DRASA Analanjirofo

DRASA Analanjirofo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DRASA Analanjirofo, Professional Networking, Ambataria, Fenoarivo Atsinanana.

27/10/2026
π…πšπ¦π©π’π¨πŸπšπ§πšπ§πš 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐝𝐒𝐬𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐧'𝐒 π’π¨πšπ§π’πžπ«πšπ§πš 𝐈𝐯𝐨𝐧𝐠𝐨 Mpampiofana 36 avy amin'ny tetikasa ASA AVOTRA MIRIND...
27/10/2026

π…πšπ¦π©π’π¨πŸπšπ§πšπ§πš 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐝𝐒𝐬𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐧'𝐒 π’π¨πšπ§π’πžπ«πšπ§πš 𝐈𝐯𝐨𝐧𝐠𝐨

Mpampiofana 36 avy amin'ny tetikasa ASA AVOTRA MIRINDRA izay iarahana amin'ny FID (Fonds d'Intervention pour le DΓ©veloppement) no nahazo fiofanana mahakasika:
🌾fanamboarana zezika;
πŸͺΎ fambolena mangahazo atao "basket composte";
πŸ₯• fambolena anana sy legioma;
🌿ady mirindra amin'ny aretina sy bibikely mpanimba ny voly
⛰️ary fanajariana tanety.

Ireo mpampiofana ireo no iandraikitra ny fampiofanana ireo mpahazo tombotsoa amin'ny tetikasa ASA AVOTRA MIRINDRA.

"π‘­π’‚π’Žπ’ƒπ’π’π’†π’π’‚ π’Žπ’Šπ’“π’π’ƒπ’π’“π’π’ƒπ’, π’‚π’π’•π’π’Œπ’š π’π’š 𝑭𝒂𝒉𝒂𝒍𝒆𝒐𝒗𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-π’•π’”π’‚π’Œπ’‚π’‡π’"

π…π€ππ€πŒπ€π…πˆπ’π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ€π‘π€π‡π€-πŒπˆπ€π’π€ π’π˜ 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ 𝐅𝐒𝐑𝐏 π’π˜ 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐀𝐒𝐀 π€ππ€π‹π€ππ‰πˆπ‘πŽπ…πŽAo anat...
22/10/2026

π…π€ππ€πŒπ€π…πˆπ’π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ€π‘π€π‡π€-πŒπˆπ€π’π€ π’π˜ 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ 𝐅𝐒𝐑𝐏 π’π˜ 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐀𝐒𝐀 π€ππ€π‹π€ππ‰πˆπ‘πŽπ…πŽ

Ao anatin’ny ezaka hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanatrarana ireo tanjona napetraka eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, dia nisy ny fivoriana niarahan’ny tetikasa FSRP (Food Systems Resilience Program) sy ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (DRASA) Analanjirofo.

🌾Nandritra ity fivoriana ity no nanehoana sy nifampizarana ireo asa sy vokatra azo nandritra ny volana Janoary ka hatramin’ny Septambra 2026, ary nanaovana jery todika ny zava-bita sy ny dingana efa vita tamin’ny fanatanterahana ireo asa.

🚜Ankoatra izany, dia niompana tamin’ny famelabelarana ny tohiny sy ny fandrindrana ireo asa hotanterahina manaraka ihany koa ny fihaonana. Izany dia natao mba hanatsarana ny fandrindrana ny asa, hanamafisana ny fifampiresahana sy ny fifampizarana traikefa, ary hahazoana antoka fa mifanaraka amin’ireo tanjona iombonana ny hetsika rehetra.

🌾Ny fiaraha-miasa eo amin’ny FSRP sy ny DRASA Analanjirofo dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fanohanana ireo mpamokatra, indrindra ireo mpamboly vary, amin’ny alalan’ny fanomezana masomboly sy zezika ary ny fanaparitahana ireo teknika fambolena nohatsaraina. Ireo ezaka ireo dia mikendry ny hampitombo ny vokatra ara-pambolena, handray anjara amin’ny fanamafisana ny faharetan’ny rafi-pamokarana sy ny fahaleovantena ara-tsakafo eto amin’ny faritra Analanjirofo.

"π‘­π’‚π’Žπ’ƒπ’π’π’†π’π’‚ π’Žπ’Šπ’“π’π’ƒπ’π’“π’π’ƒπ’, π’‚π’π’•π’π’Œπ’š π’π’š 𝑭𝒂𝒉𝒂𝒍𝒆𝒐𝒗𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-π’•π’”π’‚π’Œπ’‚π’‡π’"

17/10/2026

"Fambolena miroborobo, antoky ny Fahaleovantena ara-tsakafo"

π…πšπ¦π©π’π­π¨π¦π›π¨πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚π₯𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐒𝐳𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨𝐧'𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐒𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐦𝐒π₯𝐒𝐧𝐚 πŸπšπ¦π›π¨π₯𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧...
16/10/2026

π…πšπ¦π©π’π­π¨π¦π›π¨πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚π₯𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐑𝐚𝐒𝐳𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨𝐧'𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐒𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐦𝐒π₯𝐒𝐧𝐚 πŸπšπ¦π›π¨π₯𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ«π’π­π«πš π€π§πšπ₯𝐚𝐧𝐣𝐒𝐫𝐨𝐟𝐨

🌾Tantsaha 40 no nahazo fiofanana avy tamin'ny CFFAMMA Antsirabe teto Maromitety distrikan'i Vavatenina ny 14 Oktobra 2026 : 20 mpanamboatra fitaovam-pambolena ary 20 tantsaha mpampita ireo fomba fampiasana fitaovana sy milina fambolena.
Ny tanjona dia ny :
🚜Fanatsarana ny fomba fiasa sy ny tekinika fambolena;
🚜Fampihenana ny harerahana sy ny fahasahiranana amin'ny asa fambolena;
🚜Fampitomboana ny velaran-tany hiasana;
🚜 Fampitomboana ny vokatra
🚜Ary ny fahatratrarana ny Fahaleovantena ara-tsakafo

"π‘­π’‚π’Žπ’ƒπ’π’π’†π’π’‚ π’Žπ’Šπ’“π’π’ƒπ’π’“π’π’ƒπ’, π’‚π’π’•π’π’Œπ’š π’π’š 𝑭𝒂𝒉𝒂𝒍𝒆𝒐𝒗𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-π’•π’”π’‚π’Œπ’‚π’‡π’"

Fanaraha-maso sy fanohanana an'ireo tantsaha nahazo anam-pamokarana tato amin'ny lemak'IazafoTaorian'ny fizarana anam-pa...
15/10/2026

Fanaraha-maso sy fanohanana an'ireo tantsaha nahazo anam-pamokarana tato amin'ny lemak'Iazafo

Taorian'ny fizarana anam-pamokarana (masomboly vary Miary, NPK sy UrΓ©e) tamin'ireo tantsaha mpamokatra, ny volana Jona sy Aogositra 2026, dia nanantanteraka fanaraha-maso sy fanohanana ireo tantsaha mpahazo tombotsoa ny ekipa tekinika ny DRASA ANALANJIROFO ny 12 hatramin'ny 16 Oktobra 2026. Fokontany 10 tao anatin'ny kaominina Ampasimazava, Maromitety ary Vavatenina no notsidihina.
Ny tanjona amin'izany dia ny hanatsarana ny fomba fanao amin'ny fambolena, ny fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon'ireo mpamokatra, ny fanamafisana ny faharisihana sy ny fahavononan’ireo mpamokatra handray andraikitra, ny fampitomboana ny voka-bary ary ny fahatratrarana ny Fahaleovantena ara-tsakafo ato amin'ny Faritra Analanjirofo.

"Fambolena miroborobo, antoky ny Fahaleovantena ara-tsakafo"

15/10/2026
13/10/2026

"π‘­π’‚π’Žπ’ƒπ’π’π’†π’π’‚ π’Žπ’Šπ’“π’π’ƒπ’π’“π’π’ƒπ’, π’‚π’π’•π’π’Œπ’š π’π’š 𝑭𝒂𝒉𝒂𝒍𝒆𝒐𝒗𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-π’•π’”π’‚π’Œπ’‚π’‡π’"

Address

Ambataria
Fenoarivo Atsinanana
506

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRASA Analanjirofo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share