13/07/2026
Toerana mahatamana sy mahafinaritra ary mamelombelona ny fanahy ny tontolo ambanivolo.
Noho ny antony maro samihafa anefa dia tsy tanteraka izany fa lasa toerana fanaterana ireo mitsotra ny ambanivolo.
Nomena antsika mandritra ny telo andro ny tombony hahafantatra izany tontolo mahafinaritra izany.
ZAHAKO NY NOSIKO 2 no mampiranty ireo tolotra hanaovana tsidi-bohitra, ireo toerana hafahana mijanona mankafia sy mianatra ny totolon'ireo manajary izany ambanivolo izany.
Tsy ambanivolo raha tsy misy tantsaha mamokatra ary tsy misy antenaina raha tsy misy fanodinana ny vokatra : izay no miandry antsika ao.
Akora maro no hita sy trandrahana an-taonany maro mba tsy hilazana hoe nifandovana ny fahaiza-manao. Ny taozavatra raitra manaingo ny olombelona na koa manamora ny fiainana na mampiabo ny tontolo misy antsika andavanandro.
Misy fiteny manao hoe "efa masaka ny nahandro ka ianareo sisa hendrasana".
Tongava maro hihanoka sy hanjifa ny vita malagasy ary hanohana ny tontolo ny tany sy kolontsaina ary ny zahatany.
Ny malagasy mpanao lohabary an-dasy ka ny fotsivolo mananatra, ny manampahaizana manoro : tenin'ny manam-panahy ireny ka am-bava omana, am-poko mierotra. Misy ireo laha-dinika mahaliana miandry anao, antsika.
ZARIDAINA ORTANA ANTANINARENINA
alakamisy 16 - zoma 17 ary sabotsy 18 jolay @ 09 ora maraina hatr@ 05 ora hariva.