GEN Y officiel

GEN Y officiel Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from GEN Y officiel, Business Center, Antananarivo.

Mba hametraka fanontaniana kely tompoko. Isika rehetra izay mamaky dia afaka mamaly avokoa; eny fa na izahay mametraka n...
06/03/2026

Mba hametraka fanontaniana kely tompoko.
Isika rehetra izay mamaky dia afaka mamaly avokoa; eny fa na izahay mametraka ny fanontaniana aza.

☑️ Manoloana ny zavamisy eto amin'ny firenena izay ahitan'ny Malagasy fa toa mitovy ihany ny fomba fitondran'ireo izay mpitondra antsika hatramin'izao dia mipetraka ny fanontaniana hoe:
1) Tena manana ny atao hoe Fitiavan-tanindrazana (Patriotisme)ve isika ?
2) Inona na ihany koa hoe iza no antony mahatonga anzay hoe fitovian'ny toetran'ny mpitondra izay?
3) Sarotra be ve le mionona amin'ny eo ampelatanana aloha ka hitondra antsika Malagasy amin'ny mahaizy antsika?
4) Tena vonona ny hiova marina ve isika Malagasy?
5) Ilay lalàna eto amintsika ve tsy tokony isika ihany no hanao azy?

☑️Anjarantsika no mamaly an'ireo . Fa izahay kosa dia efa nametraka valiny .

Valin'ny 1)
Tena Mbola mahantra (Nampahantraina) isika hany ka matahotra ny akon'ny fanovana.
Valiny 2)
Ny Vahiny sy ny mpanjanaka no antony voalohany mahatonga ny fomba fitondran'ny mpitondra teo hatramin'izao. zary lasa Marionette avokoa ka tsy ahitantsika ny tena anjara tokony ho antsika eto Madagasikara.
Valiny 3)
Ho anay dia tsy sarotra ny mionona amin'ny hanatsika satria efa nanana ny nahampy antsika isika izay mety tamtsika teto. Ny fifandraisana amin'ny hafa tsy ho sakana fa kosa efa nanana rafipiarahamonina nirindra isika na tsy nisy fifandraisana tamin'ny vahiny aza.
Valin'ny 4)
Tsy mbola vonona ny Malagasy amin'ny tena fanovàna marina.
Valin'ny 5)
Ny lalàna eto amintsika dia tokony averina daholo hatreny amin'ny FKT no miainga fa tsy avy any amin'ny Mpitondra velively.
,☑️Raha tena sahy ny Malagasy dia ireo teboka reo no mila valiany.
Ao am-po mieritra Tompoko
NB: Ny sary dia fanehoana fotsiny ihany.

Iombonanay ito fanazavana nentin'ito Zokibe Ray amandreny ito. Maro ny hevitra hiraisanay saingy misy vitsy2 tsy hitoviz...
23/10/2025

Iombonanay ito fanazavana nentin'ito Zokibe Ray amandreny ito.
Maro ny hevitra hiraisanay saingy misy vitsy2 tsy hitovizanay fa tsy midika ho fanilihana fa ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬IRETO MISY TEBOKA 7 METY HIPOITRA RAHA MIALA AMIN'NY LA FRANCE I MADAGASIKARA...

👉Lafiny maro ny soa mety ho azon’i Madagasikara raha miala amin’i La France (izany hoe miala amin’ny fifamatorana ara-politika sy ara-toekarena amin’ny Fanjakana Frantsay).

👉🔹 1. Fahaleovantena tena izy (Souveraineté réelle)

👉Madagasikara dia efa “indépendante” amin’ny taratasy hatramin’ny 1960, saingy ny fomba amam-panao sy rafitra dia mbola miankina amin’i Frantsa: SARITSARIM-PAHALEOVANTENA IHANY IZANY
👉Fananana sy fitantanana harena (Toamasina, JIRAMA, Air Madagascar, sns) dia mbola misy hidiran'ny frantsay.

👉Fampianarana, vola (Ariary miantefa amin’ny Euro), rafitra ara-pitsarana sy ara-miaramila dia mbola amin’ny fomba frantsay.

➡ Raha miala amin’i La France:

Ho afaka hanapa-kevitra tsy misy tsindry avy any ivelany.

✔️Ho afaka hanangana rafitra mifanaraka amin’ny kolontsaina sy soatoavina malagasy.

✔️🔹 2. Fahaleovantena ara-toekarena

✔️Ny toekarena malagasy dia mbola voafehin’ny orinasa sy banky frantsay (Total, Orange, BNI, Telma, COLAS, sns).

➡ Raha miala amin’ny fanerena frantsay:

✔️Afaka manokatra ny tsena amin’ny firenena hafa (Azia, Afrika, BRICS, sns).

✔️Afaka mametraka politika ara-bola tsy miankina amin’ny Euro.

✔️Afaka manangana banky nasionaly sy vola tena malagasy, tsy voafehin’ny Banque de France. BANQUE MONDIALE SY FMI

✔️Afaka mitantana harena voajanahary (volamena, nickel, kobalta, harena an-dranomasina) ho an’ny Malagasy.

👉🔹 3. Fampandrosoana ny indostria sy ny asa

😌Ny fifanarahana amin’i Frantsa dia niteraka KOLON-TSAINA FRIPERIE BONNE OCCASION IMPORTATION=NORMALE
➡ Raha miala:

👉Hohamafisina ny indostria malagasy: sakafo, zava-pisotro, lamba, fitaovana.

👉Ho lasa manan-danja ny teknolojia sy ny asa tanana malagasy.

👉Hiteraka asa maro ho an’ny tanora.

👉🔹 4. Fahasalamana sy fanabeazana tsy miankina

👉Mbola be loatra ny fianarana amin’ny modely frantsay, tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny MALAGASY
➡ Raha miala:

👉Afaka mamorona rafitra fanabeazana malagasy, mifototra amin’ny kolontsaina sy ny toe-karena eto an-toerana.

👉Afaka manangana fitsaboana sy fikarohana ara-tsiansa tsy miankina amin’ny rafitra frantsay.

👉🔹 5. Fanarenana ny maha-Malagasy sy ny kolontsaina

👉Rehefa tsy eo intsony ny fanjakazakan’ny “francophonie”, dia ho sitrana amin’ny fanahafana vahiny isika.
➡ Ho afaka haneho ny kolontsaina sy ny fiteny malagasy amin’ny sehatra rehetra (fitondrana, sekoly, haino aman-jery, sns).

👉😄🔹 6. Fifandraisana vaovao amin’ny firenena hafa

👉Afaka miditra amin’ny BRICS, sy ny firenena afrikanina mandala ny tena démocratie

👉Ho voahaja kokoa amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria tsy ho “zanak’i Frantsa” intsony isika.

👉🔹 7. Fanarenana ny fahatsapan-tena maha-tompon’ny tanindrazana

✔️Raha miala amin’ny fitondrana ara-tsaina frantsay, dia:

✔️Hiverina ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiandrianam-pirenena.

✔️🇲🇬Hahatonga ny Malagasy hifandray amin’ny finoana sy soatoavina nentim-paharazana miaraka amin’ny fivoarana.

⚠️ Fa tandremo:

🤤🤤Tsy midika akory hoe mifandrafy amin’i Frantsa, fa hoe miala amin’ny fanjakazakana.

🤔Tsy tokony ho fifandirana, fa fanovana ara-politika sy ara-toekarena ho amin’ny fifandraisana mitovy lenta.

😌🔸 "Miala amin’i La France" dia tsy midika “manapaka ny fifandraisana”,
😀fa mamerina ny fahefana ampelatanan'ny malagasy: ara-bola, ara-tsaina, ara-politika, ary ara-kolontsaina.

🇨🇵🇨🇵🇨🇵VOICI LES 7 POINTS QUI POURRAIENT ÉMERGER SI MADAGASCAR SE DÉTACHE DE LA FRANCE…

👉Sous plusieurs aspects, Madagascar pourrait tirer de nombreux avantages en se détachant de la France — c’est-à-dire en rompant les liens de dépendance politique et économique avec l’État français.

🔹 1. Souveraineté réelle

👉Madagascar est “indépendant” sur le papier depuis 1960, mais dans la pratique et les structures, il reste dépendant de la France :

👉La gestion des richesses (Toamasina, JIRAMA, Air Madagascar, etc.) connaît encore une forte influence française.

👉L’éducation, la monnaie (l’Ariary indexé sur l’Euro), ainsi que les systèmes judiciaire et militaire demeurent largement inspirés du modèle français.

➡ En se détachant de la France :
✔️ Madagascar pourrait décider librement, sans pression extérieure.
✔️ Elle pourrait bâtir des institutions conformes à la culture et aux valeurs malgaches.

🔹 2. Indépendance économique

✔️L’économie malgache est encore dominée par des entreprises et banques françaises (Total, Orange, BNI, Telma, etc.).

➡ En se libérant de cette emprise :
✔️ Madagascar pourrait ouvrir ses marchés à d’autres régions 🇧🇷🇨🇨🇨🇮🇿🇦(Asie, Afrique, BRICS, etc.).
✔️ Mettre en place une politique monétaire indépendante de l’Euro.
✔️ Créer une banque nationale et une monnaie souveraine, non contrôlées par la Banque de France.
✔️ Gérer elle-même ses ressources naturelles (or, nickel, cobalt, ressources marines) au profit du peuple malgache.

🔹 3. Développement industriel et création d’emplois

😌Les accords économiques avec la France ont favorisé une mentalité où “importer = normal”.
➡ En rompant ces schémas :
👉 L’industrie malgache (agroalimentaire, textile, artisanat, manufacture) serait renforcée.
👉 La technologie et le savoir-faire local retrouveraient leur valeur.
👉 Cela créerait des emplois pour la jeunesse malgache.

🔹 4. Santé et éducation indépendantes

👉Le système éducatif reste fortement calqué sur le modèle français, souvent inadapté aux besoins des Malgaches.
➡ En s’émancipant :
👉 Madagascar pourrait concevoir un système éducatif national, basé sur la culture et les réalités économiques locales.
👉 Développer une médecine et une recherche scientifique autonomes, sans dépendre des institutions françaises.

🔹 5. Renaissance culturelle et valorisation de l’identité malgache

👉Sans l’influence dominante de la “francophonie”, le pays pourrait guérir de l’imitation des modèles étrangers.
➡ La langue et la culture malgaches pourraient reprendre leur place dans toutes les sphères : gouvernance, éducation, médias, art, etc.

😄🔹 6. Nouvelles relations internationales

👉Madagascar pourrait coopérer librement avec les pays du BRICS et d’autres nations africaines sur un pied d’égalité.
👉 Elle gagnerait en respect et en crédibilité sur la scène internationale, n’étant plus perçue comme une “colonie française”.

🔹 7. Retrouver la fierté nationale et la conscience de soi

✔️En se libérant du conditionnement mental et politique français :
✔️ Le patriotisme et la souveraineté nationale se renforceraient.
✔️ 🇲🇬 Les Malgaches renoueraient avec leur foi, leurs valeurs ancestrales et un développement enraciné dans leur propre identité.

⚠️ Attention :

🤤🤤Il ne s’agit pas d’un conflit avec la France, mais d’une volonté de rompre la domination.
🤔Ce n’est pas une rupture hostile, mais une réforme politique et économique vers une relation d’égalité.

😌🔸 “Se détacher de la France” ne signifie pas “rompre tout lien”,
😀mais rendre au peuple malgache le plein contrôle de son destin : économique, intellectuel, politique et culturel.

Mila miverina eny am 13 Mai ny tena Mpitolona. Ny tena anton'ny tolona de arirarira fotsiny tsisy drafitra mazava. Izaha...
23/10/2025

Mila miverina eny am 13 Mai ny tena Mpitolona. Ny tena anton'ny tolona de arirarira fotsiny tsisy drafitra mazava.
Izahay manana ny rafitra entina hampandrosoana an'i Madagasikara ary io no tena fototra namonoanay tena teny an-kianja.
Ny tanjona de ny Hanova ny Rafitra hitondrana ny firenena satria ny hatramin'izay de tsapa fa tsy nahomby.
Inona ilay RAFITRA?
Ho anay de ny fametrahana ny atao hoe Madagasikara ho an'ny Malagasy no tanjon'ny rafitra.
Inona ilay hovaina?
Ny lalampanorenana: misy ny famolavolana lalàna vaovao famerenana ny fiaramonina malagasy amin'ny tena izy.
Foanana ny lalampanorenana copi-collée an'ny frantsay.
Ny toetsaina: mamerina ireo soatoavina izay resin'ny vola. famongorana ny kolikoly.
Fitaizana ny Malagasy hamokatra eto fa tsy hanantena fanampiana avy any ivelany.
Hametraka rafitra vaovao momba ny économie eto Madagasikara ka ny asan'io rafitra io dia ny mametraka isakiny faritra ny fiariana mety any aminy.
Mametraka ny rehetra ho acteurs avokoa amin'ny fampandrosoana.
Hanao ny fanabeazampirenena ho laharampamehana.
(Mbola hitohy)

Mino izahay fa maro ny olona manampahaizana Malagasy eto mahay ny tena fampandrosoana ilaintsika Malagasy.

Ny fanovàna tianay takiana dia ny fitovian'ny filière rehetra eto Madagsikara . Aleo ny Tafika ho tsinjaraina samy hanan...
14/10/2025

Ny fanovàna tianay takiana dia ny fitovian'ny filière rehetra eto Madagsikara .
Aleo ny Tafika ho tsinjaraina samy hanana ny filière arovany fa tsy ny fitsarana irery no tena hanana ny tanjaky ny tafika sy ny administrations pénitentiaires.
Efa voasokajy ny filière eto raha tsy hitanisa izahay afatsy ny
Fitsarana
Fampianarana
BTP
Environnement
Culturel
Transport
Fahasalamam-bahoaka
Commerce

Ampitivio ny filière rehetra. samy hanana ny "police-ny" avy fa tsy hoe ny fitsarana ihany ny force.

Ny GN dia mbola averinay fa rantsana Frantsay . tsy hampidirina ao amin'ny rafitra vaovao.

✊🏿✊🏿✊🏿✊🏿✊🏿✊🏿✊🏿✊🏿

NB: io ny sary napetrakay ilazanay fa tsy namanay ny GN.

Madagasikara vaovao no tanjona.
Mitohy ny tena Tolona

Vaovao mari-pototra momba ny Karàna . Mpiasan'ny Karàna taloha ne efa zokiolona no nanambara fa manana milina mpanao vol...
13/10/2025

Vaovao mari-pototra momba ny Karàna .
Mpiasan'ny Karàna taloha ne efa zokiolona no nanambara fa manana milina mpanao vola ny karàna ary io milina io dia eto Madagasikara.

Io no ahafahany mividy ny mpitondra eto ka matonga azy mafy be sy manana be ka mibodo tanin'ny Malagasy eto.

Mizaka zompirenena frantsay avokoa ny ankamaroan'ireo ka izany no nahatonga ny GN miambina azy ireo rehefa misy sakoroka eto Madagasikara.

Kolikoky avo lenta no misy eto ataon'ny karàna ka tsy tokony atao maivana izany.

An'ny Malagasy Madagasikara 💪💪💪💪

Averinay amin'ny loniny ny tena antom-pitolomana. 📣 Non à la France: izay mamofompofona La frantsa rehetra de dégage tet...
13/10/2025

Averinay amin'ny loniny ny tena antom-pitolomana.
📣 Non à la France: izay mamofompofona La frantsa rehetra de dégage teto. Anatiny ny GN
📣 Madagasikara mila afaka.
📣 Mila miova ny lalampanorenana tsy nazahoan'ny Malagasy tombony.
📣 Mila miavaka tsara ny Exécutif sy législatif ary ny Judiciaire.
📣 Tsisy intsony ny tsy maty manota eto am tany sy ny firenena.
📣 Mila esorina eto ny Fanetriben'ny firenena.
📣 Mila Rafitra vaovao2 sahaza azy ny Malagasy.

Tsy mbola vita fa vao manomboka mihitsy ny Tolona. tsy mbola tratratsika ny tanjona . Aforeto ny tananakanjo. misikiana fa mbola mitohy ny tolona.

Masina ny Tilombahoaka 💪💪

Mbola tsy reraka  ny manentana ireo force namana hatrany izahay.Ary indrindra mbola mamerina ho re-poko ho re-tany fa ts...
11/10/2025

Mbola tsy reraka ny manentana ireo force namana hatrany izahay.
Ary indrindra mbola mamerina ho re-poko ho re-tany fa tsy namanao izany ny GN.
Fongory ny GN
Fahavalo frantsay ny GN
Masina ny tolom-bahoaka 🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬✊🏻✊🏻✊🏻✊🏻

Raha tena mpitandro filaminana reo de tsy misarona cagoule sy tsy mitondra basy mahafaty. Fa mpamono olona ireo ary tsy ...
09/10/2025

Raha tena mpitandro filaminana reo de tsy misarona cagoule sy tsy mitondra basy mahafaty.
Fa mpamono olona ireo ary tsy mba melohina akory fa mifampiaro ao izy sy ny Fitsarana. izany zavatra izany anisan'ny fanovàna tadiavinay.

Lasa misy ny tsy maty manota eto ary de hiliba fona zany ny mpanao ratsy hampahantra ny firenena??

Tsy azonay hekena izany. Mitohy ny tolona ary tsy maintsy miala Rajoelina.

Masina ny Tolombahoaka 💪💪💪🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Izy ihany defa manambara fa tsy afa-miala @ système... Ny teo ihany teo tao am GN. inona no tena dikany? Tsy manana ny m...
07/10/2025

Izy ihany defa manambara fa tsy afa-miala @ système...

Ny teo ihany teo tao am GN. inona no tena dikany? Tsy manana ny mahaizy azy ary voabaikon'ny frantsay.

Tsy hoe nge ref niova ko le goavimanta de hanantena inona hiova eto tsika eh!!!?

Tsy miova ny fomba fiasany ary ny kolikoly hatrany no manjaka eto.

Natao militaro-civile le fitondrana satria efa hanao ny fomba fanaony izy de ny hamono ny Malagasy....

Tsy misy dikany aminy mihitsy ny aina very tamzao hetsika zao.

Ianareo no manamaivana ny ain'ireo namanay saingy tsy ho ataonay tsinontsinona mihitsy izany.

Izahay tsy hiemotra amin'ny fitakianay fiovana rafitra eto Madagasikara. ✊✊🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Miala Rajoelina .
Masina ny Tolom-bahoaka ✊✊

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GEN Y officiel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share