09/03/2026
Matetika ianao rehefa nisy fotoana tsy nahomby tamin'ny fanadinana nataonao, dia eo vao tsapanao fa ay kay tsy nety ny fomba fianarako lesona hatramin'izay. Manoloana an'izany aoka ianao tsy ho kivy raha mandalo an'izay fa Zavatra iainan'ny mpianatra rehetra izany.Kanefa manomboka eo dia mikarokaroka ny sainao mitady fomba fianarana ahafahana mitadidy ny lesona kokoa. Rehefa hitanao io fomba fianarana nampitombo kokoa ny fitadidianao ny lesona dia ampiarinao foana amin'izay iny ary manomboka eo dia lasa misongadina enao raha hoarina amin'ny mpianatra hafa amin'ny fianaranao. Ny Tiana atongavana dia io tsy fahombiazanao amin'ny fianarana io dia ianao ihany no mahita ny vahaolana amahana an'io nohon'ny fampiasainao ny sainanao.