13/01/2026
⭕ LESONA 2 ⭕
NY BLOCKCHAIN ???
1️⃣ Ny dikan'ny Blockchain amin'ny fomba tsotra
Alaivo sary an-tsaina hoe misy boky iray lehibe itahirizana ny fifanakalozana rehetra (ohatra: "Rakoto nandefa 5 BTC tany amin'i Lisy").
👉 Amin'ny rafitra taloha (Banky), ny banky ihany no manana an'io boky io.
👉 Amin'ny Blockchain, ny olona rehetra mifandray amin'ny internet sy mampiasa an'ilay rafitra dia samy manana ny dika mitovin'io boky io avokoa.
2️⃣ Ahoana ny fomba fiasany? (Ireo dingana 3 lehibe)
Mba hiasan'izany "Boky" izany, dia misy singa telo mampiavaka azy:
✔️Ny "Block" (Ny Pohitra)
Ny fifanakalozana dia tsy voarakitra tsirairay fotsiny, fa angonina ho vondrona antsoina hoe Block. Isaky ny misy fifanakalozana vaovao maromaro feno, dia mikatona ny block iray.
✔️Ny "Chain" (Ny Rojo)
Mba hampifandraisana ny block vaovao amin'ny block teo aloha, dia mampiasa kodia antsoina hoe Hash. Ny Hash dia toy ny dian-tanana (fingerprint) nomerika.
Ny block vaovao dia mirakitra ny Hash an'ilay block teo alohany.
✖️ Raha misy manandrana manova zavatra kely fotsiny ao amin'ny block taloha, dia miova ho azy ny Hash-ny, ary tapaka ny rojo. Izany no mahatonga azy tsy azo ovaina na tsy azo fetsena.
✔️Ny Fitsinjaram-pahefana (Decentralization)
Tsy misy ordinatera iray mifehy ny Blockchain. Ordinatera an'arivony (antsoina hoe Nodes) manerana izao tontolo izao no miara-manamarina ny fifanakalozana.
✖️ Raha misy olona iray te hamitaka, ny ordinatera hafa rehetra dia hilaza hoe: "Tsy mitovy amin'ny anay ny anao, ka nolavina!"
3️⃣ Inona no tena tombony amin'izany?
✔️Tsy misy mpanelanelana: Tsy mila banky ianao handefasana vola any ampita. Ny Blockchain no manamarina fa manana an'ilay vola ianao.
✔️Tsy azo fetsena (Immutable): Rehefa voasoratra ao amin'ny Blockchain ny zavatra iray, dia tsy azo kosehina na ovaina intsony mandrakizay.
✔️Mandeha foana: Tsy misy "heure de fermeture" ny Blockchain. Afaka mandefa vola amin'ny 2 ora maraina na amin'ny andro fety ianao.
4️⃣ Ohatra amin'ny fampiasana azy (ankoatry ny vola)
Tsy ny resaka vola ihany no azo ampiasana ny Blockchain, fa azo ampiasaina amin'ny:
🔸 : Mba tsy hisian'ny fangalaram-bato.
🔸 : Itahirizana ny mombamomba ny marary mba tsy ho very sy tsy ho azon'ny olon-tsy tokony hahita.
🔸 -tany: Itahirizana ny titry ny tany mba hisorohana ny fisolokiana.
Raha fintinina:
Ny Blockchain dia toy ny tambajotra goavana iray itambarana, izay itahirizana vaovao amin'ny fomba azo antoka, mangarahara, ary tsy misy mpitondra tokana.
✅ Tsara kokoa ity technologie blockhain ity satria transparence daholo ny zavatra atao rehetra ao aminy, tsy misy afaka manao zavatra hafa fa miasa samy mamita ny andraikiny dia mandeha an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra