21/11/2024
Fizaràna 1 :
Inona avy ireo sakafo FADY, tsy azo omena bitro!?⁉️
Azoko omena bitro ve ity sa tsia!?
Miazarazara isika matetika hoe efa nanome aho ary ny sasany koa manome anefa tsy maty izany ilay bitro!
Marihina fa tsy voatery ahafaty ny bitro eo no ho eo daholo akory ny fanomezana azy, fa kosa miteraka aretina maro, ary indrindra tsy hiteraka vokatsoa aminy na ny kely ary (sao hieritreritra hoe ireto no hampitombo azy aingana satria hoe efa zatra mihinana izy).
Ny aretina azo dia maro isan-karazany fa ireto anisany :
- Fikorotan'ny fandevonan-kanina: (troubles digestifs: ballonements, problèmes gastriques et intestinaux,...)
- Fanapoizinana (Intoxication)☠️
- Olana eo amin'ny taovam-pisefoana (problèmes respiratoires)🫁
- Olan'ny fo mety hiteraka fahafatesana tampoka (Problèmes cardiaques et neurologiques)💔
❌Ireto avy ary ireo sakafo "FADY" , tsy azo omena bitro❌
- Voankazo sy legioma sasantsasany : Zavokà🥑, tongolo🧅, tongolo gasy, ovy🥔, Mananasy🍍, voatabia maitso (ny tahom-boatabia sy ny raviny koa tafiditra)...
- Plantes toxiques : Anamamy, rhubarbe ravim-boatabia, ravin'ovy , tongolo maitso, champignon, poireau, ...🌿
- Voam-boakazo (Graines/Pépins) : rehefa hanome ireto voankazo ireto dia mila esorina aloha ny vôniny (graines/pépins): paoma, poara, cerises, pastèques, raisins, melon ...
- Agrumes : Citron, Pamplemousse, Voasary, Mandarines ... 🍋🍊
- Mofo,🥖paty🍜, produits céréaliers
- Voamaina (fatao laoka) : tsaramaso, voanjobory, tsiasisa sns... (Na manta na masaka), mangahazo,
- Chocolats🍫, bonbons🍬 ,sucreries🍭
- Produits laitiers (yaourt, fromages,...)🥛, Dite, 🍵,Kafe ☕
- Fruits secs sucrés
Rehefa tsy tadidy ilay lisitra na misy tsy voatonona ao, dia tazomy antsaina ny hoe: mila fitandremana ny fanomezana bitro sakafo betsaka calories sy sakafo betsaka glucides (na sucre lent na sucre rapide) fa mankarary azy!
Ka raha sakafo mampisalasala dia aleo tonga dia tsy manome!
Araho tsy tapaka ny pejy fa amin'ny fizaràna 2 isika hijery ireo