Divorce sy ny Momba azy

Divorce sy ny Momba azy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Divorce sy ny Momba azy, Business Center, Mahajanga, Boeny.

16/08/2024

Ny lalana rehetra @ fanambadiana dia toy ny Fefy hiarovana sy hampaharitra ny tokatrano no tanjony fa tsy geja akory. Noho izany aloany hisoratra dia fantaro aloa ny lalana mifehy azy sao diso fanatenana rehefa vita.

16/08/2024

Ny zanaka azo avy @ fanambadiana fampirafesana ara-pombandrazana raha misoratra @ Rangahy ny kopian'ilay zaza dia tsy maintsy adidiny ary afaka itarainana eo anivony Fitsarana ka azahoana P.A izany

14/08/2024

Ny fandavany vady salama tsara tsy hiray aranofo dia azo itarainana eo anivony Fitsarana fa kanefa kosa tsy tafiditra anatiny izany ny vady tsy salama izay manana taratasy avy @ Dokoteram-panjakana manambara izany.

14/08/2024

Ny vola tapaka @ P.A dia miankina @ pourcentage % ny karama raisiny Rangahy sy hamarony zaza naterany, noho izany dia tsy mitovy P.A azony vehivavy rehetra.

10/08/2024

Raha nisara-toerana amantaonany tsy vita divorce ny mpivady ka niteraka tany @ olona hafa ilay Ramatoa dia ireto ny taratasy ilaina @ zany:

🔴Tsy maintsy efa nanao taratasy ilay Rangahy t@ fotoana ahorian'ny nandaozany vadiny azy( eny @ Fokontany, Commune, Distrika,)

🔴Tsy maintsy manao fanambarana ilay Rangahy milaza sy manazava ny tsy fananany an'io zaza io rehefa tonga ny fotoana hanaovana divorce.( hamarininy Fokontany,....)

🔴Kopia nahaterahan'ilay zaza.

📌Hatao izany mba hanaporofoina fa t@ fotoana tsy nahateo any Ramatoa no nazahoany ilay zaza satria lafo ny manao Test ADN eto amintsika.

10/08/2024

Ny olona efa maty ihany no afaka lovaina.

10/08/2024

Tadidio fa miankina @ kopia an'ilay zaza (nozanahany Rainy) no ahafahany Mpitsara mandefa ny dossier @ Finance na Société..... hazahoana ny P.A

N.B: Na tsy vita soratra aza ianareo dia mahazo P.A ihany.

10/08/2024

Na vita soratra na tsy vita ianareo dia raha mahabevoka vehivavy any ivelany tokatrano ilay Rangahy ka nozanahany t@ commune ilay zanany dia afaka angatahana P.A ilay Rangahy no sady mahazo anjara Lova avy @ anjarany Rangahy izy.

10/08/2024

🔴Ny Divorce dia ady madio, noho izany tsy anaty hazo meloka no mitsangana fa ivelany.
🔴Ny zavatra arahina raha hanao divorce dia:

🔹Manao fangatahana eny @ Fitsarana Ambaratonga Voalohany izay akaiky anao.
🔹Mandoa Droit mifanadrify @ zany.
🔹Mila fantarinao ny adiresy mazava tsara misy any vadinao satria andefasana fiantsoana izy hiatrika an'io raharaha io.
🔹Raha samy tonga ianareo roa dia miroso @ fampihavanana na aravona ny disadisa.
•Raisina antsoratra avokoa ny voalaza sy fanapakevitra nareo eo ary soniavina izany, na tapaina na ajanona.
•Raha sanatria vonona ny hanapaka ianareo dia:
🔹Miverina ianareo ( mety afaka 1volana)
•Anjarany toriana indray no mamaly fehiteny (taratasy valiny fitoriana nataony vadinao)
📍Eo no afaka anolorana sy itanisanao ireo porofo antaratasy rehetra anananao dia ; 1omena any Mpitsara ary ny 1dika mitovy omena any Vadinao.
🔹Miverina ianareo (mety afaka 1volana)
•Anjaranao mpitory indray no mamaly fehiteny ka mitovy t@ teo ambony ihany.
📎N.B: Afaka manendry olona tsotra 1atokisanao ianao mba hisolo tena anao hanatitra ny fehiteny mifanelanelana (midecale) @ nao eny @ Fitsarana mba hialana @ fivezivezena matetika.
🔹Miverina ianareo (samy mamaly in2 na in3 avy) dia milaza ny iray @ nareo hoe tsy amaly intsony dia tapitra ny famaliana fehiteny.
🔹Miverina ianareo (mety afaka 1volana) fa @ io no amoahana ny didim-pitsarana.
📌Rehefa mivoaka ny didim-pitsarana dia manana 1Volana ianao ampiakarana @ Ambaratonga Faharoa raha tsy nahafam-po anao izany.

🔴➡Tena mivezivezy tokoa ane!!! Anjaranao mandinika.

09/08/2024

Azony Ray na Reny atao ny mamangy ny zanany @ fotoana voatondro sy voafetra raha tsy nahazo nitaiza azy izy.

09/08/2024

Na misaraka aza ny mpivady dia mbola adidin'izy ireo eo ambanimasony Fitsarana ny fitaizan'izy ireo ny zanany.

09/08/2024

Tadidio fa ianao no Responsable voalohany @ vadinao ka raha misy ny mahazo azy dia ianao no atao famotorana voalohany.

Address

Mahajanga
Boeny

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Divorce sy ny Momba azy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share