03/10/2025
❗ IARITRA ALAHELO SA IARITRA VARY 10 000AR NY 1 KILAO?
Misy milaza fa, ajanony ilay tolona fa efa mampalahelo kely mihitsy ny Filoha.
Ny olan'ny Malagasy fantatra dia ireto isany :
• Mahantra be fihantrana
• Titikely tsy mitsinjo lavitra
Efa fahalemen'ny Malagasy hatrizay io, ary matoa tazana sy hita taratra foana hatramin'ny 1949 ka hatramin'izao.
Satria maro an'isa noho izany ireo manana an'ireo rafi-tsaina ireo.
• Te alahelo ianao, tsarovy ireo Malagasy 22 maty sy aman-jatony naratra izay dia mety ho taitra indray ny fitiavanao Tanindrazana.
• Te hiantra olona ianao, manangana orinasa afahany ireo very asa hisitraka indray asa hamelomany ny vady aman-janany.
Ka noho izany, tohizantsika izay efa natomboka. Tadidio fa raha omaly fotsiny no najanona ity tolona ity.
Tsy fantantsika fa ny DOUANE dia efa vonona ny hanao Fanambarana tamin'ity andro anio ity.
Iza mahalala? Iza no hanatevin-daharana rahampitso hanatevina ny tolom-bahoaka ity rahampitso ✊
MANÀNA FAHARETANA FA KELY SISA🤞
Ho an'ny Tanindrazana
Ho an'ny Taninjanaka