19/02/2026
Ny fanaingana ny toe-karena dia manomboka amin'ny fampahafantarana ny atao hoe fandraharahana
Raha ireo toro-lalana nivoitra tamin'ny fanokafana ny Dinika ho Fanainganana ny Toekarena eto Madagasikara tamin'ny faha-19-n'ny volana janoary 2026 lasa teo, dia mifantoka amin'ny hevitra fototra iray lehibe, dia ny fanarenana maharitra miankina amin'ny fahafahan'ny firenena ho lasa firenena hanana olona vonon-kamokatra sy handraharaha, afaka manova ny loharanon-karena sy ny fahaiza-manao eto an-toerana ho lasa sanda ara-toekarena tena izy sy maharitra.
Raha izay no izy, mazava fa ireo mpamorona asa aman-draharaha, ireo mpandraharaha vao misondrotra, ireo orinasa bitika sy madinika, ary ireo olona izay mbola misehatra ao amin'ny tsy fanarahan-dalàna, na secteur informel, dia tokony hanana anjara mavitrika ao anatin'izay vina izay. Raha ny tsapa mantsy hatreto, dia ireo no mampiodina ny toe-karena amin'ny andavanandro, nefa amimpomba tsizarizary, amin'ny loharanon-karena voafetra sy tsy fahampian'ny ny fitaovana enti-mamokatra, ary izy ireo no tena mizaka izay mety ho voka-dratsin'ny tsy fahatomombanan'ny asandrizareo. Eo koa ireo tetikasa maro izay tsy mahatratra ny fahamatorana feno, tsy noho ny tsy fahampian'ny farisihana na koa ny tsy fisian'ny hevitra mahomby akory, fa noho ny fahasarotana eo amin'ny fandrafetana sy fandaminana ny asa izay ataony araka ny tokony ho izy sy manaraka ny fenitra.
Raha ny zavatra hita hatramin'izay, dia mibaribary fa tsy ny hevitra no tsy ampy, fa ny fanatanterahana sy ny fanamasahana azy no misy indro kely (na be koa). Ny fandrindrana ilay asa atao, ny fomba hanomezana laharam-pahamehana ny fanapahan-kevitra ho raisina, ny fomba hitantanana ny tsy fahampiana ny enti-miasa, na akora izany na fitaovana koa, eny na ny olona hifanampy eo amin'ny fanatanterahana ny asa,, ny mijery mialoha izay mety ho tsy fahampian'ny vola enti-mihetsika, ary ny fahatakarana izay atao hoe fahaizana fototra amin'ny orinasa sy izay atao hoe fitantanana : izany rehetra izany no mahatonga ny olana, rehefa manjavozavo ny hatao hoe fitantanana, sahala amin'ny maniditsidina fotsiny ny fampiarana ireo fampianarana azo momba izany fitantanana izany, satria ny fampianarana azo toa tsy dia mifandraiky loatra amin'ny tena zava-misy rehefa jerena eo amperinasa…
Raha te-handraharaha isika, dia tsy tokony hihonona amin'ny fanangonana fari-pahaizana fotsiny, fa tsy maintsy mianatra ny fomba fampiharana ireo fahaizana noratovona ireo amin'ny zava-misy marina, izay mazàna tsy lavorary, nefa indraindray hilàna fandraisana fanapahankevitra maika be, ary tsy azo hidovirana mihitsy. Izay elanelana eo amin'izay heverintsika fa fantatsika sy izay tena ataontsika rehefa amperinasa no isehoan'ny ankamaroan'ireo tsy fahombiazana mitranga alohan'ny fotoana.
Ny pejy Lamina Management Training and Coaching dia natao hanomezana fahatakarana azo ampiharina sy voarafitra momba ireo zava-misy hiainan'ny mpandraharaha ireo. Hisy ny famakafakàna, ny faminavinàna ary ny fandalinana nalaina avy amin'ny zava-misy eo amperinasa mihitsy, ahazoana manampy ireo tanora, na koa efa lehibe na somary nahazo taona aza, vao hiroso na efa niroso amin'izany sehatra ny fandraharahana izany amin'ny fahafanatarany ny fiantraikan'ny fomba fitantanany ny asany, ahitany ireo lesoka matetika ataony amin'ny fitantanany ny orinasany, ary ireo fomba enti-miasa tokony ahafahany manandratra ny asany nefa tsy ampiariny mandritra ny fotoana fanomboan'ilay asany.
Hifantoka amin'ny famahavahana ireo olana mateti-pitranga amin'ny fanombohana orinasa ny votoaty avoaka eto : fisafotofotoana matetika eo amin'ny fitantànana, fanapahan-kevitra tsy voahevitra tsara, fahatokisan-tena tafahoatra na fitandremana be loatra, ny tsy fisian'ny fomba fiasa mazava, ny fahadisoana eo amin'ny fandikana sy famakafakàna ireo fitaovana na antontanisa enti-mitantana ny orinasa. Tsy hisy akory ny vahaolana mora na tonga dia vonona, fa kosa fanazavana eo amin'ny fomba fiasa fototra sy fametrahana ny fepetra ho an'ny hetsika voafehy kokoa.
Ny famelomana ny toe-karena tsy dia azo tsaraina amin'ny fahamaroan'ny hetsika amin'ny fandraharahana akory. Ny fanaovana ny fandraharahana ho matihanina, indrindra indrindra manomboka amin'ny zava-misy eo an-toerana no tokony himasohana. Ny tanjon'ity pejy ity dia ny fandaraisana anjara amin'ny fandalinana sy izay mety ho fifanakalozan-kevitra azo haroso momba ny fanohanana ireo mpandraharaha.
Hamaranana ity lahatsoratra ity, dia fangatahana famindram-po aminareo namaky azy hatramin'ny farany, raha toa ka tsy dia lavorary ny nandikana ny hevitra naroso tamin'iny loha-hevitra voalohany iny, amin'ny teny Malagasy.