Tanora Diego avy Bealanana Miaraka Amin'i Colonel Jaozandry René FBL

Tanora Diego avy Bealanana Miaraka Amin'i Colonel Jaozandry René  FBL Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tanora Diego avy Bealanana Miaraka Amin'i Colonel Jaozandry René FBL, Business Center, Bealanana.

‼️NY FEON'NY VAHOAKA NOENTIN'NY DEPUTE COLONEL JAOZANDRY RENE TAO AMIN'NY ANTENIMIERAM-PIRENENA HOAN'NY DISTRIKAN'NY BEA...
16/12/2025

‼️NY FEON'NY VAHOAKA NOENTIN'NY DEPUTE COLONEL JAOZANDRY RENE TAO AMIN'NY ANTENIMIERAM-PIRENENA HOAN'NY DISTRIKAN'NY BEALANANA
___________________!!____________________

1-MINISTRA NY FITSARANA: vita ny lapan'ny Fitsarana ao Bealanana ka managataka ny hanendrena mpiasan'ny Fitsarana fa mijaly ny vahoaka rehefa hanao raharaham-pitsarana satria ny mpitory no miantoka ny lany rehetra andehanana hamonjy fotoam-pitsarana ao Antsohihy

2- MINISITRY ATITANY: efa nivoaka ny fonja ary afaka madiodio ny Ben'ny Tanana Bealanana renivohitra ka mangataka ny hanomezana azy fahefana avy hatrany alohan'ny Taom-baovao ary nisaotra manokana hoan'ny Ministre Lylson izay nanao ezaka rehetra tami'ny famoahana ny Ben'ny Tanana

3-MINISTRA FANAJARIANAN'NY TANY: Bealanana no mitana laharana voalohany raha ady tany no resahina ka amin'ny maha Ministra mpiahy ny Faritra Sofia anao dia vangio ary ndao hitady vahaolana miaraka momba ny ady tany fa be loatra ny olana momba ny raharahan'ny tany ao amin'ny Distrikan'ny Bealanana.

4- MINISTRY ANGOVO: tazomy ny teny nomenao hoe tsy maintsy alefa amin'ity herinandro ity ny éclairage Public ary ireo Fokontany efa nahaloa ny saran'ny fampidirana jiro efa tami'ny taona 2018 dia omeo jiro.

5- MINISTRY ASA VAVENTY: efa nangatahina ombenimbeny ny hoe "ATOMBOHY AVY ANY BEALANANA NY FANAMBOARANA RN31" fa tena sahirana sady efa mitoka-monina ny Distrikan’ny Bealanana ary efa nafindra 8Km miala Bealanana ny Parkage noho aratsian-dalana vokatrin'ny orana amin'izao fotoam-pahavaratra izao.

____________

©️ Com FBL Juls-yes Njakaheriniaina

‼️FITADIAVAM-BAHAOLANA MOMBA NY JIRO ATO AMIN'NY DISTRIKAN'NY BEALANANA _____________________!!_____________________✅️Ni...
15/12/2025

‼️FITADIAVAM-BAHAOLANA MOMBA NY JIRO ATO AMIN'NY DISTRIKAN'NY BEALANANA
_____________________!!_____________________

✅️Nisy fihaonana teo amin'ny Ministry Angovo sy ny Solombavambahoaka ary Lehiben’ny Distrika Bealanana izay niresahana momba ireo olagna jiro ato amin'ny Distrikan'ny Bealanana sy ny vahaolagna mifanaraka amin'izany.

▶️Hentitra ny tenin’ny Solombavambahoaka Kolonely JAOZANDRY René raha niresaka momba ny olan'ny Jiro teo anatrehan'ny Ministre ny angovo.
⭕️1) mikasika ny "eclairage public '' eto amin'ny tampo-tanana izay efa tokony efa voavaha satria efa voaloan'ny Kominina Bealanana renivohitra ny vidin’izany 03 volana lasa
⭕️ 2) Fampidirana jiro hoan'ny Bealanana III sy Bealanana IV satria voaloan' ny Kominina Bealanana renivohitra ny vola nifanandrify amin' izany nanomboka 2018
⭕️3) Tokony hojerena na foanana ny contrat ny JIRAMA sy HIER fa aleo atao mivantana tsy mandalo @ JIRAMA intsony fa HIER sy commune urbaine na rurale no mifanaraka satria lasa mpanelanela maka tombony fotsiny i JIRAMA sady manasarojavatra fotsiny
Raha ny fahitan'ny vahoaka maro anisa azy dia tokony hatsahatra mihitsy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Jirama sy ny Orinasa HIER satria lafo lavitra mihoatra ny vidin-jiro amin'ny HIER ny ao amin'ny Jirama ka sahirana ny vahoaka.
⭕️4) Tokony hatsahatra koa ny fitrandrahana rano ataon'ny Orinasa Madagascar Alluminium manodidina faritra misy loharano izay miteraka fahatapahan'ny rano mamatsy any Bevalala satria ritra ny rano rehefa maintany.

📩Namaly ny Ministry fa ho voavaha amin'ity herinandro ity ny éclairage public izay olana tena mampanahirana ny vahoaka Bealanana ary ho jerena akaiky dia akaiky ny sisa rehetra voalaza
_____________
©️ Com DCJR

‼️▶️VOAVAHA NY OLANY MPIANATRA AVY BEALANANA ANY AMIN'NY UNIVERSITE DIEGO__________________‼️____________________▶️Faly ...
06/11/2025

‼️▶️VOAVAHA NY OLANY MPIANATRA AVY BEALANANA ANY AMIN'NY UNIVERSITE DIEGO
__________________‼️____________________

▶️Faly ireo mpianatra avy Bealanana agny amin'ny Universite Diego fa manana Ray aman-dReny mpiahy ary tsy manary amin'ny sarotra raha sendra olana ka efa hitodi-doha hody aty Bealanana ireo mpianatra ao amin'ny SEOBUA izay mbola tsy tafody.

▶️Fankasitrahana maventy hoan'ny Depute Colonel JAOZANDRY René sy Ramatoa vadiny noho fanampiana izay nomeny ka nanolotra vola hanofana ny Magasin hametrahana ny vary sy ny entan'ny mpianatra rehetra mandra-piverenana any Diego.

▶️Fisaorana betsaka ihany koa no atolotra an'i Eddy Boraire Zanaka Anabavin'ny Depute miasa any America izay nanolotra saran-dalana hoan'ireo mpianatra rehetra mbola tavela any Diego hody aty Bealanana.

✅️Isaorana ihany koa President Jean Patrick Randrianarivelo izay angady sy vy nahitana izao vahaolagna izao satria rehefa niseho korontana tao amin'ny campus Universitaire Diego dia niezaka nifandray tamin'ireo Ray aman-dReny afaka hamaha olan'ny mpianatra mba ahafahana hampody ireo zanaka Bealanana.
_____________
©️ Com DCJR

‼️TONGA ETO ANTSIRANANA NY VARY MPIANATRA AVY BEALANANA ‼️Ankafaliana no ankasitrahana atsika jiaby mpianatra sy ny Ray ...
27/10/2025

‼️TONGA ETO ANTSIRANANA NY VARY MPIANATRA AVY BEALANANA

‼️Ankafaliana no ankasitrahana atsika jiaby mpianatra sy ny Ray aman-dReny mpianatra izay niaraka nanafatra vary avy tagny BEALANANA satria noho firaisankina ntsika jiaby no nahafahana nanatanteraka izany.

📩Tolorana fisaorana manokana ny Solombavambahoaka voafidy tato amin'ny Distrikan'ny Bealanana izay nanampy mivantana ka nanome toerana nandraisana ny vary sy ny olona mpiandraikitra ny fandraisana izany ka tsy misy very fa tonga soamantsara aty amin'ny Campus Universite Antsiranana.

Vive FBL
Vive député Colonel JAOZANDRY René
Vive districk Bealanana

▶️DINIKA MOMBA NY POLITIKA ATO AMIN'NY  FARITRA SOFIA MIRAY HINA _____________________//______________________✅️Fikonan-...
20/10/2025

▶️DINIKA MOMBA NY POLITIKA ATO AMIN'NY FARITRA SOFIA MIRAY HINA
_____________________//______________________

✅️Fikonan-doha entina hanatsarana politika ato amin'ny Faritra SOFIA izay niarahan'ireo Solombavambahoaka voafidy tato amin'ny Faritra SOFIA sy ny Governoran'ny Faritra Sofia ka voaresaka tamin'izany ny fangataham-pamelana no sady hamoahana ny Ben'ny Tanàna voafidy teto amin'ny Bealanana renivohitra MORAINJARA Donnit.

📩Manentana atsika vahoaka Bealanana mba hiandry am-pitoniana fa tsy mora ny manao zavatra ka mangataka amin'ny avo indrindra mba hivaly ny fangatahana.
_____________
©️ Com DCJR

Solombavambahoaka ny Bealanana:Ny fiaraha-mientana amin'ny Fanjakana mijoro ihany no hahafahana mampandroso.✓Nisedra kri...
15/10/2025

Solombavambahoaka ny Bealanana:Ny fiaraha-mientana amin'ny Fanjakana mijoro ihany no hahafahana mampandroso.

✓Nisedra krizy ara-politika ny teto Madagasikara izay efa ho herinandro maromaro; anton'izany ny tokony hanaovana laharam-pahamehana ireo olana ara-tsosialy sedrain'ny vahoaka malagasy izay fantatra fa olana hiraisan'ny vahoaka manerana ny Nosy.

✓Amin'izany indrindra, nisy ny fitakiana nataon'ireo tanora tonga saina niara-nientana nanao fitakiana ho fanarenana ny rafitra misy eto amin'ny firenena, fantatra tao anatin'izany fa tolona niraisana manerana ny Nosy izany.

✓Nahitam-bokany arak'izany ny hetsika izay naharava ny Repoblika faha 4 ka nisy ny fanambarana nataon'ny avy eo anivon'ny miaramila ny CAPSAT; manomboka eto dia mandalo tetezamita ny firenena malagasy ny tafika malagasy no handray antanana ny fampiodinan-draharaha ny eto Madagasikara.

✓Etsy ankilany kosa araka ny efa ambetin-tenin'ny solombavambahoaka ny Bealanana Colonel Jaozandry Rene, ny fiaraha-mientana amin'ny fitondram-panjakana izay mijoro ihany no hahafahana miroso mankany amin'ny tena fampandrosoana maharitra hamaliana ireo hetahetan'ny vahoaka izay nametraka fahatokisana tamin'izy ireo amin'ny maha solombavambahoaka azy ireo.
Tonga niatrika ny fivoriana tsy aram-potoana niaraka tamin'ireo solombavambahoaka rehetra arak'izany ny tenany niray dinika manoloana ny zava-misy ka isan'ireo nandatsa-bato tamin'ny fampitsaharana amin'ny asany ny filoham-pirenena malagasy (motion d'empêchement)

✓Nisy ihany koa moa ny fiaraha-midinika tamin'ireo miaramila izay mitondra ny firenena ankehitriny ka isan'ireo tonga nanatevin-daharana izany ny solombavambahoaka ny Bealanana satria ny fampandrosoana ny distrika izay nahavoafidy azy no laharam-pahamehana.
Maneho ny fahavononany hiaraka amin'ny fitondram-panjakana izay mijoro arak'izany ny solombavambahoaka ny Bealanana.

✍️𝑹𝑨𝑫𝑰𝑶 𝑭𝑬𝑶𝑵'𝑵𝒀 𝑴𝑨𝑬𝑽𝑨𝑹𝑨𝑵𝑶 𝑭𝑴 92.0 𝑴𝑯𝒛

▶️MITADY NY MAHASOA NY SOLOMBAVAMBAHOAKA KOLONELY JAOZANDRY RENE __________________//____________________✅️Nihaona tamin...
23/09/2025

▶️MITADY NY MAHASOA NY SOLOMBAVAMBAHOAKA KOLONELY JAOZANDRY RENE
__________________//____________________

✅️Nihaona tamin'i Madame Ivonne Sencebe-Reilly, avy ao amin'ny UNICEF ny député ntsika. Voaresaka tamin'izany ny zo fototra hoan'ny ankizy. Ka hiaraka hiasa amin'ny rindran-damina rehetra ho fampanjakana ny zon'ny ankizy tsirairay eto Madagasikara ary indrindra ato amin'ny Distrikan'ny Bealanana.
_____________
©️ Com DCJR

‼️HO FOANANA NY ADY TANY ATO AMIN'NY DISTRIKAN'NY BEALANANA ___________________!!____________________▶️Nandritran'ny fit...
08/08/2025

‼️HO FOANANA NY ADY TANY ATO AMIN'NY DISTRIKAN'NY BEALANANA
___________________!!____________________

▶️Nandritran'ny fitetezam-paritra nataon'ny Solombavambahoaka Kolonely JAOZANDRY René tany amin'ny Kominina Mangindrano izay niarahana tamin'ny Lehiben’ny Fampanoavana ambaratonga voalohany sy ny tompin'andraikim-panjakana tarihiny Lehiben’ny Distrika Bealanana dia nampahafantatra ny zavatra tokony hatao momba ny fananan-tany mba hisorohana amin'ny ady tany lavareny.

▶️Nanambara ny Solombavambahoaka fa ireo Sojabe sy ny Ray aman-dReny ara-dRazana ireo no fototra hiaingana amin'ny famahana ny olana momba ny tany ary raha misy ny olona alaim-panahy ka milaza mahay olona ambony hiaro ireo mpanao kolikoly dia tsy handefitry amin'ny zany ny tenany satria tsy ilaina ny fanaovana tsindry hazo lena amin'ny vahoaka madinika.

📩Velom-pisaorana ny vahoaka fa manana Ray aman-dReny hiaro ny rariny amin'ny zao fandalovan'ny Solombavambahoaka sy ny Lehiben'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany izao ka mino ary manantena fa hanjaka ny rariny amin'ny sehatra ny fananan-tany.

©️ Com DCJR

▶️SEHATRA NY BOLINA KITRA ATO AMIN'NY DISTRIKAN'NY BEALANANA ____________________!!___________________⚽️Ankafaliana no n...
06/08/2025

▶️SEHATRA NY BOLINA KITRA ATO AMIN'NY DISTRIKAN'NY BEALANANA
____________________!!___________________

⚽️Ankafaliana no nandraisan'ny Solombavambahoaka Kolonely JAOZANDRY René ny Mahery fo ntsika Bealanana amin'ny taranja Bolina kitra FC CLINIQUE ZANATANY izay efa nahazo amboara Ligim-mparitra Sofia tamin'ny ty taom-pilalaovana ity ary nibata fandresena tamin'izao lalao .

📩Nankasitraka an'i Dr CHARLES ny Solombavambahoaka noho fitondrana avo ny lazany Distrikan'ny Bealanana amin'ny sehatra ara-panatanjahan-tena no sady nisaotra ireo mpilalao izay angady sy vy nahitana izao vokatra izao. Ka noho aravoana sy afalianan'ny Solombavambahoaka dia nanolotra izay kely voantsirambin'ny tanany izy mba hientina hanala hetaheta ary ary hiatrika lalao any Mahajanga ny FC CLINIQUE ZANATANY amin'ny volana Septambra hoavy izao dia hiaraka amin'ny zareo ihany koa ny Solombavambahoaka JAOZANDRY René mba ho fanohanana azy ireo.

©️ Com DCJR

▶️FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FOARAM-BAIAVY AFRIKANINA SY NY FESTIVAL FANDRIAKA TETO BEALANANA_________________...
01/08/2025

▶️FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FOARAM-BAIAVY AFRIKANINA SY NY FESTIVAL FANDRIAKA TETO BEALANANA
___________________!!____________________

✅️Tontosa omaly alakamisy 31 jolay 2025 ny fanokafana ny foaram-behivavy Afrikanina sy Festival Fandriaka andiany faha-2 ato amin'ny Disitrikan'i Bealanana. Foara ity dia hentina hamohazana ireo fikambanam-behivavy isaky ny Disitrika ato amin'ny Faritra Sofia.

✅️"Ny tanjona dia vehivavy mahavelon-tena fa tsy hiankin-doha lava ary ho sahy hitarika fampandrosoana sady tsy hanjakany herisetra", io no hafatra mafonja nataon'i Rahaingo Luise Odette filohan'ny vehivavy Afrikanina ato amin'ny Faritra Sofia. Izany dia mandritra 3 andro izay hifarana amin'ny sabotsy 2 aogositra 2025.

✅️Mandritra hetsika izao dia samy mampiseho ireo vokatra mampiavaka Disitrika misy azy amin'ireo Disitrika 7. Tonga manatrika fanokafana Foara sy Festival Fandriaka izao ny Governoran'ny Faritra Sofia, Jeneraly Lylison Rane de Rolland, ireo Solombavambahoaka voafidy teto Bealanana Jaozandry René sy Mandritsara Razakamanana André na Zakabe, ireo Talemparitra maro ary ireo mpiasa miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakana ato amin'ny Disitrikan'i Bealanana.

©️ Com DCJR

Vive FBL
Vive district de Bealanana

Address

Bealanana

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tanora Diego avy Bealanana Miaraka Amin'i Colonel Jaozandry René FBL posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share