10/08/2022
FANTARO.... Dia MIAROVA TENA .... AROVY NY HAFA.
๐ฏ Variole du singe: "Nendran'ny gidro":
๐ Ny tena fahita amin'ny nendran'ny gidro dia:
๐ก๏ธfiakaran'ny hafanana,
๐ค aretin'andoha,
๐ vatana sy nofo mangotsokotsoka,
๐ fanaintainan'ny lamosina,
๐ toa tsy manana herim-batana.
๐ฏ Ny mampiavaka azy amin'ny Nendram-boalavo (varicelle) Dia ny fisian'ny atoditarimo na tangiky.
๐ Ireo soritr'aretina ireo dia arahina fisehoana kibontsina somary vaventy izay maharitra roa na telo herinandro izay hita eo amin'ny vatana manontolo ka miatomboka eo amin'ny tarehy, tenda, valahana, ary faritra misy ny taovam-pananahana sy/na ny fivaviana,
๐ค Mampihavaka azy n'y fahitana ireo kibontsibontsina ireo koa ny felatanana, faladian-tongotra, maso, vava,.
๐ Ny isan'ny kibontsina Dia mety ahatratra an'arivony manerana ny vatana.
๐ Ny fery (kibontsibontsina) dia petaka amin'ny voalohany, avy eo feno tsiranoka izay mety hivadika nana alohan'ny hivadihany ho takompery maina ary miala ho azy amin'ny farany, satria misy sosona hoditra vaovao miforona ao ambaniny.
๐ Amin'ny ankapobeny, ny soritr'aretina dia maharitra roa na telo herinandro.
๐ Mety ilaina ny fikarakarana Sy fitsaboana hanampiana n'y vatana miady amin'ilay tsimokaretina, toy ny fanajana fanaintainana na fanalana fanaviana.
๐ค Ny olona voan'ny aretina dia tena mamindra amin'ny manodidina sy izay mifampikasoka aminy. mifindra mandra-pahatapitry ny fisehoan'aretina rehetra hatramin'ny fotoana hilatsahan'ny takompery rehetra eny amin'ny vatana manontolo, rehefa misy sosona hoditra vaovao miforona ao ambanin'ireny fery ireny vao tsy mamindra intsony ilay aretina.