22/08/2025
MBA AHAFAHANTSIKA MAHARAKA TSY TAPAKA NY TOROHEVITRA SY NY FIFAMPIZARANA DIA AZA ADINO MI_ABONNE NY PAGE_TSIKA
Toy ny ahoana indray raha hanamboatra manokana ny sakafombiby manaraka ny fenitra sy arapahasalamana , araho ary
Torolalana momba ny sakafo (provande) ho an’ny akoho gasy
1️⃣ Antony maha-zava-dehibe ny provande
Ny akoho gasy dia mila :
Hery / angovo → avy amin’ny katsaka, mangahazo, apombo.
Proteina → manamboatra nofo, volo ary atody.
Sira-mineraly → indrindra calcium sy phosphore ho an’ny taolana sy akoran’atody.
Vitamine sy fibre → hanamafisana hery fiarovana sy fandevonan-kanina.
2️⃣ Loharanon-proteina
🔹 Avy amin’ny zavamaniry
Koba soja (tourteau de soja) : 40–45% proteina.
Koba voanjo (tourteau d'arachide) : 35–40% proteina.
Voanjobory, voanemba : 20–25% proteina.
Ravina maitso (ravin-kangahazo masaka, moringa, anamalao, anamamy) : 15–25% proteina + vitamina.
🔹 Avy amin’ny biby
Koba trondro maina (farine de poisson) : 50–60% proteina.
bibikely (vitsika, olitra, valala) : 40–60% proteina.
Ronono masaka : proteina + calcium.
👉 Midika izany fa tsara ny manambatra proteina avy amin’ny zavamaniry sy biby.
3️⃣ Fomba fangaro (ohatra 100 kg provande)
a) Ho an’ny zana-akoho (0–8 herinandro)
Katsaka voatetika → 50 kg
Tourteau soja na Tourteau voanjo → 20 kg
Apombo (son de riz/blé) → 15 kg
Potika trondro → 10 kg
Akorandriaka na tranona huitre → 3 kg
Premix (vitamina sy sira-mineraly) → 2 kg
➡ Proteina : 18–20% (mety tsara ho an’ny zana-akoho).
b) Ho an’ny akoho mitombo (2–4 volana)
Katsaka → 55 kg
Tourteau soja na Tourteau voanjo → 15 kg
Apombo (Son de riz/blé) → 20 kg
Potika trondro → 5 kg
Akorandriaka na tranona huitre / calcium → 3 kg
Premix → 2 kg
➡ Proteina : 16–17% (mety amin’ny fitomboana).
c) Ho an’ny akoho mpamokatra atody
Katsaka → 50 kg
apombo(Son de riz/blé) → 25 kg
Tourteau soja na Tourteau voanjo → 10 kg
Potika trondro → 5 kg
Akorandriaka na huitre → 8 kg
Premix → 2 kg
➡ Proteina : 15–16% + calcium be (hahazoana akoran’atody matanjaka).
4️⃣ Fanampin-tsakafo maimaim-poana azo ampiasaina
Ravina maitso : anamamy, anamalao ravin-mangahazo masaka.
Bibikely : valala, olitra, vitsika, lolo.
5️⃣ Torohevitra
✔ Potsero / poteho avokoa ny akora (mba ho mora levona).
✔ Omeo rano madio sy vaovao foana.
✔ Arotsaho araka ny taonany → zana-akoho mila proteina betsaka, akoho mpamokatra mila calcium betsaka.
✔ Aza manome sakafo simba na bobongolo (mampisy aretina).
👉 Raha fintinina :
Ny proteina dia avy amin’ny koba soja, koba voanjo, voanjobory sy koba trondro.
Ny hery (énergie) dia avy amin’ny katsaka, mangahazo, apombo.
Ny calcium dia avy amin’ny akorandriaka, taolana potipotika, na vato misy calcium,huitre.