26/07/2026
๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐'๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐
Tao amin'ny Fokontany Ampahomanitra, Kaominina Nosy-Varika, no nanolorana fitaovam-pandanjana miisa efatra (04) ho an'ny Distrikan'i Nosy-Varika, entina hanamafisana ny fanatanterahana ny fivarotana lavanila ara-maso mandritra ny taom-piotazana.
Notanterahin'ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Vatovavy, Andriamatoa ๐๐ผ๐ฝ๐ ๐
๐๐๐ฃ ๐๐ง๐ฃ๐๐จ๐ฉ,
niaraka tamin'ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vatovavy, Andriamatoa ๐๐ง๐๐ฃรง๐ค๐๐จ ๐๐๐๐, ny fanolorana ireo fitaovana ireo,
Ny Lefitry ny Ben'ny Tanร nan'i Nosy-Varika, Andriamatoa ๐๐๐ง๐๐ข๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐ค๐ ๐ฟ๐๐ก๐ฅ๐๐๐ฃ, no nandray izany tamin'ny anaran'ny Kaominina.
Nandritra io fotoana io ihany koa no nanambarana tamin'ny fomba ofisialy ny fisokafan'ny fivarotana lavanila eto amin'ny Distrikan'i Nosy-Varika.
Efa misy mpandraharaha iray, dia ny orinasa ๐ฝ๐๐๐๐๐, vonona hividy ny vokatra avy amin'ireo tantsaha mpamokatra. Taorian'ny fifampidinihana sy ny fifanarahana teo amin'ny Komity sy ny orinasa BIONEX, dia 6 000 Ariary isaky ny kilao no vidin'ny lavanila hovidin'ny orinasa amin'ireo tantsaha.
Manentana ireo tantsaha mpamokatra lavanila ny tompon'andraikitra mba hivarotra amin'ny fomba ara-dalร na sy hanaraka ireo fepetra mifehy ny varotra, mba hiantohana ny mangarahara, ny filaminana ary ny fiarovana ny tombontsoan'ny rehetra.
Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana