03/08/2026
🕊️ HAFATRA FANKAHEREZANA
Manoloana ny loza nahazo ny Tsena Bazary Kely, Tampitanàna – Toamasina, ny SRI-MADA dia maneho ny fiaraha-miory sy ny firaisankina amin'ireo mpivarotra, mpandraharaha ary ireo fianakaviana rehetra voakasik'izany.
Fantatray fa tsy mora ny miatrika ny fahavoazana sy ny fahasahiranana naterak'ity zava-nitranga ity. Na izany aza, matoky izahay fa amin'ny firaisankina, ny fifanohanana ary ny herim-po dia ho tafarina indray i Bazary Kely.
Mirary hery sy faharetana ho anareo rehetra izahay, ary manantena ny hiverenan'ny tsena hivelona sy hiroborobo indray tsy ho ela.
SRI-MADA
Miara-dia amin'ny vahoaka amin'ny fotoan-tsarotra sy amin'ny fanantenana ny ampitso.