TIKO VITA Malagasy

TIKO VITA Malagasy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from TIKO VITA Malagasy, Business Center, Antananarivo.

 :MARC RAVALOMANANA irery no filoha nitondra teto ka afaka mivezivezy am-pilaminana amin'ny ora rehetra na aiza na aiza ...
12/08/2026

:

MARC RAVALOMANANA irery no filoha nitondra teto ka afaka mivezivezy am-pilaminana amin'ny ora rehetra na aiza na aiza ny Malagasy.

MARC RAVALOMANANA irery no filoha nahatsapan'ny Malagasy fa misy mifehy ny vidin'entana ilaina andavanandro.

MARC RAVALOMANANA irery no filoha afaka nifehy ny vola sy ny reserve de devise teto Madagasikara, nanampy azy ny Ministra 2 nifandimby izay samy tena havanana tamin'ny fitantanambola.

MARC RAVALOMANANA irery no filoha nahafantatra fa lalandran'ny toekarena ny lalana ka tsy natao ambanin-javatra.

MARC RAVALOMANANA irery no filoha tsy mba taitra tamin'ny rehaky ny hita maso fotsiny fa liana tamin'ny fampitomboana ny voka-bary.

MARC RAVALOMANANA irery no filoha tsy nanangana sekoly fotsiny fa sady nizara KIT SCOLAIRE na dia ny mpianatra tamin'ny fianarana tsy miankina aza.

MARC RAVALOMANANA irery no filoha nahatsapa fa tsy ny teny frantsay fotsiny akory no ahafahana mandroso fa niezaka nanaparitaka ny teny Anglisy?




Resaka harena ny zanaka..Nanahirana iny tao anaty bus iny..Nodakan'ilay zanak'ilay ramatoa ny patalohako..Tsy niteny aho...
05/08/2026

Resaka harena ny zanaka..
Nanahirana iny tao anaty bus iny..
Nodakan'ilay zanak'ilay ramatoa ny patalohako..Tsy niteny aho fa nofafako fotsiny..ankizy ve tsy hilalao..

Nodakany fanindroany..sady nitsahiny ilay tenis mba voaloham-pitiavako nosasako aok'izany..Tsy miteny azy ilay reniny..Tsy niteny koa aho fa nofafako nataoko hitany fotsiny..tia zaza koa ny Jesosinay..

Nodakany fanintelony..mbola tsy miteny azy ihany ilay reniny..nodakako amin'izay kosa ilay zaza..Jesosinay no tia zaza fa za mandaka koa..
Nitomany ilay zaza..tezitra ny reniny..
Fa ahoana no ataonao an'izao ny zanako?
Ka noheveriko hoe miombona daka tsy hitan'ny masonao izahay koa..

Za dakàna raha mafy ianao fa tsy ny zanako no tsy ahaiza-miaina..Amin'ny maha Kristiana mpankatò moa dia nankatoaviko izy dia nodakako..za koa niala bus avy hatrany..

🇲🇬📣AMPITAMPITAO MAIKA: May bazary kely TOAMASINA
02/08/2026

🇲🇬📣AMPITAMPITAO MAIKA: May bazary kely TOAMASINA

OMBAY MITADYTsy hita hatramin'ny Alahady 19 juillet 2026 i Rakotoarisoa Herinambinina Flavien📍 Toerana nahitana azy fara...
21/07/2026

OMBAY MITADY

Tsy hita hatramin'ny Alahady 19 juillet 2026 i Rakotoarisoa Herinambinina Flavien
📍 Toerana nahitana azy farany: 67HA
Nilaza handeha ho any amin'ny trano fivoahana izy no tsy niverina intsony
Raha misy nahita azy na manana vaovao momba azy dia miangavy mba hifandray haingana amin'ity laharana ity:
📞 0387537886
📞 0348865644
Misaotra indrindra amin'ny fanampiana sy ny fizarana.

🔥🔥Efa misokatra ihany koa ny magro ao Mahajanga izay mivarotra ny vokatra tiko  vokarin'ny orin'asa TIKO 🔥♥️♥️🥰Aza misal...
18/07/2026

🔥🔥Efa misokatra ihany koa ny magro ao Mahajanga izay mivarotra ny vokatra tiko vokarin'ny orin'asa TIKO 🔥♥️

♥️🥰Aza misalasala manjifa ny vita gasy, hisokatra tsy ho ela ihany koa ny orin'asa TIKO sy magazay magro isam-paritra fa mamita ny fanatsaràna sisa🎊🎉💯

Hiteraka asa betsaka ny fisokafan'ny orin'asa TIKO 🥰💖
Aza adino ny anaraka ny pejy TIKO VITA Malagasy 🙏

18/07/2026
🔺 ANTANANARIVO TAMIN'NY TAONA 2007 ; ankoatra ny fahadiovan'ny tanàna sy ny tontolo maintso dia tena nanjaka ny fahandri...
14/07/2026

🔺 ANTANANARIVO TAMIN'NY TAONA 2007 ; ankoatra ny fahadiovan'ny tanàna sy ny tontolo maintso dia tena nanjaka ny fahandriam-pahalemana, tsy nampatahotra ny nody alina, ny jiro manazava rahateo nameno ny tanàna.

➡️ Inona ihany koa ny tena tsaroanao❓

KISENDRASENDRA SA ⁉️📅 14 Juillet 2026➖ Fetim-pirenena frantsay 🇨🇵➖ Hanao Demi-final ihany koa ny ekipam-pirenena frantsa...
13/07/2026

KISENDRASENDRA SA ⁉️

📅 14 Juillet 2026

➖ Fetim-pirenena frantsay 🇨🇵
➖ Hanao Demi-final ihany koa ny ekipam-pirenena frantsay, hifandona amin’i Espagne.

Arak’izany, ho chance tsara sa ho ratsy ho azy ireo ny andro rahampitso ⁉️

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TIKO VITA Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share