14/07/2026
Ato ndray Ary aloha ketrehuna: CONCOURS POLICE 👇
AVIS CONCOURS AGENT DE POLICE 2026 ENIAP (Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police)🇲🇬👮♂️👮♀️
Ireto avy ny antsipiriany lehibe tokony ho fantatra momba izany:
1️⃣ Ny mombamomba ilay concours
🔹Isan'ny olona raisina : Mpianatra "Agents de Police" miisa 850 .
🔹Daty hanatanterahana ny fanadinana (Dingana voalohany): Ny 26 sy 27 Septembre 2026.
🔹Daty farany fandraisana ny antontan-taratasy (Dossier): Ny 11 Septembre 2026 amin'ny 4 ora tolakandro.
2️⃣ Ny fepetra takiana amin'ny mpiadina (Articles 3 & 4)
🔸Teratany :Malagasy.
🔸Taona :21 taona farany kely, ary 30 taona farany ambony
🔸Halavana : 1,65 metatra farany kely (ho an'ny lahy sy ny vavy, tsy mikasika kiraro).
🔸Fahasalamana : Manana fahitana 10/10 amin'ny maso tsirairay.
🔸Mari-pahaizana : Manana ny BEPC na diploma mitovy aminy izay eken'ny Fanjakana (Fonction Publique).
🔸Tsy mbola voasazy tamin'ny sazy mihatra (n'avoir fait l'objet d'aucune condamnation à une peine privative de liberté).
3️⃣ Ireo Ivon-toeram-panadinana 16 (Centres d'examen)
Azo isafidianana ireto ivon-toerana ireto rehefa mametraka dossier:
Antananarivo Renivohitra, Antsirabe, Mahajanga, Antsohihy, Maintirano, Fianarantsoa, Ambositra, Manakara, Antsiranana, Sambava, Toamasina, Ambatondrazaka, Maroantsetra, Toliara, Morondava, Tolagnaro.
4️⃣ Ny vola aloa (Droit d'inscription)
🔹Ny saram-pandraisana anjara dia 35 000 Ariary izay aloa amin'ny alalan'ny fandatshana izany ao amin'ny banky BOA , kaonty laharana: 05000/1 566776 000 0 (62), amin'ny anaran'ny Ministère de la Sécurité Public (Tandremo fa tsy azo averina io vola io).
5️⃣ Ny antontan-taratasy ilaina (Dossier de candidature - Article 6)
🔹Enveloppe kraft lehibe iray (soratana sorabaventy ny anarana, fanampiny ary ny ivon-toerana nofidiana).
🔹Formulaire roa (Fiches d'inscription) azo alaina ao amin'ny toerana fandraisana dossier na alaina amin'ny tranonkala: https://www.pn.gov.mg
🔹Sary tapaka 4 vao haingana (soratana anarana sy ny fifaninana ao an-damosiny).
🔹Sary iray maneho ny vatana manontolo (photo sur pieds), soratana anarana koa ny ao aoriana.
🔹 Enveloppe roa misy hajia 1 000 Ar avy sy ny adiresy ary laharana findain'ny mpiadina.
🔹 Ny tapakila nandoavana ny 35 000 Ar tany amin'ny BOA.
🔹Kopia nahitana fahamasinana (certifiée conforme) amin'ny dika mitovy amin'ny Karapanondrom-pirenena (CIN).
🔹 Taratasy fahazoan-dalana avy amin'ny lehiben'ny ambaratongam-pahefana (raha efa mpiasam-panjakana na miaramila).
🔹Taratasy fangatahana amin'ny tanana (Demande manuscrite) miantefa amin'Andriamanitra Ministre de la Sécurité Public , manondro ny ivon-toerana isafidianana.
🔹 Taratasy manazava ny fahavononana (Lettre de motivation) miantefa amin'ny Minisitra.
🔹Taratasy fanambarana amin'ny voninahitra (Lettre de déclaration sur l'honneur) azo alaina amin'ny tranonkala ihany koa.
🔹 Dika mitovy amin'ny fahaterahana (Extrait d'acte de naissance) latsaky ny 3 volana.
🔹Taratasy fanamarinana ny fitondran-tena (Casier judiciaire bulletin n°3) latsaky ny 3 volana.
🔹 Certificat de résidence latsaky ny 3 volana sy ny sarintany manondro ny trano (plan de repérage).
🔹 Certificat de position militaire.
🔹 Certificat de toise (fanamarinana halava) nomen'ny Ofisialin'ny Polisy.
🔹 Ho an'ny vehivavy: Certificat manamarina fa tsy bevohoka (test de grossesse négatif).
🔹 Certificat de bonne conduite avy amin'ny Fokontany (atao anaty valopy mikatona tsara - Confidentiel).
🔹 Fanamarinana ara-batana sy ara-tsaina (Fiche médicale d'aptitude physique et mentale) avy amin'ny dokoteran'ny fitondrana.
🔹 Kopia roa amin'ny diploma BEPC (nahitana fahamasinana) miaraka amin'ny taratasy fanamarinana ny fianarana (certificat de scolarité) tamin'ny sekoly niaviana.
6️⃣ Fandaharam-panadinana an-tsoratra (Articles 10)
➡️ 26/09/2026 :
🔹09h-11h : Fanontaniana safidy maro (QCM) momba ny fahalalana ankapobeny (Malagasy na Français) - Coeff: 2 / Faharetany : 2h.
🔹14h-16h : Histoire sy Géographie an'i Madagasikara (Gasy na Frantsay) - Coeff: 2 / Faharetany: 2h.
➡️ 27/09/2026 :
🔹09h-11h : Teknika fanehoan-kevitra amin'ny teny frantsay (Techniques d'expression en français) - Coeff: 2 / Faharetany: 2h.
🔹14h-16h : Teny Malagasy (Riba-Famoronan-dahatsoratra) - Coeff: 2 / Faharetany: 2h.
Mirary soa ho Malagasy te hanao POLISY
Ndao hifanampy 🤝🇲🇬👮