Direction Régionale du Commerce et de la Consommation Anôsy

Direction Régionale du Commerce et de la Consommation Anôsy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Direction Régionale du Commerce et de la Consommation Anôsy, Business Center, Esokaka Taolagnaro 614, Fort-Dauphin.

Taom-pivarotana "baie rose" Faritra Anôsy:Na hitantsika fa efa misy menamena aza ny sasan-tsasany @ " baie rose", dia mb...
03/05/2026

Taom-pivarotana "baie rose" Faritra Anôsy:

Na hitantsika fa efa misy menamena aza ny sasan-tsasany @ " baie rose", dia mbola betsaka ihany koa ny maintso sy madinika.

Ho fanajana ny kalitao arak'izany , ary noho ny tsy fahampian'ny orana tamin'ity taona ity, dia tsara ny manamarika fa mbola tsy misokatra ny taom-pivarotana " baie rose" eto @ Faritra Anôsy.

Efa manaraka akaiky an'io ny tompon'andraikitra manandrify izany.

Fantatra kosa fa efa tsy ho ela, dia hisokatra @ fomba ofisialy izany taom-pivarotana "baie rose " 2026.

Miantso ny rehetra mba ho sarotiny @ fanajana ny kalitao sy ny fanarahan-dalàna:

Ho hentitra ny fanaraha-maso.

30/04/2026

📣 APPEL A PROPOSITIONS 2026

🤝Dans le cadre de la mise en œuvre du Projet PICAS 1 dont l'appui au financement des projets est réalisé par le Fonds de développement agricole ( ) , l'appel à proposition suivant est lancé :

✅ MISE A DISPOSITION DE SERVICES FINANCIERS ACCESSIBLES POUR FINANCER LES PROJETS DES JEUNES ENTREPRENEURS EN INVESTISSEMENT ET EN FONDS DE ROULEMENT

📆 Les dossiers de manifestation d'intérêt doivent être envoyés par voie électronique au plus t**d le 18 mai 2026.



Notohizana any @ distrikan'ny Amboasary ny fitsarana "balance" sy ny fitsirihana ireo entana lany daty.
29/04/2026

Notohizana any @ distrikan'ny Amboasary ny fitsarana "balance" sy ny fitsirihana ireo entana lany daty.

N'y fitaleavam-paritra ny Varotra sy Fanjifana Anôsy, sy ny mpiara-miasa rehetra dia:Mitondra ny fisaorana feno:-Ho an'A...
24/04/2026

N'y fitaleavam-paritra ny Varotra sy Fanjifana Anôsy, sy ny mpiara-miasa rehetra dia:

Mitondra ny fisaorana feno:

-Ho an'Atoa hajaina Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.
-Ireo mpanolo-tsaina avo.
-Andriamatoa Praiministra Lehiben'ny Gouvernemanta.
-Ramatoa Ministra ny Varotra sy Fanjifana.
-Ireo membra ny Gouvernemanta rehetra.
-Atoa Solombavam-bahoaka voafidy eto @ Distrikan'ny Taolagnaro.
-Atoa Solombavam-bahoaka voafidy tao @ Distrikan'ny Betroka

Ianareo rehetra nitoto naha-fotsy, nahandro nahamasaka.

Ka naha tanteraka ny fanendrena indray an'Atoa RAZAFITSITAIRANA Jean Harlain, ho Talem-paritra, misahana ny Varotra sy Fanjifana Anôsy.

Mankasitraka mankatelina tompoko.

Ho an'izay tsy tonga t@ antso fitsarana "balance", dia mitohy @ fanaovana " ramassage " ny hetsika.Mbola tsy tara fa man...
23/04/2026

Ho an'izay tsy tonga t@ antso fitsarana "balance", dia mitohy @ fanaovana " ramassage " ny hetsika.

Mbola tsy tara fa manentana antsika hatrany ho tonga an-tsitrapo.

Vidim-bary Taolagnaro : malalaka ny safidin'ny mpanjifa, arakaraka ny fahefa-mividin'ny tsirairay.
18/04/2026

Vidim-bary Taolagnaro : malalaka ny safidin'ny mpanjifa, arakaraka ny fahefa-mividin'ny tsirairay.

Ampahatsiahivina isika mpivarotra sy mpanafatra entana na kilalao ampiasaina @ fety isan-karazany, fa araka ity "arrété ...
16/04/2026

Ampahatsiahivina isika mpivarotra sy mpanafatra entana na kilalao ampiasaina @ fety isan-karazany, fa araka ity "arrété " ity, dia tsy azo atao ny mivarotra sy mampiasa ny "Pointeur laser" eto @ distrikan'ny Taolagnaro.

Izany no natao mba ho fitandrovana ny loza mety aterany @ lafiny maro, indrindra ny " securité aéroportuaires".

Ho hentitra ny fandraisana andraikitra.
🙏🙏🙏

Fitsarana "balance":Mankasitraka antsika tonga maro bé androany Alakamisy 16 april 2026.@ asabotsy 18 April 2026 ny foto...
16/04/2026

Fitsarana "balance":

Mankasitraka antsika tonga maro bé androany Alakamisy 16 april 2026.

@ asabotsy 18 April 2026 ny fotoana farany.🙏🙏

Misaotra antsika mpivarotra mamaly ny antso " fitsarana balance".Manentana hatrany ireo mbola tsy tonga.
16/04/2026

Misaotra antsika mpivarotra mamaly ny antso " fitsarana balance".
Manentana hatrany ireo mbola tsy tonga.

Fitsarana balance distrikan'ny Taolagnaro: Nanomboka ny faha 10 Avril 2026 teo, ary hifarana ny asabotsy 18 April 2026 i...
15/04/2026

Fitsarana balance distrikan'ny Taolagnaro:

Nanomboka ny faha 10 Avril 2026 teo, ary hifarana ny asabotsy 18 April 2026 izao.

60% ny mpampiasa "balance " no efa tonga namaly ny antso.

Hatreto dia 75% ny "balance" nandalo fitsarana, dia " misy fahasimbana ", ka natao " réparation" na fanamboarana eo noho eo.

Marihina fa isakin'ny 01 taona dia tokony mandalo fitsarana ny " balance" rehetra, fa aorian'io fe-potoana io dia tsy azo antoka ny mety ho " fahamarinany".

Tsy voatery ho fantatry ny tompony anefa, fa efa tsy marina intsony ny fitaovana ampiasainy.

Misy koa anefa ny manao fanahy iniana mikitika ny fitaovany.

Manentana ireo izay mbola tsy tonga, mba hamaly ny antso fitsarana balance, izay natao.

Aorian'ny antso, dia misy ny fanasaziana, ho an'izay tsy tonga.

Address

Esokaka Taolagnaro 614
Fort-Dauphin

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direction Régionale du Commerce et de la Consommation Anôsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share