22/03/2025
FITSIDIHANA SY FANOLORANA NY MPIFEHY VAOVAON'NY HERY VONJY TAITRAN'NY POLISIMPIRENENA ETO ATSINANANA.
Tonga nitsidika ny tobin'ny Hery Vonjy Taitran'ny Polisim-pirenena na Force d'Intervention de la Police (izay fantatry ny maro amin'ny hoe FIP) eny Verrerie Andriamatoa Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana, ny Commissaire Principal de Police RAKOTOVAO Jean Christian, androany sabotsy faha 22 mars 2025 maraina.
Nandritra izany no nanoloran'Atoa Talem-paritra ny tompon'andraikitra Vaovao misahana ny FIP dia ny Commissaire de Police FRANÇOIS Lapely.
Ankoatra izay dia nanome toromarika momba ny hanatanterahana tsara ny asa izay nanendren'ny Fanjakana ny Polisimpirenena indrndra ny FIP Atoa Tale dia ny hanatsarana sy hanamafisana ny fitandroana ny filaminana mba hahafahan'ny vahoaka mihary am-pitoniana sy mampandroso ny faritra sy ny firenena.
Nanambara moa ny Commandant FIP Vaovao fa vonona ny hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ireo baiko sy toromarika momba ny asa mba ho tombotsoan'ny vahoaka.
Anisan'ny vaindohan-draharahany ny fanarenana ny lesoka sy fanatsarana ao amin'ny sampan-draharaha izay tantaniny, Fampanajana ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana.
Misokatra amin'ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny Commandant FIP ary vonona hifanome tanana amin'ny fametrahana filaminana sy fandriam-pahalemana maharitra ato anatin'ny Faritra Atsinanana indrindra ny eto an-tampon-tanànan'i TOAMASINA.
Raha fintinina ny mombamomba sy ny andraikitra efa nosahanin'ity tompon'andraikitra vaovaon'ny FIP ity dia toy izao:
- Teraka ny taona 1972 izy, izany hoe 53 taona amin'izao fotoana izao.
- Ny taona 2014 izy no nivoaka ho Commissaire de Police taorian'ny fianarana tao @ Sekoly Ambonin'ny Polisimpirenena (ENSP) tao Ivato Antananarivo. Andiany "SAFIDY".
Marihina fa talohan'ny naha Commissaire azy dia efa nanao agent de Police izy. Nivoaka avy amin'ny andiany SANTATRA t@ taona 1994 avy tao amin'ny sekoly manofana Inspecteur sy Agent de Police (ENIAP) tao Antsirabe.
Ka ireto avy ireo sampan-draharaha sy vondrona efa niasany talohan'ny naha Commissaire azy: FIP Tanà, primature, présidence (securité, renseignements), Police de l'Air et des Frontières (PAF).
Taorian'ny nivoahany ny sekoly ambonin'ny Polisy kosa izy dia niandraikitra ireto:
- 2014: Adjoint Commandant FIP Tanà
- 2014-2017: Chef Commissariat de Securité Publique du District de Sainte Marie
- 2017-2018: Adjoint Commandant FIP TOAMASINA
- 2018- 2020: Chef CSPD Soanierana Ivongo
- 2020- 2024: Commissaire Central de Sécurité Publique de la Ville de Toliary
- 2024- mars 2025: Adjoint Chef Service Central des Renseignements (Tanà)
- Nanomboka ny mars 2025: voatendry ho Commandant FIP eto TOAMASINA.
Mirary soa ny Commissaire Lapely hahatontosa ireo adidy aman'andraikitra izay sahaniny.