28/09/2026
TE-HO SUCCÈS VE IANAO? FA VONONA HANAO INONA HO AN’IZANY?
Maro amintsika no manana rêve lehibe, manana vision lavitra, maniry hanana entreprise lehibe, hanana fiainana tsara kokoa…
Fa misy fanontaniana iray tokony hapetrakao amin’ny tenanao:
Inona marina no ataoko anio mba hahatongavako any amin’ilay toerana iriko rahampitso?
Satria mora ny miteny hoe: “Te-ho succès aho.”
Fa ny tena sarotra dia ny manao action isan’andro, na dia mbola tsy hita aza ny résultat.
90% ny olona maniry fahombiazana, fa vitsy no tena vonona handoa ny “prix” takian’izany fahombiazana izany.
Indraindray ianao manana vision lavitra, fa tsy manao action mifanaraka amin’izany vision izany.
Miandry inona ianao?
Miandry fotoana mety?
Miandry olona hanampy anao?
Sa miandry fahombiazana lehibe ho tonga tampoka eo am-baravaranao?
Tsy mandeha amin’izany ny fiainana.
Na inona na inona asa ataonao, na miasa amin’olona ianao, na miasa tena, na manangana business, dia mila faharetana, discipline ary travail.
Tsy misy fahombiazana gratuit.
Misy ny prix tokony haloanao: fotoana, ezaka, faharetana, fianarana, fahadisoana ary indraindray aza sacrifice.
Maro koa isika no mieritreritra hoe:
«“Tiako ny hanana entreprise lehibe tahaka ireny.”»
Fa jereo koa ny zavatra miafina ao ambadik’ilay succès.
Alohan’ilay entreprise lehibe dia mety nisy petit projet.
Alohan’ilay résultat lehibe dia nisy petits efforts natao isan’andro.
Alohan’ny fahombiazana dia nisy échecs, erreurs, nuits difficiles ary moments de doute.
🎯 Aza manambany ny dingana kely ataonao anio.
Mety mbola tsy hitanao ny résultat izao, fa raha manohy manao action ianao, mianatra, manitsy ny fahadisoanao ary tsy miala amin’ny objectif-nao, dia manangana zavatra lehibe tsikelikely ianao.
Tsarovy: ny fahombiazana dia zavatra mandeha amin’ny fotoana.
Koa aza mijery fotsiny ny toerana tianao haleha.
✓ Atombohy amin’izay azonao atao anio.
✓ Manaova action.
✓ Miasa mafy.
✓ Mahareta.
✓ Ary tohizo hatrany.
Eto aho mirary fahombiazana ho antsika rehetra izay miasa mafy sy manenjika ny nofinofiny.
Indray andro any, ho tonga any amin’ilay toerana irinao ianao. Fa anio kosa… manomboka mandeha mankany amin’izany ianao.
Maka Hevitra mizara hoanao