21/08/2025
🟨 ASTUCE FANALANA KIBO ANATIN’NY FOTOANA FOHY.
🟢 Voasary makirana
Raisina ilay voasary makirana kely (tsy ilay lehibe greffe) atao rondelle dia arotsaka anaty rano mangotraka 1 kaopy.
Saromana mandritra ny 10 minitra dia sotroina isaky ny maraina vao mifoha, tsy asiana siramamy.
🟢 Sakamalao
Kikisana na voakiky, dia arotsaka anaty rano mafana 1L. Atao rano fisotro mandritra ny tontolo andro.
🟢 Ahena ny farine sy paty
Raha azo atao dia fadio tsikelikely ny sakafo vita amin’ny lafarinina: m**o, paty, sns.
🟢 Ahena koa ny mamy
Tsara raha mampihena ny siramamy, zava-pisotro mamy sy gâteau.
🟢 Soloina voankazo sy jus voajanahary
Raha maniry tsakitsaky, dia voankazo no soloina, na ilay rano misy sakamalao sy makirana.
🟢 Manao fanatanjahan-tena tsotra
Tena zava-dehibe, satria hanambotra ny "forme"nao, mitsambikimbikina 15 minitra na mihoatran'izay isan’andro, isamaraina maraina.
🟢 Vary sy hena ahena, lasary ampio
Ahena ny vary sy hena, dia ampitomboina ny lasary sy legioma.
🟢 Aza manao voky be amin’ny alina
Tsy mihinana be alohan’ny hatory — atsahatra 3 ora mialoha raha azo atao.
FANAMARIHANA
Raha arahina tsara ireo torohevitra ireo, ao anatin’ny 7 andro dia afaka mahita fiovana lehibe eo amin’ny kibo!
Zavatra rehetra dia mila faharetana, fa rehefa zatra ianao dia ho tonga ho azy — mahasalama sy manampy amin’ny fifaliana!