Tsy atoro fa hita

Tsy atoro fa hita Ifampizarana aminao ireo vaovao vao mafana

VALIN’NY FIFANINANANA FIHODINANA VOALOHANY NY ANDIANY FAHA 80 HO MPIANATRA HO ZANDARY ho an'i Faritra Atsimo Andrefana
21/04/2026

VALIN’NY FIFANINANANA FIHODINANA VOALOHANY NY ANDIANY FAHA 80 HO MPIANATRA HO ZANDARY ho an'i Faritra Atsimo Andrefana

Mitentina 11,65 million de $ no fanampiana atolotrin'ny fitondrana Amerikanina ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny PAM...
20/04/2026

Mitentina 11,65 million de $ no fanampiana atolotrin'ny fitondrana Amerikanina ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny PAM (Programme Alimentaire Mondial )ho famaliana ny fahamehana ara-tsakafo eto Madagascar.

7100tonne ny sakafo ka ny 5000 tonne amin'io dia efa vonona sy voaatitra any Atsimo.
natolotra amin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny Port n'i Toliara izany androany Ary natrehin'ny Filohan'ny fanavaozana .

Fantatra fa miisa 300 000 no hisitraka io fananmpiana io mivantana ka lohalaharana amin'izany ireo ankizy tsy ampy taona tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ireo vehivavy voasokajy ho marefo fidiram bola sy ara - mpivelomana.

Midinika momba 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ€πŠπ€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π“π’πˆπŒ-ππˆπ€ππ€π‘π€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ“π€πŽπ•π€ππ€ ny Fanjakana Malagasy Hisy ny fampiakarana ny vats...
20/04/2026

Midinika momba 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ€πŠπ€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 π•π€π“π’πˆπŒ-ππˆπ€ππ€π‘π€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ“π€πŽπ•π€ππ€ ny Fanjakana Malagasy

Hisy ny fampiakarana ny vatsim-pianarana ho 20% sy ny fitaovana ho 30% raha ny nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana MichaΓ«l Randrianirina io maraina io nandritry ny fihaonany tamin’ny mpianatra tao amin'ny AmphithéÒtre Fiakara Jean Ferlin Maninday Toliara.

Voalaza tamin’izany fa efa misy ny fiaraha midinika ny amin'ny lafiny ara teknika miaraka amin’ny MEF sy ny MESUPRES amin’izao fotoana izao.

Dingana izay heverina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Raiamandreny sy hitondra fanatsarana eo amin'ny fari-piainan'ireo Mpianatra ety amin’ny Anjerimanontolo.

Nametra-pialana tsy ho Mpikambana ao amin'ny vovonana IRMAR ny Ben'ny Tanana ao kaominina Ambanivohitry Salobe ao amin'n...
20/04/2026

Nametra-pialana tsy ho Mpikambana ao amin'ny vovonana IRMAR ny Ben'ny Tanana ao kaominina Ambanivohitry Salobe ao amin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo.

Voalazany tamin'ny fihaonany amin'ny Mpanao Gazety fa tsy an-tsitrapo fa fandrahonana sy an-tery no nanaovana KandidΓ  azy ao amin'io antoko io .

Fantatra fa Andriamatoa Mahasolo Raymond dia efa lany Ben'ny Tanana in- droa miatoana ao amin'io kaominina Salobe io amin'ny anarany tenany manokana. Ka tamin'ity filatsahany fanintelony ity no nanerena azy ho KandidΓ  ao amin'ny vovonana IRMAR.

Arak'izany na ireo Tanora mangetaheta Fanavaozana na ny Raiamandreny mpitarika ny Aingan'ny fanavaozana Ifotony ho an'i Madagascar AFIM ao amin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo VAOHITA dit Ambroise dia samy manohana sy manamafy ny fialany ao amin'ny IRMAR sy ny fifanomezan-tana ho fampadrosoana katsahina ao amin'ny Kaominina Salobe.

Tsiahivina fa ny 05 septembre 2025 lasa TΓ©o no nivoaka ny Didim-pitsarana faha - 156/EL - SP3 tany amin'ny Fitsarana tampony teo amin'ny Filankevim-panjakana manambara ny maha Ben'ny Tanana an'Andriamatoa MAHASOLO Raymond.

Address

Toliara

Telephone

+261331792122

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsy atoro fa hita posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tsy atoro fa hita:

Shortcuts

Share