Mpikabary -Mpitana Fomba -Pôeta zanak'Itasy

Mpikabary -Mpitana Fomba -Pôeta zanak'Itasy Masina Itasy nihavina
Sarobidy ny firaisankina 🙏

Hafa ihany hoa Itasy 🇲🇬🥰Kanto Sady Mahafinaritra ! Reharehanao vé ny maha Zanak'Itasy anao ? azy any Itasy misy anao 😍
02/09/2026

Hafa ihany hoa Itasy 🇲🇬🥰
Kanto Sady Mahafinaritra ! Reharehanao vé ny maha Zanak'Itasy anao ? azy any Itasy misy anao 😍

📢Ho an'FARITRA ITASY 🥰 FETY BE ITY 🎉❤️ GRANDE RÉCEPTION MAMAFI 2026 ❤️🎉📍 ARIVONIMAMO • MIARINARIVO • SOAVINANDRINA🎤 Tong...
01/08/2026

📢Ho an'FARITRA ITASY 🥰 FETY BE ITY
🎉❤️ GRANDE RÉCEPTION MAMAFI 2026 ❤️🎉
📍 ARIVONIMAMO • MIARINARIVO • SOAVINANDRINA

🎤 Tonga ny fotoana! Tonga ny fety lehibe ho an'ny MAMAFI-OFISIALY 🇲🇬
"Mpianatra Ambaratonga Ambony Miray Hina Avy amin'ny Faritra Itasy"

🤝 Rodobe ho fanehoana Firaisankina ❤️ | Fihavanana 🤗 | Fifankatiavana 🫶 eo amin'ireo mpianatra zanaky ny Faritra Itasy.

📢 Antsoina amim-panajana ny Raiamandreny rehetra 👨‍👩‍👧‍👦 sy ny Mpianatra rehetra 🎓 (Fanjakana na Privé) mba hiara-hankalaza ity fotoana lehibe ity.

📍 Toerana : Espace Tantely Ambohimahitsy 🏛️
📅 Andro : Sabotsy 22 Aogositra 2026
🕘 Ora : 09:00 maraina – 05:00 hariva

🎊 Hetsika miandry anao :
🎭 Animations Culturelles • 👑 Miss & Mister MAMAFI 2026 • 🍽️ Déjeuner Ensemble • 🎤 Artistes Surprise • 🎧 Animation DJ • 🎁 Lalao sy fialamboly maro samihafa.

💰 PAF : 1 000 Ar monja

📝 Misoratra anarana amin'ireo Présidents Sous-Associations, Staff MAMAFI, ao amin'ny pejy MAMAFI-OFISIALY, na mandefa hafatra amin'ireo mpikambana ao amin'ny Birao.

🤝 Mankasitraka ireo fikambanana zandriny mpiara-miombon'antoka :

👉 MIAMI-ITASY : Mpianatra Injenera Afovoany Miray Ivontovorona
👉 FMMI : Fikambanan'ny Mpianatra Mpitsabo avy amin'ny Faritra Itasy
👉 APEI : Fikambanan'ny Mpianatra Imerintsiatosika
👉 MAZI : Mpianatra Ambaratonga Ambony Zanak'Ifanja
👉 A.J.U.A : Association des Jeunes Universitaires d'Analavory
👉 FM3A : Fikambanan'ny Mpianatra Anjerimanontolo Ambohimandry sy Ambohipandrano
👉 FTHM : Fikambanan'ny Tanora Ho Avin'i Mandiavato
👉 ZA.MA.TA.NI : Zanak'Ampahimanga Mampandroso ny Tany Niaviany
👉 AEERI : Association des Étudiants en Économie Originaire de la Région d'Itasy
👉 ... sy ireo fikambanana maro hafa.

📞 Filan-kevitra : ☎️ 033 25 252 18 / ☎️ 038 06 269 25

📩 Na mandefasa hafatra miafina amin'ny Président MAMAFI-OFISIALY – Gervais Mpikabary Mpanentana

❤️🤝 "NY FIRAISANKINA NO HERY." 🇲🇬💪

VOHITRA MASINA eto IMERINA sy ny VintanyMisy ireo efa tsy voasokajy tao anaty LAKAM-PANORONA ka voaterina naverina ny Ha...
15/05/2026

VOHITRA MASINA eto IMERINA sy ny Vintany

Misy ireo efa tsy voasokajy tao anaty LAKAM-PANORONA ka voaterina naverina ny Hasiny... Ilay anefa ny mijery ny fotoana mahamety Izany 🙏❤️🙏

MASINA NAHAVAHA OLANA



🙏❤️🙏

👑 Ilay Voady n'Andrianampoinimerina Sy Ny Faneken'ny Lanitra 🌅Tany amin'ny faritra Imerina,  no nonina ny mpanjaka iray ...
16/12/2025

👑 Ilay Voady n'Andrianampoinimerina Sy Ny Faneken'ny Lanitra 🌅
Tany amin'ny faritra Imerina, no nonina ny mpanjaka iray antsoina hoe Andrianampoinimerina. Tsy hoe mpanjaka fotsiny izy, fa mpitarika nanana fahitan-davitra sy fahendrena tsy nisy toa azy. Ny nofinofiny lehibe dia ny hanambatra an'i Madagasikara ho fanjakana iray matanjaka, fa tsy ho tany kely maro miady lava.
📜 Ny Fanamby Ao Am-pony
Nisy fotoana, rehefa avy nanao ady tsy nisy farany izy mba hampanaiky ny foko sasany, dianataho ny mety ho faharavan' ny fanjakany. Nihevitra izy fa tsy ny hery fotsiny no mila ampiasaina, fa ny Fahendrena sy ny Fandeferana indrindra indrindra.
Indray alina, taorian'ny andro mafy niasana, dia nankeo an-tampon-kavoana avo iray tao Ambohimanga i Andrianampoinimerina. Nijery ny tany midadasika nihantona manoloana azy izy – toerana tsara tarehy nefa zarazarain'ny ady tsy misy farany.
Nitsangana teo izy, niteny mafy tamin'ny feo mazava sy mampahatsiahy, toy ny niresaka tamin'ireo razany sy ny Lanitra:
"Ry Zanahary, Tompon'ny tany sy ny fanjakana! Omeo ahy ny hery sy ny faharetana. Tsy ho an'ny tenako no itadiavako ny firenena, fa ho an'ny Zanako; mba hiadana izy, mba tsy ho azon'ny ady intsony, ary mba tsy ho kivy amin'ny tsy fisian'ny fanantenana!"
"Manome toky anareo aho, fa ny taniko sy ny fanjakako dia ho 'ny ranomasina no valam-parihy, izay mitelina ny rano rehetra' (izany hoe, izy no lasa ivon'ny fanjakana), fa ny vahoakako kosa, dia ho 'vato misatroka lamba' (izany hoe, matanjaka sy mendrika), ary hotantanan'ny lalàna sy ny fahamarinana."
🌄 Ny Valiny Avy Amin'ny Lanitra
Raha vao tapitra ny teniny, dia nanomboka nirotsaka ny orana malefaka, mamela ny loto sy ny vovoka hiala amin'ny havoana. Nony avy eo dia niseho ny Avana lehibe, mamirapiratra, mandrakotra ny faritra manontolo – toy ny fehin-kibo be eo an-tanan'i Zanahary.
Hitany fa nankatoavin'ny Lanitra ny voadiny. Ny fandeferana sy ny fiarahamonina, fa tsy ny herisetra, no ho fototry ny fanjakany.

23/11/2025

Hamoaka Hainteny sy Fintina kabary eto izahay isan'andro 🙏 bosteo pagtsika ra sitrakao ,asio Suivre!

15/11/2025

Ho ny Mpikabary mpamoaka : Any aminareo vé misy voalavo ?
Inona valiny 🙈 (page zanak'Itasy ity)

13/11/2025

Misy Fady maro isika Itasy (Fadin'Ody ,Fadi-tany ,Fadin-dRazana )
Ohatra: Fady ny manao maloto akaiky Fasana ,tantarao ny any ?

11/11/2025

Sararasa Isika Itasy, efa misokatra ny group WhatsApp Mpikabary, Mpitana Fomba omba,Pôeta zanak'Itasy 🙏 mp izay Liana 🤝

Address

ITASY
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpikabary -Mpitana Fomba -Pôeta zanak'Itasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share