reserves rehetra sy voantsentsina avokoa ny pertes rehetra taloha dia nanapa-kevitra hizara 40.000.000 Ar ho dividendes ny fivoriambe.
Débit 120 Résultat de l’exercice 40 000 000
na
Débit 110 Report à nouveau 40 000 000
Crédit 457 Associés – Dividendes à payer 40 000 000

b) Rehefa aloa ny dividende
Débit 457 Associés – Dividendes à payer 40 000 000
Crédit 512 Banque 40 000 000

3️⃣Mandoa hetra ve ny dividendes ?❗️
Tamin’ny 2025 dia tsy nandoa hetra ny dividendes zaraina amin’ny olona mipetraka eto Madagasikara. Angalana 10 % kosa ny dividendes aloa ho an’ny olona mipetraka ivelan’ny Madagasikara.

📌Taorian’ny Loi de finances 2026, dia lasa mandoa hetra IRCM (Impot Sur Les Revenus Des Capitaux Mobiliers) ny atsasany amin’ny dividendes ho an’ny olona mipetraka eto na ivelan’ny Madagascar. (Modification Article 01.04.02) Ny taux an’ny IRCM moa dia 20%.

Raha toa ka raisina ny ohatra tetsy ambony :
Dividendes saika nozaraina 40 000 000
Atsasany mandoa hetra 20 000 000
Hetra IRCM 20% - 4 000 000
Dividende zaraina 36 000 000

➡️Ny vola tena miditra any amin’ny tompon’ny orinasa izany dia 36 000 000 Ar fa ny 4 000 000 Ar aloan’ny orinasa any amin’ny fanjakana.

📚Sources : Loi 2003-036 sur les Sociétés Commerciales, Loi de finances 2026.

📝Rédaction : Ekipan’ny Cabinet mbc
Cabinet d’expertise-comptable
Adresse : Bypass, Antananarivo
Tel : +261 34 45 977 00
Email : [email protected]

Fomba fikajiana IRSA vaovao
07/01/2026

Fomba fikajiana IRSA vaovao

Izahay ato amin’ny cabinet mbc dia faly miarahaba anao nahatratra ny taona 2026. Ho taona feno fahombiazana anie ity tao...
05/01/2026

Izahay ato amin’ny cabinet mbc dia faly miarahaba anao nahatratra ny taona 2026. Ho taona feno fahombiazana anie ity taona ity. Hitohy tsy ho ela ihany koa ny fampianarana eto amin’ny pejy koa manasa antsika hanaraka hatrany.

04/08/2025
Pertes de valeurMatetika isika manafangaro ny amortissement sy ny Pertes de valeur amin’ny comptabilité. Indro azavaina ...
31/07/2025

Pertes de valeur

Matetika isika manafangaro ny amortissement sy ny Pertes de valeur amin’ny comptabilité. Indro azavaina aminao indray ny Pertes de valeur, ny mampitovitovy sy ny mahasamy hafa azy amin’ny amortissement.

📉Ny perte de valeur dia mitranga rehefa ambany nohon’ny sanda voasoratra anaty kaonty ny sandam-pananana iray amin’ny tena izy. Midika izany fa manome tarehimarika diso ilay kaonty raha tsy ovaina. Noho izany, ilaina ny manitsy izany amin’ny alalan’ny dépréciation (fihenan'ny sanda ara-kaonty).
PERTE DE VALEUR = VALEUR NETTE COMPTABLE - VALEUR RECOUVRABLE

Fananana inona no mety ho tratran’ny perte de valeur ?
• Fitaovana (milina, fitaovam-pitanterana…)
• Trano sy ny fanorenana
• Entam-barotra (stocks)
• Fananana ara-bola (Titres, Créances client, Autres créances)

📌Antony mahatonga ny perte de valeur
1. Fahasimban-javatra – Fiara simba, na milina tsy mandeha intsony.
2. Fivoaran’ny teknolojia – Lasa lany andro ilay fitaovana ampiasaina.
3. Fihenan'ny tinady – Tsy misy mpividy intsony ilay entana.
4. Fiovaovan’ny tsena – Lasa mihena ny sandan'ny trano amin’ny faritra iray nohon’ny krizy.
5. Tsy fandoavam-bola ny client: Client nandositra na nisy tsy fifankazahoana.

ℹ️Nahoana no zava-dehibe ny manamarika ny perte de valeur amin’ny kaonty ?
✔️ Manome tarehimarika marina amin’ny toe-bola sy ny tombon’orinasa.
✔️ Miaro amin’ny fanomezan-tsanda tafahoatra amin'ny fananana
✔️ Mampihena ny tombony voambara, ka mampihena ihany koa ny hetra aloan’ny orinasa (raha Pertes de Valeur déductible).
✔️ Tombony amin'ny fitantanam-bola : afaka manapa-kevitra amin’ny fanoloana fitaovana na fanarenana zavatra iray.

✅Fanoratana ao amin’ny kaonty :

Orinasa iray manana stock de marchandises mitentina 10 000 000 Ar amin'ny 31 Desambra 2024.📦
Nandritra ny fanombanana amin'ny faran'ny taona dia hita fa latsaka ho 7 500 000 Ar ny vidiny eo amin’ny tsena ho an’izany stock izany.
Midika izany fa misy perte mitentina 2 500 000 Ar (VALEUR NETTE COMPTABLE > VALEUR RECOUVRABLE)
Débit Crédit
685 Dotations - actifs courants 2 500 000
397 Pertes de valeur Stocks de marchandises 2 500 000

💡Inona ary ny mahasamy hafa ny amortissement sy ny Pertes de valeur ?
Ny Amortissement sy ny Pertes de valeur dia samy fampihenana ny sanda fa :
💵Ny Amortissement dia fampihenana normal sy voalahatra mialoha amin’ny sandan’ny fananana iray nohon’ny fahanterana, ny fampiasana azy, ary tsy mahazo hiverenana (irréversible).

📉Ny Pertes de valeur dia fihenan’ny vidin’ny fananana iray tsy voalahatra mialoha, matetika vokatry ny loza, fiovana amin’ny tsena, fahasimbana, na antony hafa tsy normal sy tsy nampoizina. Ny Pertes de valeur dia afaka hiverenana (réversible) : izay no atao hoe reprise sur pertes de valeur.

💡Tsara ho marihina fa tsy misy famoaham-bola ihany koa ny Pertes de Valeur, ka averina ampidirina izy any amin’ny Tableau de Flux de Trésorerie Indirect.

Cabinet mbc, cabinet d’expertise-comptable à Madagascar.

Heures supplémentaires vs heures majoréesMatetika isika manafangaro ny Heures supplémentaires sy ny heures majorées. Ind...
25/07/2025

Heures supplémentaires vs heures majorées

Matetika isika manafangaro ny Heures supplémentaires sy ny heures majorées. Indro zaraina aminao indray ny mahasamy hafa azy ireo sy ny ifandraisany.

⏰Ny « heures supplémentaires » (HS) dia fotoana niasana mihoatra ny ora fiasana mahazatra voafaritra ao amin'ny fifanarahan'asa sy ny lalàna mifehy ny asa. Amin’ny lalàna malagasy dia ny Ora mihoatran’ny 40 ora isan-kerinandro na mihoatran’ny 173,33 ora isam-bolana no Heures supplémentaires, sady miteraka majoration (fampitomboana) :
- HS isaky ny adin’ny 8 voalohany ao anatin’ny herinandro, +30% amin'ny karama
- HS mihoatra ny 8 ora, +50% amin'ny karama

✅Ohatra :
Karama isam-bolana: 500 000 Ar
Raha niasa adin’ny roa mihoatra ny mahazatra dia :
Heures supplémentaires : 500 000 Ar/173,33 x 2h x 130% = 7 500 Ar
💲Salaire brut : 500 000 Ar + 7 500 Ar = 507 500 Ar

📈Ny « Heures majorées » kosa dia fanampi-karama amin’ny ora niasana tamin’ny andro tsy tokony hiasana : Alahady, Alina ary Jours fériés. Ampitomboina ny karama (majoration) amin’ny tahan’ny karama mahazatra.
- Miasa amin’ny alina mahazatra (22h à 5h), +30% amin'ny karama
- Miasa amin’ny alina indraindray (22h à 5h), +50% amin’ny karama
- Miasa amin'ny andro alahady, +40% amin'ny karama
- Miasa amin’ny andro fériés, +50% amin’ny karama

✅Ohatra :
Karama isam-bolana: 500 000 Ar
Raha niasa alahady adin’ny 5 dia :
Heures majorées : 500 000 Ar/173,33 x 5h x 140% = 20 192 Ar
💲Salaire brut : 500 000 Ar + 20 192 Ar = 520 192 Ar

❗️Fehiny :
Ny heures supplémentaires dia ora niasanao nihoatran’ny tokony ho izy, ka mitarika fandoavana karama mifanaraka amin’izany miampy majoration.
Ny heures majorées ihany koa dia ora niasanao tamin’ny andro tsy tokony hiasana ka mitarika fandoavana karama mifanaraka amin’izany, miampy majoration ihany koa satria miasa amin’ny fotoan-tsarotra.

📗Sources : Loi 2024-014 portant Code du travail malagasy, décret n° 68-172, décret n°72-226.

Cabinet mbc, Cabinet d’expertise-comptable à Madagascar

07/06/2025

07 juin 2024 - 07 juin 2025

Feno heritaona sahady izay no nanaovan'ny expert tato aminay ny fianianana teny amin'ny tribonaly amin'ny maha-mpahay ara-kaonty azy.
Misaotra ireo mpiara-miombon'antoka, ireo mpiara-miasa, fa indrindra ireo mpanjifa nanome fitokisana ny asa tao-kaonty.

Cabinet mbc.

Sary : TV Plus Madagascar (c)

Address

Bypass
Antananarivo
103

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet mbc posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share