Sombin-tantara Mifono Hafatra

Sombin-tantara Mifono Hafatra Rah mba nafinaritra anao de araho(Abbonnez)ny pejy

Tantara mifono anatra✍✍


∞🖤

FiainanaFizarana fahadimyDia lasa notaritaritiny tany anaty ala aho;nohony tonga tany aloha tany dia nisy toerana somary...
28/01/2025

Fiainana
Fizarana fahadimy

Dia lasa notaritaritiny tany anaty ala aho;nohony tonga tany aloha tany dia nisy toerana somary nazava(tsy dia feno ala,ohatrany hoe misy olona mandeha matetika) dia notapenany ny masoko ary nobatainy aho...

Akory ny hatairako tsy ela akory,antsasa_kadiny teo angamba no nibatany ahy nahita tanana be,feno omby,feno biby fiompy isak'arazany,zaza amam_behivavy ...
Ny tsapako aloha dia toa fidinana izany foana no lalana nodiavinay...
Toa misy zavatra ohatran'ny lakolosy izay naneno dia iny fa vory daholo ny olona...
Ny mahagaga dia lehilahy daholo ny anlabetsahan'ny olona aty,toa lehilahy hafahafa izany;Toa feno holatra ny vatany iray manontolo,feno sarisary hafahafa...
Aiza re ity tanana misy ahy ity e😥,toa matahotra izany aho...

Fiainana,fizarana fahaefatraNohon'ny avy nantsaka rano aho dia nateriko tany andakozia ny ranoko ary nandeha namonjy an'...
26/01/2025

Fiainana,fizarana fahaefatra

Nohon'ny avy nantsaka rano aho dia nateriko tany andakozia ny ranoko ary nandeha namonjy an'i Neny aho sao misy ilainy.

Neny!Sao dia misy ilainao,hoy aho hiezaka nitsikitsiky sy nampifaly azy...
Akory anefa ny hatairako fa toa tsy nihetsika intsony i Neny,tsy hay na torana na inona ny nahasafotra azy teo...
Ny hiakiakako sy ny tabatabako no nanaitra ny manodidina ka tsy ela dia vory ny olona...
Mahereza anaka a!Efa tsy namatsiia intsony izy,hoy ireo olon_dehibe nanatrika😭.
Toa nilatsahambaratra aho raha vao naheno fa lasa tsy hiverina intsony i Neny💘😭...

Rano nitondraka teo amin'ny lohako sy ny antsoantson'i Dada no nanaitra ahy...I Dada,toa tsy tompon'ny tenany izany izy😥,olona maromaro no mitazona azy fa sady mivazavaza miteny no te handositra handeha....
Eeee,raha tsy nisy an'ireto fiarahamonina ireto moa izany dia tsy hay izay nanjo anay mianaka teto,Ireo anadahiko any lavitra any. Ilay zoky vavy mba ianteherana;eny fa na dia ny aretin'i Neny aza tsy hitany...
Asa mba efa naheno izay izy,mba hanao ahoana ny fihetsehampony raha mahita an'i Neny lavo,resy toy izao?😭

Neny oh💔😭😭😭,efa niady ianao,efa nanao izay tratrin'ny herinao sy ny sainao rehetra ianao saingy mafy loatra ilay fahavalonao ka lavo ianao.
Mila tsy ho zakako ny mahita anao resy toy izao;Vehivavy mahery,sy manana heri_po no nahafantaran'ny maro anao hatrizay saingy mafy loatra rafahafatesana😥.

FiainanaFizarana fahateloEee,zao sisa Neny a,izao sisa niafaranao😥. Fa dia nahoana loatra re? Inona ny ratsy nataonao no...
17/11/2024

Fiainana
Fizarana fahatelo

Eee,zao sisa Neny a,izao sisa niafaranao😥. Fa dia nahoana loatra re? Inona ny ratsy nataonao no dia izao no ifaranao?
Olona tsotra sy tia manampy olona ianao,tsy mba tia ady amin'olona izany,be fandeferana...
Miezaka ny mankahery an'i Neny foana aho,tsy nasehoko azy ny alaheooko;Eny fa na dia efa mila tsy ho zakako aza ny mahita azy malemy tsy afa_mihetsika eo ampandriana.
Miezaka ny mamalifaly azy aho,raha vao misy fotoana kely aho dia tsy mba mandeha aiza na aiza izany fa eo aminy foana.
Ataoko angamba fa fotoana izao hanehoako aminy sy ilany ny fitiavako azy,tambitamby...
Tsy misaotra ratsy aho fa tsy hay izay fandaharan'Andriamanitra ka dia araraotina ny fotoana maha eo azy hanehoana fitiavana sy fankasitrahana azy....
I Dada indray toa tsapako hoe sahiran_tsaina izany,miasaloha be izany izy.
Eny e,tsy mora aminy izao saingy tsy misy azonay atao.
Miezaka ny mampahery azy ihany koa aho...
Ny amin'i Zokivavy indray dia tsy mba nandalo mihintsy izy hatr'izay nahararian'i Neny izay.
Tsapako hoe malahelo azy i Neny😥.

Ao amin'ny kaomantera ny tohiny

Paoziko mitazatazana an'ilay anjara_pitiavako sao miafinafina any ambony any ihany😂Rehefa avy eo oh✍️
13/11/2024

Paoziko mitazatazana an'ilay anjara_pitiavako sao miafinafina any ambony any ihany😂

Rehefa avy eo oh✍️

FIAINANA Fizarana faharoaTsy mba azoazoko mihintsy io toetran'io zokiko vavy io hatramin'izay,matetika izy ny mifamaly a...
21/10/2024

FIAINANA
Fizarana faharoa

Tsy mba azoazoko mihintsy io toetran'io zokiko vavy io hatramin'izay,matetika izy ny mifamaly amin'i Dada sy i Neny,somary be fialonana izay.Hany ka lasa tsy dia miraiki_po aminy loatra aho fa ireo anadahiko roalahy no akaiky ahy kokoa noho izy.
Tsy tianay hono izy,ahilikilikay hono izy,nisy fotoana moa izy nilaza mihintsy hoe tsy tena zanak'i Dada sy i Neny hono izy satria izy irery ny tsy tian'zareo.
Raha tsiahivina kely moa ny tanataran'io zokiko io dia mba azo lazaina nahazo tombony ihany izy raha fitia tamin'i Dada sy i Neny raha arakan'i fitantaran'i Neny satria mba nahita ny fahatanoran'izy ireo.
Nampianarina,niakanjo tsara,nampihantahantaina...
Fa saingy teo amin'ny faha 18 taonany izy solafaka ka bevohoka ka tsy maintsy nanambady,vao classe de première.
Ranomaso ny an'i Neny tamin'izany fa tsy afa_nanoatra...
Tsy maintsy nanambady izy,na izany anefa dia teo anilan'izy ireo foana i Dada sy i Neny satria mbola samy tsy niasa daholo izy mivady satria samy mbola mpianatra.
Nanome vola mba hiavotan'izy ireo i Dada sy i Neny,ary tsy indray mandeha izany fa matetika satria matetika izy ireo no faty antoka satria tsy dia mahay mitantana sy mampitombo.....

Fa ny tena tsy zakako amin'ny toetrany dia ny manao farateny amiko foana hoe:"Tsy hilentika angaha io masoandro efa hody io"😥
Marary ny foko,malahelo aho...Tena irariany tsy ho ela velona mihintsy izany i Dada sy i Neny,amin'izay aho potika tanteraka...
Eee,sambatra ny olona mba manana zoky vavy mifanara_tsaina aminy,manohana azy...

26/09/2024

Tsiafoy no anarako.
Amin'ny maha fiainana an'ilay lohatenitsika moa dia tantaram_piainan'olona iray izany no ho tantaraina eto handraisatsika lesona sy hafatra avy aty amiko;Ka mamakia finaritra tompoko😘:

Anisany zaza tsy mba nisy nahaory ahy aho teo amin'ny fiainako(fiainana fahazaza). Ambanivohitra somary mihataka kely ny tanan_dehibe ny misy anay.
Mbola velon_dRay velon_dReny moa ny tena ka raha tsy mahazo mihanta any amin'i Neny dia any amin'i Dada.Efatra mianadahy izahay no iray tampo,izaho no faravavy;Roa lahy,roa vavy.
Efa samy lehibe daholo moa ireo zokiko ary tena misy elan'elana be ny taonanay,ilay zokiko lahy alohako izay folo taona be izao no elanelanan'ny taonanay.
Tsy dia nahita loatra ny fahatanoran'i Dada sy i Neny aho fa kosa tena nahita fitia be mihoatra nohon'ireo zokiko vavy....
Ao amin'ny kaomantera ny tohiny.
Iangaviko ianareo mba eo amin'ny soratra"répondre" eo amin'ny kaomantera izay ataoko no mamaly fa lasa mikorontana be ilay izy😘.

26/09/2024

"Fiainana"
Avy eo
Ianareo ve tsy mahatsapa hoe tsara fiafara foana izay tantara soratana eto?
Kanefa dia maro amin'ny fiainan'ny olombelona no ratsy fiafara(tsy haiko izay fiainana any akoatra an)...
Somary ho lava izy ity
Sady tsy ho ataoko ela be intsony ny tohiny fa mba efa malalaka.
Judi✍️

19/09/2024

Ohhh😥😪
Mirary soa ary e💔
Tohizo ny lalanao

Voaloham_pitiavako"FARANY"Nohon'ny fitiavan_tenan'ireo Ray aman_dReniko,fitiavam_boninahitra dia tsy maintsy nanapakevit...
18/09/2024

Voaloham_pitiavako
"FARANY"
Nohon'ny fitiavan_tenan'ireo Ray aman_dReniko,fitiavam_boninahitra dia tsy maintsy nanapakevitra ny hanilika ahy ry zareo,tsy afaka ny hitazona ahy intsony hono satria aho manan_kilema,malemy. Tsy niteraka zaza malemy sy manan_kilema hono ry zareo fa ny hadalako ny nahatonga ahy ohatr'izao....
Nanapakevitra ny tsy hiteny an'izany amin'i Lafatra aho fa aleoko ho zakaiko ho ahy irery ihany satria vokatrin'ny ditrako.
Tsy hanome tsiny an'iza an'iza intsony aho manomboka eto fa izay rehetra miseho amin'ny fiainako dia zakaiko sy ekeko fa vokatrin'ny tsy mety nataoko avokoa...
Hoy i Neny izay hoe:Fiainanao io,anao ny familiana ka izao no namilianao azy ka dia nivarina ankady ianao izao,anaty lavaia mangitsokitsoka tanteraka,ka iza no hantenainao hanavotra anao eo?
Iza no hosahiraninao haka anao any?

Marina ny azy😥

Misaotra Neny a💔,misaotra tamin'izay vitanao hatrizay,nitaiza sy nilolokolo ahy 😭
Fa kosa ampy izay😭,aza latsaina intsony aho fa efa lavo,resy tanteraka...
Ataovy re izay ataonareo fa manaiky aho e...

Voaloham_pitiavakoFizarana fahaeninaTsy mba nisy fo nangoraka ahy ireo nahitako masoandro hatramin'izay nampaharary sy n...
29/06/2024

Voaloham_pitiavako
Fizarana fahaenina

Tsy mba nisy fo nangoraka ahy ireo nahitako masoandro hatramin'izay nampaharary sy nampandamaka ahy teto ampandriana izay.
Teny maharary,latsa no mba azoko isak'izay mba mijery ahy izy ireo; Tsy hadinoko sady tena naharary ahy loatra ilay tenin'i Neny hoe:Tsy mendrika ny ho zanakay sady tsy niteraka zaza manan_kilema toy izao izahay,tsaratsara aminao mihintsy mandeha amin'izay nahavoadona anao tany fa tsy mody milafidafika ato;Taloha be mokondoha sy be famaliana rehefa tenenina.Izao no volany e,izao no vokany rehefa mampahory Ray aman_dReny...
Eny e,ekeko izany saingy tsy safidiko sady tsy fidiny ho ahy no ho toy izao.

Indray andro mba sendra namangy ahy i Lafatra,ilay hany namana tsy mba nanary ahy,tsy mba nandatsa ahy,nihaino ahy foana hatramin'izay...

Izaho:Lafatra oh,tena tia ahy moa ndry? Tian_dry ve izaho raha sambatra?
Lafatra:inona re izany fanontanina izany e,tena tiako ky a,ory anie ny foko mijery an_dry toy izao e😥,maheno ny mahazo an_dry😥.
Izaho:Ka izao ary e,raha tianao ny hahasambatra sy tsy hampahory anah dia izao:efa iaraha_mahalala fa tsy misy fanantenana intsony ny amiko,latsa no mba hiainako iandrasako ny andro hahafatesako,tsy misy mikarakara aho😭,mahatsapa fanaintainana lava😭😭..Tsy ho averiko aminao eto daholo. Raha tena tia ahy ndry dia ampio aho handao an'ity tany feno fangirifiriana ity...Tsy avy hatrany ndry dia hoe hamono ahy fa ividiano poizina mahafaty ky izaho ah😭,miangavy moa e🙏.

Lafatra:Miah oh! Tsapako ny mahazo an_dry,te hitroatra mafy aho,te hanohitra,te hiady ho an_dry,fa aza mbola manary toky toy izany moa e🙏😥. Tsy maintsy mbola ho sitrana ndry,any an..Tsy maintsy miady aho ary tsy maintsy hanampy an_dry,zay tsarovy.
Aza manana eritreritra ny hamono tena izany,ndry anie no hany mba namako e.

Tsy miady aho,ary tsy maintsy sitrana enao,eny fa na tsy androany ary.
Izaho:Eez💔😥,misaotra ky a;Fa na izany tsy hoe manambany anao izaho fa...Aza misahirana e,fianarana ky atao tsara a,ataovy anatra amin'ny fiainanao ireny nahazo ahy ireny.Hadalako ny ahy...
Lafatra:Tsy misy hadalana na hadisoanao ireny rehetra ireny Miah a,raha tsy nisy sakana teo aminareo tsy nisy ny toy izao.
Izaho:Eee💔,mety efa sambatra izay ky izy any😥,tsy miraharaha ny amiko intsony ;Sady inona intsony moa izay izaho e😥😥.

Lafatra:Avelao any izany ho any,izay hahasitrana an_dry ny ho katsahintsika,tsy maintsy mbola any ny anjaranao fa aza manahy.
Sady tsy hainao izay tena fahamarinany na nanambady marina izy na tsia,fa raha anjara ny anareo tsy maintsy mifankahita eny foana...
Manana finoana ky a,mafy ny ady atrehanao,dia mivavaka ho an_dry,Tsarovy fa misy olona tena tia sy mivavaka ho an_dry isan'andro foana...

Voaloham_pitiavakoFizarana fahadimyNanomboka nisy elanelana teo aminay sy i Stéphan ;Tsapako ho tsy dia manana fanantena...
13/06/2024

Voaloham_pitiavako

Fizarana fahadimy

Nanomboka nisy elanelana teo aminay sy i Stéphan ;Tsapako ho tsy dia manana fanantenana ny amiko intsony izy. Nangidy sy mafy aminy loatra ny teny nataon'i Dada taminy💔
Fa dia tsy maintsy hitovy saranga ve izany?
Tena tsy haiko ky ,tena aa,tsy haiko e,izany foana no averimberin'i Stéphan 😢.
Izaho anefa ity tena efa tafalatsaka tanteraka,tsy ho vitako ny hanadino na hisaraka aminy,izy kosa miezaka mamola_po tsikelikely amiko,marina ny azy e,izaho no adala tsy mba mahalala mionona

Voaloham_pitiavakoFizarana manarakaDia niaraka teny isika(M&S💖),nifanjohy teny foana,izaho tokinao,ianao tokiko;Eny tong...
11/06/2024

Voaloham_pitiavako
Fizarana manaraka

Dia niaraka teny isika(M&S💖),nifanjohy teny foana,izaho tokinao,ianao tokiko;Eny tonga hatramin'ny voady.Nifanao voady isika ny hoe tsy hifandao na amin'ny mora na amin'ny sarotra,Tsy hilavo lerona isika na misy inona na misy inona...Samy tsy nisy nahasaraka na izaho na ianao...Tamana ery aho isakin'ny tsy mianatra mankany aminareo...
Nampahafantarinao ny Ray aman_dReninao aho,Izy ireo moa tsy nankasarotra fa nanaiky izay safidinao

Ao amin'ny kaomantera ny tohiny

Address

Mangarano
Delhi

Telephone

+261345805432

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sombin-tantara Mifono Hafatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share