30/08/2026
🐶 HERISETRA / FAHATEZERANA NA HASIKANA eo amin'ny Alika (Agressivité)
Maro ny olona mihevitra hoe tokony masika fona ny chien de garde, maro no miantso anay hoe mitady alika masika, sns...
❗ Fa ny marina dia izao :
👉 Tsy misy alika teraka masika
👉 Fa misy antony mahatonga an'izany
🧠 Ireo mety antony mahatonga ny alika ho mahery setra:
1️⃣ Tahotra (peur) 😨
➡️ Rehefa matahotra izy dia miaro tena.
2️⃣ Tsy fanabeazana 📚
➡️ Tsy nampianarina fitsipi-piainana sy fifehezana.
3️⃣ Fanaintainana na aretina, mety ho sosotra,... (frustration) 🤕
➡️ Raha marary izy dia mety ho mora tezitra.
4️⃣ Tsy fahampian’ny socialisation 🐾
➡️ Tsy zatra olona sy alika hafa.
5️⃣ Fitondran-tena avy amin’ny tompony, mety ho miaro ny tompony na ny faritra misy azy (instinct de protection) 👤
➡️ Raha tezitra foana ny tompony, mety mianatra izany ny alika (efa nianarantsika farany teo ny mahakasika ny émotions, izay tena misy idirany be amin'ny fomba fitezana alika sy fampianarana)
👉 Maro no mety hantony fa ireo izy amin'ny ankapobehiny (izay fona hantony tsara hamatarana ny lasan'ilay alika mialohan'ny hamahana olana amin'ny agressivité)
✅ Vahaolana :
🐾 Fanazarana tsikelikely
👉 ampianarina miadana amin’ny toe-javatra mampatahotra azy (désensibilisation progressive)
❤️ Fanabeazana amin’ny valisoa
👉 omena récompense rehefa manao tsara (renforcement positif)
✔️ Ampiofanina tsikelikely
✔️ Aza kapohina na omena tahotra
✔️ Omeo fitsipi-piainana mazava
✔️ Raha mafy loatra, manatona éducateur canin na comportementaliste
💡 Fehiny :
👉 Ny alika mahery setra dia tsy ratsy, fa mila fanabeazana sy fahatakarana.
Ny alika tsy tokony hasika fahatany fa misy hantony ao, raha misy hanampina dia mba alefaso ao amin'ny commentaire 👇, mifampizara sy mifampianatra tsika eto 🙏
✅ Aza néglige-na re tompoko ny socialisation rehefa vao manomboka mitaiza alika ianao fa ireo hakamaron'ny olana ny mpiompy alika miresaka aminay sy ampianarinay dia ny tsy fahampin'izany fony fahakeliny 👌