Ny Hafatro

Ny Hafatro Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.

Rainay ôAto anaty lalinaNo miantso anao izahayMba henoy ny vavakayRainay ôIndro atolotray ho AnaoFo sy saina sy fanahyMa...
05/12/2025

Rainay ô
Ato anaty lalina
No miantso anao izahay
Mba henoy ny vavakay

Rainay ô
Indro atolotray ho Anao
Fo sy saina sy fanahy
Mamindrà fo, mamindrà fo aminay

Indro solafaka izahay
Ka miandrandra ny Tànanao

Fanantenana, Famonjena
No irina avy Aminao
Mba raiso ho eo akaikinao

Fahasambarana, Fiadanana
No irina avy Aminao
Mba raiso ho eo an-tratranao

Rainay ô
Ato anaty alina
No mivavaka
Miantso ny Anaranao

Ray ô, Ray ô
Indro astolotray ho Anao,
Fo sy saina sy fanahy

Nefa izahay mora ambakaina eh
Ka miantso Anao hiaro ny dia

Fanantenana, Fitiavana
No irina avy Aminao
Mba raiso ho eo akaikinao

Fahasambarana, Fiadanana
No irina avy Aminao eh
Mba raiso ho eo an-tratranao

"Eny Ray,
Misaotra Anao fa Ianao no nanafaka anay
Tao anatin'ny fandrik'i Satana
Mankalaza ny Anaranao izahay
Misaotra anao, misaotra anao Ray ô."

Izaho efa mahalala
Ianao mpanome fifaliana ary koa fahazavana
Izaho, efa mahay
Fa ny finoako, fa ny finoako, no entako izay tena tsara.

  mahavita manoratra # mangamanga eo ary dia aza hadino ny manisy j'aime ny pejy
09/01/2025

mahavita manoratra

# mangamanga eo ary dia aza hadino ny manisy j'aime ny pejy

🌟 Ny Fahombiazana: Tantara Soratanao Isan’andro 🌟🎯 "Ny olona mahomby dia tsy vao teraka dia nahomby, fa teraka izy dia a...
09/01/2025

🌟 Ny Fahombiazana: Tantara Soratanao Isan’andro 🌟

🎯 "Ny olona mahomby dia tsy vao teraka dia nahomby, fa teraka izy dia avy eo nanao ezaka isan'andro."

👉 Efa nisy fotoana ve ianao nihevitra hoe tsy hahavita zavatra iray? Efa nihevitra ve ianao hoe sarotra loatra ny làlana? Ny fahombiazana dia tsy hoe tsy misy olana, fa ny faharetana sy ny finiavana ahitana vokatra tsara.

💪 Tsarovy izao:

Tsy voatery ho lehibe ny dingana ataonao, fa zava-dehibe ny mandeha foana.
Ny fahadisoana dia fandraisana lesona, fa tsy natao hahakivy akory.
Ny ezaka kely ataonao isan'andro no mamorona ny hoavinao lehibe rahampitso.

🌱 Aoka ianao hanana finoana anaty:

Fa afaka ianao.
Fa misy zava-tsoa miandry anao.
Fa ny zava-bitanao dia ho lova tsara ho an’ny taranaka.

💡 Ianao no lakilen’ny fiovana. Raha vonona ianao handray andraikitra, dia tsy misy zavatra afaka manakana anao afa-tsy ianao ihany.

🌟 Mitohy ny tolona, ary mbola misy fotoana hanoratana ny tantaranao ho mpandresy. Raha mbola mitohy ny fofonainao, dia mbola manana herijika ianao! 🚀

👉 Aoka ho vonona hivoatra, tsy hionona, ary tsy hijanona mihitsy. Ny fahombiazana dia miandry anao! 💼💪

Partageo mba hahaso any hafa ihany koa
Lalan'ny FahLalan'ny Fahombiazana

Mbola manana planina lehibe sy goavana mahakasika ny fiainanao Andriamanitra...🔥Tsy heritaona no nahatongavan'i Josefa t...
08/12/2024

Mbola manana planina lehibe sy goavana mahakasika ny fiainanao Andriamanitra...

🔥Tsy heritaona no nahatongavan'i Josefa teo amin'ny toerana avo izay nanandratan'Andriamanitra Azy...

🔥Tsy heritaona no nifindran'ny harenan'i Labana teny an-tànan'i Jakoba...

Indraindray toa mila fotoana maromaro izany ny hanandratan'Andriamanitra anao.

Eny, mety efa nampanantena zavatra taminao angamba Andriamanitra, ka nilaza taminao fa ianao dia ho ataoko an'izao sy izao sy izao...

Taona maro anefa izay no lasa, toa gaga ianao fa tsy mety ho tanteraka ilay izy.

Moa ve hadinon'Andriamanitra ny fampanantenany?
~Ny valiny dia Tsia...

Tsy hoe adinony akory ireo fampanantenana izay nataony taminao fa ho avy ny fotoana izay tsy maintsy hahatanterahan'izany...

Kely sisa dia hiafarana ny taona 2022, tsy aiko izay zavatra nataonao.
Mety nanantena an'Andriamanitra foana ianao ary efa nanao araka izay nolazainy, nefa mety tsy nahomby mihitsy.

Tsy hoe raha tsy mahomby ianao hatramizay, dia tsy afaky ny hahomby intsony...
Tsy hoe raha tsy nahavokatra ianao, dia tsy afaky ny hamokatra intsony...

Diso izany...
Iza no mahalala raha amin'ity taona ho avy ity no hahatongavan'ilay niandrasanao.
Iza no mahalala raha amin'ity taona ho avy ity no hahatanterahan'ny teny fikasana aminao.

Aza mitsahatra ny mahatoky an'Andriamanitra...💖
Velomy ao anatinao isan'andro ny fanantenano Azy...

➡️Mafy ny fiainana 🔒Marina ary tsy misy tsy mitaraina amin'izao fa hoe mafy ny fiainana.Ra misy olana na misy ady atreha...
04/12/2024

➡️Mafy ny fiainana 🔒

Marina ary tsy misy tsy mitaraina amin'izao fa hoe mafy ny fiainana.
Ra misy olana na misy ady atrehanao dia aza maika itanondrika alo. Ataovy toy ny vato iray lehibe misakana eo amin'ny lalana ho alehanao io olana io. Tsy maintsy lalovana io vato io satry ra itsokanao na ialana io, dia mety tsy ho tonga any amin'ny lalana tianao ho aleha ianao. Io vato be io ilay olana eo aminy nao, ka hoan'ny fiainana tsara2 koko ilay lalana tianao ho aleha. Ka ra tsy afaka nao alo io dia tsy ho tonga any mintsy ianao. Eny e ! Mety mampitomany mety koa mampanitatra, fa ra tsy nisy an'io vato io tsy hitady evitra mintsy ianao fa mizotra mahintsy fotsiny. Fa ra afaka nao io vato io, dia tsarovy fa efa pandresy enao izay. Tsarovy koa anefa fa ra tsy miady tsy Mandresy, ao anatiny ady dia misy tomany misy fahakivina, fa ny tsara dia mitsiky ihany fa ny tsiky ao anatiny ady dia efa manambara fandresena sahady.
Koa mahereza ry namako fa tsy vitsy no mandalo ady, fa kosa tsy maro no miharitra.
Ra vitanao io ary atrehanao io dia fandresena sy lalana mazava be ny ao ambadika ao.

Akino aminy Jéhovah ny asanao dia ho lavorary izay ataonao.

Aza hadino ny mizara sy manisy j'aime ny pejy 🫵👊👋

Sary tsy misy idirany

31/10/2024

Veloma indray alo octobre fa andray volana vao2 indray zay afaka ora vitsy

30/10/2024

Ra omena fitenenana ianao ka anome hafatra hoan'i JIRAMA dia inona no ambaranao, lazao eo COMS ary

19/08/2024

Address

Hevitra Anaty Serasera
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny Hafatro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share