10/03/2023
Izay miasa Dia mendrka n'y hihinana araho n'y tantara
NALEOKO NAMBOLY TETO MADAGASIKARA TOY IZAY NANASA VILIAN'OLONA TANY AN-DAFY.
Iza no niteny taminao fa tsy afaka ny hahomby ianao raha eto Madagasikara?
-Lainga izany....
Iza no niteny taminao fa izay rehetra mandeha any an-dafy dia tafa daholo?
-Lainga izany....
Tadidiko tamin'izaho vao haka BACC, hoy bebe anay tamin'izay hoe rehefa afaka ianao Joel an, dia karakaraiko ny dossier-nao dia hoalefako miasa miaraka amin'ny Tonton-nao amin'ny entreprise Y any ivelany ianao...
Hoy aho: Fa inona ny asa amin'izany ry Bebe?
Hoy izy: Manasa vilia, na mivarotra amin'ny Bar sy manao serveur na manasa trano sns...
Hoy aho: Ry Tonton izany manao an'izany daholo?
Hoy izy: (Mandresy lahatra)
Eny, sady mikarama 13 millions gne any mandritra ny 9 volana e,
35 millions eo ho eo no mikarakara dossier dia lasa ianao.
Hoy aho: 35 millions???
Tsy havitana zavatra eto an-toerana ve izany ry Bebe?
Hoy izy: Inona no vita amzay 35 millions eto e...
Sady raha karama 13 millions mandritra ny 9 volana izany nge izao efa 100 millions mahery kely...
Haverinao amiko fois 2 fotsiny ny vola hikarakarako Dossier-nao dia miverina miasa any indray ianao ny 9 volana manaraka..
Hoy aho: izao ary no ataontsika sy Bebe,
Omenao ahy ilay 35 millions a,
dia hamboly eto Madagasikara aho, afaka 9 volana aho miverina amin'ny bebe mitondra 300 millions fa tsy 100 millions...mety?
izy: (tezitra no sady niala moramora)
Rehefa afaka BACC aho tsy nomeny ahy ilay vola,
Taty aoriana aho namboly dia niverina niresaka taminy...
(Nanofa fiara tao amin'ny Groupe 2P Madagascar ilay Tonton-ko niasa tany ivelany tamin'izay )
Hoy aho: Bebe oh, mba fantatrao ve ny vidin'i fiara nampanofaiko an'i Tonton iny?
Hoy izy: Non tsy fantatro fa Ohatrinona iny ?
Hoy aho: Plus de 300 Millions anie iny eh, ary tamin'izaho namboly X no nahazoako an'iny 🙂
Hoy izy: Tonton-nao anefa mbola tsy nahavidy hatramin'izao.
Hoy aho: Bebe oh,ny caméléon eto Madagasikara nge ka caméléon ihany rehefa tonga any an-dafy fa tsy hivadika voay velively e.
Rehefa tsy zatra niketrika teto dia tsy hiketrika n'aiza n'aiza.
Tsy miankina amin'ny position ny fahombiazana fa miankina amin'ny decision.
------------------------------------------------------------------
Ry namana,
Ny tany tsy mba handainga aminao izany.
Ny tany tsy mba hamitaka anao izany.
Rehefa mamafy ianao dia mijinja.
Rehefa mamboly ianao dia mioty vokatra.
Jereo ireo Grand ankehitriny fa mirona mankany amin'ny fambolena daholo.
(Ohatra: Bill gates)
Ry tanora namana,
Ndao hanapa-kevitra ny hamboly eto Madagasikara.
Ndao hanova zavatra.